· Oktobra, 2008

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Oktobra, 2008

Haiti: ny faneken'i Powell

Lavitra dia lavitry ny fahatalanjonana mahita ny fanohanan'i Colin Powell an'i Barack Obama, The Haitian Blogger no miteny: “Eto Haiti, Powell no ‘Mpitarika Mainty niandraikitra ny’ fandravana ny demôkrasia teto...

23 Oktobra 2008

Brezila: nigadra fa naneho hevitra tamin'ny blaogy (bolongana)

Manamboninahitra ambony ao amin’ny polisy no olona voalohany nampidirina am-ponja noho ny fanehoan-kevitra tamin’ny bolongana tany Brezila. Indreto ary torotoro ravina teo amin’ny tontolom-bolongan’ny polisy avy amin’izany fisehoan-javatra izany. Tsy atao mahagaga loatra, noho ny torolalana amin’ny fampianarana mamahana bolongana sy maneho hevitra (miafina sy tsy fantatra toerana ipetrahana), raha maro amin’ny manamboninahitra no mamaham-bolongana tsy mitonona anarana.

16 Oktobra 2008

Jamaika:Fisaonam-pirenena

Iray volana sy tapany lasa izay dia firenena ravo sy tretrika i Jamaika raha nankalaza ny fandresena azon’ireo mahery fo Olaimpikany. Tamin’ity herinandro ity, dia firenena iray fanina no nisaona...

05 Oktobra 2008

Kôlômbia: Diam-pahafahana manerantany

Taorian'ny fanavotana ireo olona be mpahalala 15 azo takalon'aina teo ampelatanan'i FARC tamin'ny 2 jolay, dia nanapa-kevitra indray ny fikambanana izay efa nanao diabe nanoherana ny Vondrotafika revolisionera Kolombiana(FARC) tamin'ny 14 feboroary fa tokony hisy indray izany ny 20 jolay, androm-pahaleovantena nisitahana tamin'i Esipaina. Ny lahatsary sy ny sary no maneho ny fomba nankalazana ny fahaleovantena sy ny fanafahana avy amin'ny vazantany efatra, sy izay mifangarika amin'ny dikan'ny teny hoe firenena sy fahafahana.

04 Oktobra 2008