Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Aogositra, 2010
Jordania: Reema, Tsy avelanay ho zava-poana ny fahafatesanao
Reny 35 taona, manan-janaka 3, no maty novonoin'ny vadiny nandritra ny torimasony tany Jordany . Nihevitra ny vadiny fa "tratry ny mosavy " ny vady andefimandriny ka mety ho izy no hovonoiny voalohany. Tantaran'ny maty feno alahelo no nosoratan'ny zana-drahavaviny ao amin'ny aterineto ary antso maro no nalefa mba tsy ho zava-poana ny fahafatesany .
Rosia: Fanohanana ireo niharam-boina tamin'ny lelafo amin'ny alalan'ny famatsiam-baovao amin'ny aterineto

Mbola niparitaka hatrany ny afo tao Rosia nanomboka tamin'ny herinandro lasa teo, izay nampikorontana ny mponina an'arivony. Nisy vohikala vaovao iray niforona ary mampiasa ny fitaovana Ushahidi, Russian-fires.Ru, izy io dia tsy mamoaka an-tsary ny toerana nitrangan'ilay lelafo fa mampifandray ireo mponina mila fanampiana sy ireo manam-paniriana ny hanampy azy ireo.
Sina: Nivoaka ny fonja i Fan Yanqiong, “Fujian” ao amin'ny aterineto
Ny farany tamin'ireo "Fujian" 3 ao amin'ny aterineto mbola voatana antrano maizina, Fan Yanqiong, dia nivoaka androany "on medical parole" taorian'ny taona iray nanefainy ny helony. Jereo ny fanadihadihana vaovao nataon'i He Yang mikasika ny tantarany, tahaka izany koa ireo vahoaka ao amin'ny aterineto You Jingyou sy Wu Huaying, etsy ambony.
India: Fanarahamaso ny fandikàna lalàm-pifamoivoizana amin'ny alalan'ny Facebook
Ny fepetra vaovao noraisin'ny Mpitandro ny Fifamoivoizana any Delhi dia mampisongadina ireo olan'ny fandraisan'ny olom-pirenena anjara sy ny fampiasàn'ny governemanta ny media sosialy any India.
Sina: izaho no i Liu Xianbin
42 taona i Liu Xianbin ary nandany ny iray ampahatelon'ny androm-piainany tany am-ponja. Nogadraina indray izy nanomboka ny volana Jona ary manao fampielezan-kevitra amin'ny hiaka hoe "izaho no Liu Xianbin " ireo mahery fo .
Libanona: Olona telo nogadraina noho ireo zavatra nolazaina tao amin'ny Facebook
Niverina namely indray tamin'ity taona ity ny governemanta Libanezy (tamin'ny roa volana lasa ny tranga voalohany ) amin'ny fanagadrana an'i Naim Ge
Ekoatora: Tian'ireo mpampiasa Twitter ny Fireneny
Nanapa-kevitra ny hankalaza tamin'ny fomba miavaka ny tsingerintaonan'ny fahaleovantenam-pireneny ireo Ekoatoriana mpampiasa twitter, tamin'ny 10 Aogositra.
Ejipta: Efa manana fankahalana voajanahary miharo herisetra amin'ny vehivavy mihitsy ve ny Ejiptiana e?
Efa manana fankahalana voajanahary miharo herisetra amin'ny vehivavy mihitsy ve ny Ejiptiana e ? Tena tsy faly mihitsy amin'ity fironana ara-tsosialy vaovao ity iZeinobia , ary Mohaly dia mametra-panontaniana hoe mizotra mankaiza isika miaraka amin'ny fanavakavahana, manontany tena i Diptychal ny amin'ny antony itadiavan-dry zareo izay hanampenam-bava azy ireny, ary Eman Hashim dia mangataka ireo renim-pianakaviana mba hitia ny zanak'izy ireo vavy!
Mi-Tweet mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka any Kenya 2010
Nanao fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ny fanaganana lalàm-panorenana vaovao ireo Kenyana androany. Vao haingana androany dia nanome rohin'ireo vohikala miaraka amina fanavaozana mikasika ity hetsika ity androany. Ireo Kenyana mpampiasa twitter be atao amin'ny fandefasana ireo tweets mikasika ity fitsapan-kevi-bahoaka ity amin'ny fampiasana ireo tenifototra: #uchaguzi, #kenyadecides
Rosia: Tanàna sy vohitra maro may

Doro ala sy afo be mivaivay no mandripaka manivatsiva an'i Rosia afovoany ; olona an'arivony no alàna amin'ireo faritra voakasika, ary ny mampalahelo dia, misy tatitra mikasika ireo fahafatesan'olona ( miisa 28 farafahakeliny , hatramin'ny androany ). Tamina tranga maro dia tsizarizary ny fandraisana an-tànana ny ezaka famonoana afo, ka nisafidy ny hihetsika amin'ny herin'ny tenany ireo mponina eo an-toerana sy hiaro ireo tanàna sy vohitra manodidina miaraka amin'izay fitaovana mety hananany eo am-pelatanany.