Liva Andriamanantena · Marsa, 2018

Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Marsa, 2018

Thailandy: Ao Anatin'ny Fonjan'i Bangkok

  23 Marsa 2018

Voafonja tao amin'ny fonjan'i Bang Kwang i Gary Graeme Jones , fonja mafy fiarovana ho an'ny lehilahy ao Thailandy. Navoaka tao amin'ny bilaogin'ireo mpanohana azy ny taratasy sy ny tatitra nataon'i Gary. Mampahafantatra ny vahoaka ny momba ny fepetra iainan'ny voafonja ao amin'ity tranobe famonjana malaza ratsy ity ilay bilaogy.

Egypta: Milaza Zavatra Betsaka Ny Lahatsary

Miomana amin'ny andro faha-efatra amin'ny fihetsiketsehana ny governemanta Egyptiana. Nandefa teny fampilazana sy nizara lahatsary tamin'ny Aterineto ny mpikatroka. Nihetsika ny governemanta tamin'ny alàlan'ny fanakatonana ny tambajotra iray manontolo. Famintinana vetivety ireo lahatsary nalefa tao amin'ny Youtube mandrisika ny olona hanatevin-daharana ny hetsi-panoherana notontosaina ny andro Zoma.

Palestina: Ny Sarin'ny Fandalovana Tao Gaza

  15 Marsa 2018

Ho an'ireo Palestiniana voaraoka tamin'ny taniny,  zava-tsarotra sy mampalahelo ny fiverenana an-tanindrazana indray. Nitsidika an'i Gaza ilay bilaogera Palestiniana Ibrahim ary tsy nahaloa-peo izy nahita izany.  Ny rakitsariny no navelany ho antsika mba hamintinana ny fitsidihany