Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Marsa, 2023
Mizara ny fitiavany ny fiteny ao amin'ny Radio Nasionaly Tseky i Filip Noubel
Miresaka momba ny fitiavany ireo fiteny sy ny fianarany azy ireo tamin'ny antsafa tsy nampoizina niarahana tamin'ny fizarana fandaharana amin’ny teny Espaniola ao amin'ny radio nasionaly Tseky i Filip Noubel, Tonian-dahatsoratra Mpitantana ato amin’ny Global Voices.
Imam iray teo aloha namerina ny hira vako-drazan’ny ankizy tao Kahramanmaras, Torkia
Tao anatin’ny ezaka hampitony ny ankizy sy ny olon-dehibe niharan'ny horohorontany, nanapa-kevitra ny hamerina indray ny hira vako-drazana Tiorka tranainy iray tao amin'ny moskea i Ömer Faruk Amca.
Nanao diabe ny vehivavy nanamarika ny Andron'ny 8 martsa tany Tiorkia, na teo aza ny faneriterena ataon'ny fanjakana
Nandritra izany fotoana izany, nampanantena ny antoko mpanohitra fa ity no diabe farany ataon'ny vehivavy ahitana ny fanatrehan'ny polisy maro sy fandraràna.
Nandresy tamin'ny Karnavaly tao São Paulo ny sekoly Samba nanoritsoritra ‘Samurai’ teraka tany Mozambika
Mampiseho ny tantara Mozambikana, antsoina hoe samurai any Japana tamin'ny taonjato faha-16. Voalaza fa teraka tao amin'ny Nosy Mozambikana iray i Yasuke mainty hoditra voalohany tonga tany Japana ary lasa samurai mainty hoditra voalohany.
Kôlera, aretina mbola mampanahy hatrany any Mozambika
Nahitana aretina izay tsy dia noresahina firy any amin'ny firenena hafa tao Mozambika, saingy mampanahy ny firenena tokoa izany. Kôlerà izy io na ilay antsoina hoe 'aretin'ny tanana maloto'. Areti-mifindra izay mahakasika ny olona an'arivony any Mozambika.
Ny zava-doza amin'ny famoràna vehivavy any Mozambika
Matetika atao amin'ny tovovavy eo anelanelan'ny fahazazana ka hatramin'ny 15 taona ny famorana vehivavy. Mifototra amin'ny fifangaroan'antony ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina ity fomban-drazana ity, toy ny tsindry ara-tsosialy sy ny fomba fanao, ny finoana ara-pivavahana ary ny hevitra momba ny hamanjàna sy ny fahadiovana.
Navoakan'ny Freedom House ny fomba hanoheran'i Mozambika ny fitaoman'i Shina eo amin'ny sehatry ny fampitam-baovao
Nanasongadina indray ny momba ny fitaoman'i Shina eo amin'ny sehatry ny serasera any amin'ny firenena maro manerana izao tontolo izao, anisan'izany i Mozambika ny Freedom House.