Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Oktobra, 2019
Nosafidian'ny BBC ho iray amin'ireo vehivavy 100 nanana herim-panintonana indrindra ilay vehivavy Thailandey moanina Theravada
Nifanehitra tamin'ny fanoherana avy amin'ny laika sy ny moanina izay manohitra ny fanokanana ny vehivavy ny ezaka nataon'i Dhammananda hanangana indray ny fitohizan-taranaka Theravada bhikkhuni (monasiteran'ny vehivavy) any Thailandy.
Efa misy izao ny Lingua Okrainiana vaovao!
Misokatra ny Lingua Okrainiana ato amin'ny Global Voices.
Na dia teo aza ny ‘solon'ny loka’ tamin'ny herintaona dia tsy nomena an'i Maryse Condé avy ao Guadeloupe ny Loka Nobel Literatiora taona 2019
Saika nitsiky tany amin'i Maryse Condé ny herijika saingy ilay mpanoratra Aotrishana Peter Handke no notoloran'ny Akademian'i Soeda ny loka Nobel ho an'ny Literatiora taona 2019.
Nandrara ilay mpilalao e-sport ao Hong Kong tsy hanao fifaninanana noho ny hiaka nataony momba ny teny filamatra manohana ny demokrasia ny orinasa Amerikana Blizzard mpamokatra lalao
Ho esorina amin'ny fifaninanana ilay mpilalao e-sport sady tsy omena loka lelavola ary voarara tsy hifaninana amin'ny Hearthstone hatramin'ny taona 2020. Manana ampaham-bola 5% ao amin'ny Blizzard ny orinasan'ny teknolojia Shinoa goavana Tencent.
Fantaro i Abhinash Das, hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 15 ka hatramin'ny 21 Oktobra 2019
Vakio ny resadresaka nifanaovana tamin'i Abhinash Das ity, ilay hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 15 ka hatramin'ny 21 Oktobra 2019. Hizara momba ny ezaka ataony amin'ny fiarovana ny fiteny Karbi any an-toerana izy.
Ny fitsaboan-tena maharitra rehefa afaka tany Xinjiang
Manolotra ny fikarakarana ara-pitsaboana ho an'ireo niharam-boina tany amin'ny tobim-pamonjana Shinoa ny tetikasa fanohanana ara-bola handraisana anjara ao Kazakhstan saingy ela vao sitrana ny fiantraikan'izany ara-tsaina.
Ahitana ny vanim-potoanan'ny fibodoana an'i Japana sy ny tantaran'ny fanagadrana ny Japoney-Amerikana ity angon-tsary an-tserasera ity
Ahitana sary miisa 250 mahery tamin'ny vanim-potoana taorian'ny ady tany Japana ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto.
Tsy manan-tany, tsy misy trondro: miady amin'ny fandrahonana roa sosona ny vondrom-piarahamonina Mekong any avaratra atsinanan'i Thailandy
"Tsy azoko fa tena vaky ny lohako. Ahoana no ahafahany mandrava izany? Tsy manan-trano hipetrahana aho. Tsy mpampiasa vola manankarena izahay. Vahoaka mahantra izahay."
Ny hatsaran-tarehin'ny salohim-bary avy amin'ny talenta ara-javakanto any India sy Nepal tsy dia misy mpahalala loatra
Miha-manjavona tsikelikely ny fomban-drazana amin'ny fanaingoana trano amin'ny salohim-bary norandranina ho hanana endrika tsara tarehy.
Mety tsy hiatrika ny fifanitsanana iraisam-pirenena izay atrehany voalohany ny ekipan'ny mpilalao baolina kitra manana fahasembanana any Kamerona
Niforona tamin'ny volana Martsa tamin'ny heintaona ny ekipan'ny mpilalao tapa-tongotra Kameroney ary mila ny fandraisana anjara iraisam-pirenena mba hahazoany fankatoavana avy amin'ny Federasionan'ny Baolina Kitra ho an'ny Mpilalao Tapa-tongotra Maneran-tany. Tsy mbola misy antenaina anefa ny momba ny dian'izy ireo.