Liva Andriamanantena · Marsa, 2018

Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Marsa, 2018

Japana: Ireo Labozia Ranomandry Mamelom-panantenana Ho An'i Haiti

  31 Marsa 2018

Over 100 international students of the International University of Japan joined together to build a snow ball in lighting the candle of hope for Haitians who have been suffering from the earthquake devastation since January 12th. Mpianatra maherin'ny 100 avy amin'ny firenena samihafa no niara-nanangana baolina ranomandry mba handrehetana ny jiron'ny fanantenana ho an'ireo Haitiana izay nijaly noho ny faharavana nateraky ny horohorontany ny 12 Janoary 2010.

Fihetsiketsehana Nataon'ny Tanora Tany Syria Hanohanana Ny Syrian Air

Nametraka andiana sazy ara-barotra sy ara-toekarena izay nampisy fiantraikany teo amin'ny fiainana andavanandron'ny olom-pirenena Syriana tamin'ny faritra maro i Etazonia. Nampiasa ny aterineto ny tanora Syriana mba hanoherana ny fanasaziana ny fiaramanidina Syrian Air, noho ny fandraràna ny fividianana fiaramanidina ara-barotra vaovao sy ny fividianana ny fitaovana hanoloana ny simba.

Libanona: Olona Miisa 90 No Voalaza Fa Maty Tamin'ny Fianjeran'Ilay Fiaramanidina Ethiopian Airlines Tany An-dranomasina

Niraradraraka tao amin'ny Twitter ny teny fampiononana taorian'ny nianjeran'ilay fiaramanidina Ethiopian Airlines tany amin'ny faritr'i Mediteranea minitra vitsy taorian'ny nialany tany Beirota, Libanona. Voalaza fa maty avokoa ireo olona miisa 90 tao anatiny rehefa nirehitra nandritra ny kotro-baratra ilay fiaramanidina  ka nianjera tany an-dranomasina.

Oman: Ny Fitandremana Ara-tsakafo, Ny Rakipeo Momba Ny Fampianarana Ambony

  26 Marsa 2018

Niverina teo amin'ny sehatry ny bilaogy ireo bilaogera tany Oman ary nanomboka ny taona vaovao tamin'ny fanapahan-kevitra sy tetikasa goavana. Nanokatra bilaogy vaovao iray hizarana ny fandaharam-potoanany momba ny fitandremana ara-tsakafo amin'ny faratampony ilay bilaogera ATGM, izay ahitana ny fihinana sakafo kely efatra fotsiny isan'andro, sy ny fisotroana rano betsaka.