Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Marsa, 2017
Ny Renivohitra Kyrgyzstan sy ny Trolleybus-ny Be Mpankafy Mitriatra Fitaratra Arotsioka
Manana ny endrika mampiavaka azy ve ny trolleybus ao Bishkek? Miloka ianao fa manana ry zareo!
Nifidy Ny Filoham-pireneny Faha-4 i Timor Atsinanana Hatramin'ny Niverenan'ny Fahaleovantenany
Voafidy tamin'ny 57,08% i Francisco Guterres "Lu-Olo", izy no filohan'ny Fretilin fahatelo hatramin'ny fahaleovantena tamin'ny taona 1975 mba hiandraikitra ny fitondrana .
Naniry, Tena Naniry Fatratra Fifanarahana Visa Maimaim-poana Amin'ny Vondrona Eoropeana I Zeorzia , Ary Tonga Ny Fety Ankehitriny
"Afaka mitsidika ny faritra midadasika Schengen ao Eoropa mandritra ny 90 andro ao anatin'ny fe-potoana maharitra 180 andro ireo teratany Zeorziana nanomboka tamin'ny Talata"
Naaton'ny Fitondrana Miramila Thailandey noho ny ‘ Fitsikerana Tsy Am-piheverana’ sy ny ‘Votoaty Mitongilana’ ny Voice TV
"Manamafy izahay fa tsy mandrahona ny filaminam-pirenena ny votoaty na dia mety hanome fomba fijery hafa aza ny Voice TV. "
Tanora Iraniana Miatrika Fanamelohana Ho Faty Noho Ny Lahatsoratra Manohitra Ny Islamo Tao Amin'ny Media Sosialy
"Maritiora tamin'ny ady nandritra ny valo taona ny raiben'i Sina. Nanompo ny tafika nandritra ny roa taona i Sina . Manan-jo bebe kokoa noho ny ankamaroan'ireo manampahefana eto amin'ity firenena ity i Sina ."
Ho Anareo Mpakafy Trano Simenitra, Toy Izao Ny Fampialofana Ara-tsosialy Ao Japana Izany
Bilaogy iray mahaliana natokana hanadihadiana ny tetikasa fampialofana amin'ny trano simenitra izay fonenan'ireo taranaka Japoney maro nanomboka tamin'ny fiafaran'ny ady.
Nanampy Ireo Fianakaviana Kiorda Any Iraka Mba Hankalaza Ny Newroz Amin'ny Loko Marevaka Sy Ny Fifaharana Ireto Mpikatroka Ireto
Nanome aingam-panahy ireo mpikatroka Kiorda ao Kiordistan Irakiana ny fomban-drazana fifaharana mba hanomezana ireo akanjo nentim-paharazana ho an'ireo izay tsy afaka mividy izany amin'ny Newroz Taombaovao Kiorda.
Nosamborin'ny Manampahefana Emira Arabo Mitambatra Ny Mpikatroka Mpiaro Ny Zon'Olombelona Iray Ary Nohalavaina Ny Fihazonana Ny Hafa
Tamin'ny 20 Martsa, nisambotra ilay mpiaro ny zon'olombelona Ahmed Mansoor tao an-tranony ny polisy.Nandà ny hamoaka an'i Osama al-Najjar ny manampahefana Emirà Arabo Mitambatra mandritra izany , na dia efa nahavita ny saziny tany am-ponja aza izy.
Ny Tranainy no Vaovao, Mihaino Ve Ianareo? Raki-Peo
Ho entinay any Jamaika, Indonezia,Syria,Makedonia ary Ethiopia amin'ny fampahatsiahivana, famelomana indray sy ny fipoiran' ireo tantara ianao ato amin'ity podcast ity.
Nahazo ny Fankatoavana Nilaina ny Teny Swahili, Fiteny Faharoa Be Mpiteny Indrindra eto Afrika
Ny Swahili no fiteny faharoa be mpampiasa indrindra ato amin'ny kaontinanta Afrikana. Na izany aza mbola tsy vonona ara-barotra ny famantaran-teny mandeha ho azy amin'ity fiteny ity, ka manilika ny mpiteny azy tsy hahazo ny torohay ilainy.