Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Aogositra, 2016
Oh, Ireo Fehezanteny Ho Renao Eny An-dalamben'i Buenos Aires!
Maka ireo andian-teny re ao an-drenivohitr'i Arzantina ny La Gente Anda Diciendo ary mamadika izany ho lahatsoratra ao amin'ny Facebook , boky ary kahie.
Niteraka Tahotra Isian'ny Sivana An-tserasera ao Bhutan Ny Fitoriana Lahatsoratra Iray Tao Amin'ny Facebook
Ny fitoriana an'i Zam dia mihodikodina manodidina ny fianakaviana iray manana fifandirana ara-pananantany amin'ny mpandraharaha iray antsoina hoe Ap Sonam Phuntsho manana fifandraisana maro, sady rafozandahin'ny Lehiben'ny Fitsarana ao Bhutan ihany koa.
Misokatra Tarihin'ny Shaman Ho Amin'ny Fizahantany Ara-Tontolo Iainana Indray Ny Tendrombohitra Avo Indrindra Ao Brezila
Hosokafana indray ny làlana mankany amin'ny tendrombohitra avo indrindra ao Brezila amin'ny 2018 rehefa nakatona ho an'ny mpizaha tany nanomboka tamin'ny 2003 ary hokarakarain'ireo olona tompontany manokana.
Nandray An-tanana Ny Olan'ny Governemanta Ao An-toerana Momba Ny Fisotroan-dronono Ny Mpanao Gazety Olom-pirenena Iray ao India Ka Nandresy
"I know how important are a few hundred rupees in an impoverished person’s life. It means food, medicine and security." "Fantatro fa zava-dehibe ny ropia an-jatony vitsivitsy amin'ny fiainan'ny olona mahantra. Midika sakafo, fanafody ary filaminana izany."
Te Hankalaza Ny Fetin'ny Bilaogy Ve Ianao? Ndao Ary Ho Any Paragoay!
Ny 31 Aogositra no ankalazaina ny fetin'ny bilaogy maneran-tany , ary mankalaza izany amin'ny fomba lehibe i Paragoay . Fantaro ny zavatra efa nomanin'ireo vondron'olona mpankafy bilaogy sy ny kolontsaina nomerika ao Asuncion .
Mitodika Any Amin'ny Governemanta Ireo Tantsaha Mpamokatra Siramamy Ao Filipina Miatrika ‘Taom-Pamokarana Maty’ Iray Hafa Indray
Mety ho henjana ho an'ny tantsaha ny toy izany satria mihoatra ny roa hetsy amin'ny mpiasan'ny famokarana siramamy miisa 385.000 be izao ary fantatra amin'ny anarana hoe "sakada" no nafindra toerana tany amin'ny Nosy Negros fotsiny.
Fitaovana Nomerika Iray Vaovao Manampy Ireo Mpikatroka Ao Rio de Janeiro Manangom-Baovao Amin'ny Fihoaram-Pefy Nandritra Ny Lalao Olaimpika
Fitaovana iray vaovao manome fahafahana ireo mpikatroka sy fikambanana ifotony hiara-miasa hanangonana [votoatim-baovao] manana fifandraisana amin'ny tanjon'izy ireo ny CrowdVoice.by.
Ha'e Kuera Ñande Kuera: Reggae Sy Ny Hip-Hop Mampiely ny Kolontsaina Guarani Amin'ny Alàlan'ny Fifampiresahana Amin'izao Tontolo Izao
Fantaro ilay tarika mpanankato natsangan'ireo tanora Mbyan avy ao Misiones ao Arzantina izay namorona ny tontolony amin'ny teny Guarani ary mampiasa ny fampitam-baovaon'ny olompirenena hilazany ny momba azy ireo.
Lasa Adala Amin'ny Medaily Volamena Olaimpika Sambany Vao Azony Hatramin'izay i Tajikistan
"Ho ela velona ny reny Tajik izay niteraka ny zaza toa an'i Dilshod Nazarov. Arahabaina ry renin'i Dilshod."
Fihantsiana Ireo Mpanao Sivana Tranonkala : ‘Manompo’ Sahobakaka Ny Shinoa Ho Fanamarihana Ny Faha-90-Taona Nahaterahan'ny Mpitondra Fanjakana Teo Aloha
Raha voateritery ny vanim-potoanan'ny sahobakaka , dia hita fa tsara kokoa noho ny vanim-potoanan'i Bun [midika hoe an'i Xi ] izany. Mitovy amin'ny gadra ao amin'ny maizina, tsy mahazo fakan-drivotra fohy ivelan'ny trano ireo vahoaka Shinoa nanompo ny sahobakaka raha amin'izay fomba fijery izay