Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Mey, 2018
Fiovàn'ny mpitantana ny Lingua Myanmar
Fanambarana ny fiatoan'i Thant Sin amin'ny fitantanana ny Lingua Myanmar.
Alaska: Lasa toerana fivahinianana masina ny bisy 142 tao amin'ny sarimihetsika “Into the Wild”
Ny 24 Aogositra 2009, tanora roa mpanao dia an-tongotra lavitra no very tany amin'ny lalankely Stampede akaikin'i Fairbanks, tany Alaska. Nitatitra ireo mpiambina izay nahatsikaritra azy ireo fa nanao akanjo tsotra fanaovana eny an-dalambe izy ireo ary tsy nisy afa-tsy sakafo kely niaraka taminy.
Antilles : Eo an-dalam-pitadiavana ny vahoaka Karaiba
Nanomboka hatramin'ny fiandohan'ny taona 2009, nanontany tamin'ny fomba samihafa ny momba ny mari-panondroana azy ireo, ny lovam-pireneny sy ny zavatra iainany amin'izao fotoana izao ny Indiana Tandrefana .
Ekoadaoro: Ho anisan'ireo zava-mahatalanjona miisa 7 vaovao eto amin'izao tontolo izao ny nosy Galápagos
Nahatafiditra kandidà roa amin'ny fihodinana faharoa hifidianana zava-mahatalanjona miisa fito eto amin'izao tontolo izao tamin'ny fifaninanana antserasera i Ekoadaoro : ny nosy Galápagos (ao amin'ny vondrona B, sokajy "nosy") sy Amazonia (ao amin'ny vondrona F, sokajy "ala, valanjavaboarim-pirenena sy ny valan-javaboary natoraly").
Thailandy: Mpandeha an'arivony voakasiky ny fitokonan'ny fiaran-dalamby
Nanao hetsi-panoherana manohitra ny fanapahan-kevitry ny minisitera ny mpiasa satria tsy ekeny ny hanaovana ho tsy miankina ny orinasan-dalamby. Nofoanana ny fitokonana ny Talata (23/6) tamin'ny hariva, taorian'ny nanomezan'ny manampahefana toky ireo tompon'andraikitry ny sendikan'ny mpiasa fa tsy hisy ny fanaovana tsy miankina ny orinasa
Amerika Latina: ny mpivaromandeha any anaty bisy
Hita any amin'ny tanàndehibe rehetra any Amerika Latina ity fisehoan-javatra manaraka ity. Ao an-tanàndehibe, miakatra anaty bisy ny olona iray, na tanora na antitra, na lehilahy na vehivavy, miditra vetivety ao anaty fiara, misaotra ny mpamily namela azy ary avy eo mandeha amin'ny lalantsara mba hampiseho ny entany amin'ny mpandeha......
Fiovàn'ny mpitantana ny Lingua Rosiana
Filazana momba ny fialan'i Ekaterina Golubina, mpitantana ny Fandikan-teny Rosiana.
Inona indray ny lahatsoratra nahasarika ireo mpamaky Global Voices tamin'ny herinandron'ny 14-20 mey 2018?
Nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 211 ny tantaranay sy ny fandikanteninay nandritra ny herinandron'ny 14 ka hatramin'ny 20 May 2018. Ny laharana faha 109 ao amin'ny lisitra ve ? Gabon. Ary ny faha 13 ? Alemaina.
Portiogaly: Fiombonana ho fanomezam-boninahitra an'i Jose Saramago, mpandresy tamin'ny loka Nobel
Maty teo amin'ny faha-87 taonany ilay mpanoratra Portiogey sady hany mpandresy tamin'ny loka Nobel amn'ny teny Portiogey ho an'ny Literatiora, José Saramago, tao amin'ny toeram-ponenany tao Lanzarote. Na dia mety tsy ho tiany aza izany dia nahazo fanomezam-boninahitra iombonana tao amin'ny Twitter izy.
Tontolo Arabo: nomena voninahitra tamin'ny alàlan'ny Google Doodle sy Twitter i Ibn Khaldoun
Heverina ho toy ny mpanoratra sady mpahay tantara Arabo lehibe indrindra, teraka tamin'ny taona 1332 tany amin'ilay antsoina ankehitriny hoe Tonizia ilay filôzôfa Ibn Khaldoun. Fantatra amin'ny maha rain'ny tantaran'ny kolontsaina sy ny siansa ara-tsosialy maoderina azy ihany koa izy.