Liva Andriamanantena · Jolay, 2018

I am a passionate translator of English to Malagasy and Malagasy to English. I have been working as a freelance translator since 2016.

imailaka Liva Andriamanantena

Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Jolay, 2018

Fahasalamana manerantany: Ny “Gripan-kisoa” an-tsary

  31 Jolay 2018

Na dia nilamindamina aza ny ahiahy momba ny firongatry ny "gripan-kisoa" dia mbola nitohy ny fiparitahan'ny viriosy nanerana izao tontolo izao . Nanambara ny OMS fa olona miisa 4 379 no tratran'ity virosy ity (2009) tany amin'ny firenena miisa 29. Ireto ny sary vitsivitsy mampiseho ny fiantraikan'ny gripan-kisoa manerantany.

Rising Voices sy ny mondialy

Rising Voices  31 Jolay 2018

Milaza ny olona fa tena hetsika iraisam-pirenena tokoa ny Mondialy. Nanoratra momba izany mba hanehoana ny fitiavan'izy ireo ny bilaogera ao amin'ny tetikasa Rising Voices maro manerana ny kaontinanta .

EWAMT: Mianatra mamahana bilaogy mba hanompoana ny vondrom-piarahamonina

Rising Voices  31 Jolay 2018

Nikarakara atrikasa roa hafa ny volana Jona 2009 ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices 'Fanohanana ireo Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media' (EWAMT). Ankoatra ny fampianarana ireo mpandray anjara ny fomba famahanana bilaogy dia nofanina tamin'ny fomba fampiasana ny bilaoginy amin'ny fanompoana ny vondrom-piarahamoniny izy ireo.

EWAMT-Yemen: Vita ny atrikasa voalohany tamin'ny famahanana bilaogy

Rising Voices  30 Jolay 2018

Efa nampahafantarina antsika ny tetikasan'i Ghaida'a Al Absi 'Fanohanana ireo Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media' izay nampiofana ireo vehivavy mpikatroka ao Yemen ary niaraha-niasa tamin'ny hetsika Hand In Hand . Iray amin'ireo nahazo vatsy fanohanana avy amin'ny Rising Voices ry zareo. Faly izahay fa vita soaman-tsara ny atrikasa fihodinana voalohany.

Saripika tamin'ny vovonana Global Voices tany Delhi

  29 Jolay 2018

Nizotra soamantsara ny andro voalohany tamin'ny Vovonana Global Voices tany Delhi ary nanomboka nisongadina tao amin'ny Flickr ny sary. Indro ny andian-tsary. Nitondra ny sarin'ny fivoriana (sy ny sary vitsivitsy avy amin'ny dian'izy ireo talohan'ny fivoriana) tamin'ny alàlan'ny famoahana ny sarin'izy ireo tao amin'ny Flickr ny olona ary nanapaingotra izany tamin'ny gvdelhi2006

[Lahatsary] Antsafa niarahana tamin'i Kwanele Butana avy ao amin'ny Grocott's Mail

Rising Voices  28 Jolay 2018

Mpandrindra ny fandaharanasan'ny asa fanaovan-gazetin'ny olon-tsotra ao amin'ny gazety Grocott's Mail ao Grahamstown, Afrika Atsimo i Kwanele Butana. Tetikasa "The News is Coming" naorin'ny Knight News Challenge ny fandaharanasa. Ato amin'ny lahatsary, manoritsoritra ny maha-zava-dehibe ho an'ny mpanao gazety olon-tsotra ny fanoratana momba ny vodrom-piarahamoniny ao an-toerana i Kwanele.

Mozika sy dihy Porro any La Loma, Kolombia

Rising Voices  28 Jolay 2018

Catalina Restrepo avy ao amin'ny tetikasa HiperBarrio ao La Loma, tanànakely misy havoana any ambanivohitr'i Medellín, Kolombia, dia namokatra ity horonantsary ity hanehoana ny maha-zava-dehibe na mozika porro ao amin'ny vondrom-piarahamoniny.