Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Desambra, 2021
Niala tamin'ny maha mpitantana Lingua
Mohamed ElGohary manambara ny fialany tsy ho Mpitantana ny Lingua intsony manomboka amin'ny 31 Desambra.
Bilaogera vietnamiana Phạm Minh Hoàng notanana, nesorina zom-pirenena ary natao sesitany tany Frantsa
"Nanoratra bilaogy aho, nanohy naneho ny hevitro momba ny olana toy ny demaokrasia, ny kolikoly, ny fiandrianam-pirenena aho. Zavatra azon'ny rehetra atao izany, ary raha ny marina, tokony hataon'ny rehetra."
Mikarakara fiaraha-midinika ao amin'ny IGF ny mpikambana Rising Voices
Mampiantrano ny famelabelaran-kevitra mikasika ny fomba fiaraha-miasan'ireo mpikatroka nomerika amin'ny fiteny amin'ny fiteny tsy dia fahita firy ny Rising Voices sy ny O Foundation.
Nohamafisin'ny governemanta amerikana ny fanaovana ankivy ara-diplaomatika ny Lalao Olaimpika Ririnina 2022 any Beijing
Nanambara ny fanaovana ankivy ara-diplaomatika ny Lalao Olaimpika Ririnina 2022 any Beijing ny governemanta amerikana, nilaza ny ahiahiny momba ny “fanitsakitsahana goavana ny zon'olombelona sy ny habibiana mahatsiravina ao Xinjiang.” Firenena maro no mety hanara-dia izany.
Nanomboka nanao ny ezaka fanadiovana sy fanarenana ny olom-pirenena taorian'ny hetsi-panoherana sy ny rotaka tao amin'ny Nosy Solomon
Mitondra fahasahiranana sy adim-piainana ho an'ny tenantsika, ny fianakaviantsika, ny havana ary ny mpiara-belona amintsika ihany isika amin'ny alalan'ny fandraisana anjara amin'ny hetsika tsy ara-dalàna toy ny rotaka, fandoroana sy fandrobana.
Mitaky fepetra tsara kokoa hanatontosany ny asany ireo mpiasan'ny fahasalamana any Torkia
Nanao diabe avy any Istanbul nankany Ankara ireto mpiasan'ny fahasalamana ireto mba hisarihana ny saina amin'ny fepetra henjana atrehan'izy ireo nandritra ny valan’aretina, anisan'izany ny fandrahonana, ny ora lava amin’ny fiasana ary ny fahasahiranana ara-toekarena.
Nosamborin'ny polisy Indoneziana ireo mpianatra nilanja saina ‘Fetim-pahaleovantena Papoaziatika’ voarara
Ny 1 Desambra 2021, heverina fa tsy andro ofisialy amin'ny fetim-pahaleovantenan'i Papoazia Andrefana, nomarihana ny faha-60 taona nanofahofan'ny Papoaziatika voalohany ny sainam-pirenena Kintan'ny Maraina tamin'ny fikatsahana ny fahaleovantena avy amin'ny Holandey.
Mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices hizara tononkalo amin'ny fiteny indizeny
Handray anjara amin'ny hetsika an-tserasera mankalaza ny tononkalo amin'ny fitenin'ny indizeny ny mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices.