Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Marsa, 2020
Tapitra ny Ebola any RD Congo fa manomboka ny coronavirus
Miatrika ny tranga COVID-19 voalohany i RD Congo ankehitriny raha nanambara ny fiafaran'ny Ebola. Moa ve hanampy amin'ny ady amin'ny valanaretina coronavirus ny lesona noraisina tamin'ny Ebola ?
Miatrika ny trangana COVID-19 voalohany tamin'ny alàlan'ny fanakatonana vonjimaika ny sisintaniny i Bhutan
Nahatonga ny governemanta hametraka ny famerana ny fidiran'ny mpizaha tany rehetra mandritra ny roa herinandro ny tranga COVID-19 voamarina voalohany tany Bhutan izay nentin'ny mpizaha tany Amerikana avy any India.
Fanina amin'ny fandikan-teny: Nahoana ny Google Translate matetika no mandiso amin'ny fiteny Yorùbá sy ny fiteny hafa
Tonga ny adihevitra sy ny olana raha miha-maro ny orinasan'ny teknolojia mikasa ny hanome fandikan-teny sy fahafaha-miditra amin'ny fiteny samihafa amin'ny aterineto, indrindra rehefa miresaka ny fahamarinan'ny fandikanteny sy ny fiovana ara-kolontsaina izany.
Fanakatonana ny Aterineto taona 2019: Mbola mijanona ho lohalaharana amin'ny lisitr'ireo ratsy indrindra i India
Tamin'ny taona 2019, tao India fotsiny no nahitana ny fanapatapahana ny fidirana amin'ny aterineto in-121, hoy ny tatitra vaovao avy amin'ny Access Now.
‘Mirehitra i Delhi': 17 no maty ary an-jatony no naratra nandritra ny fifandonana tamin'ny hetsika manohitra ny lalànan'ny zom-pirenena
Any Dehli Avaratra Atsinanana, niteraka fahafatesan'ny sivily miisa 17 farafahakeliny ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana sy mpanohitra ny lalànan'ny zom-pirenena. 150 mahery ny olona naratra.
Miady ho amin'ny fahamarinana ny mpanao gazety raha mbola mitohy ny fandrahonana any Kolombia
"...voarahona ny fiarahamonina iray manontolo rehefa ampanginina ny mpanao gazety."