Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Jona, 2017
Ny Zavamaneno Avy Amin'ny Lafivalon'Izao Tontolo Izao
Lahatsary ahitana zavamaneno mahaliana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, anisan'izany ny zavamaneno vita amin'ny boaty namboarina sy tavoahangy soda plastika , ny fanehoana ny fomba hanamboarana ny didgeridoos , ary ny hira nentim-paharazana Rosiana lalaovina amin'ny vielle à roue.
Ny Arabo Saodiana Sy Ny Fiarany
Ny fiara nanaovana fanamboarana mba hanana endrika tena miavaka amin'ny hafa, ny fifaninanan'ny fiara mandeha mafy mampidi-doza sy ny fampisehoana mampivarahontsana eny amin'ny lalambe avy any Arabia Saodita
Governora Angoley Very Asa Rehefa Nanakiana Ny Antoko Politikany Tao Anatin'ny Antsafa
Malaza noho ny fanakianany ny antokon'ny fitondrana MPLA i Maria Isaac dos Anjos, governoran'ny faritanin'i Benguela ao Angola teo aloha.
India: Fikambanan'ny Asa Fanaovan-gazety Miaraka Amin'ny Video Volunteers
Ny Video Volunteers na Mpaka Sary Mpilatsaka An-tsitrapo dia fikambanan'ny mpamokatra fampitam-baovao tsy mitady tombontsoa avy amin'ireo tanànakely sy trano bongo ao India, izay mamorona votoaty manan-danja ho azy ireo sy mandefa izany hojeren'ny vondrom-piarahamonina.
Fandresen'ny Fikatrohan'ny Olom-pirenena Rehefa Nangatahan'ny UNESCO ny Hampiatoana Ireo Tetikasa Fanorenana Rehetra Ao Amin'ny Farihy Ohrid
Ny Farihy Ohrid ao Makedonia no farihy tranainy indrindra ao amin'ny kaontinanta Eoropeana kanefa nikasa hanova ny faritry ny vakoka natoraly ho toeram-pialamboly goavana ny governemanta teo aloha .
Nahazo Ny Lokan'ny Human Rights First i Nora Younis Bilaogera Egyptiana
Nahazo ny Annual Human Rights Award ilay bilaogera Egyptiana sady mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona Nora Younis.
Somalia: Tsy Fankalaza ny Fanaovana Piraty
Miresaka momba ny piraty an-dranomasina ny bilaogeran-dahatsary samihafa izay mitantara ny tranganà fakana an-keriny nataon'ny piraty Somaliana vao haingana sy ny fomba fiarovan'ny governemanta ny sambo mpitondra entanan'ny Fandaharan'asa Ara-tsakafo Manerantany eny an-dranomasina.
Ekoadaoro: Misaona Ny Fahafatesan'Ilay Zirafy Chelito Ny Mponina
Fanta-daza noho ny karazan-javamananaina maro sy mirehareha amin'ny karazan-javamaniry mahaliana sy biby maro i Ekoatera . Na izany aza, misy biby tsy tompotany ao amin'ny firenena iray tena ankafizin'ny olona ao, ary misaona ny fahafatesany vao haingana ny mponina tao Loja .
Guatemala: Diso Hevitra I Picasso Ho An'ny Mpanakanto Sasany
Manaporofo ireo mpanakanto Goatemalteka sasany fa diso hevitra i Pablo Picasso tamin'ny hoe " Tsy ilaina ny solosaina . Ny valiny ihany no omeny anao." Ny solosaina sy ny aterineto no vahaolana amin'ny tsy fisian'ny sehatra sy ny toeram-pampirantiana zavakanto ho an'ny mpanakanto somary tsy fantadaza.
Syria: Fahanginana Manoloana Ny “Famonoana Faobe Goavana Kokoa”
Tamin'ny 29 Febroary, nandrahona ny "Famonoana Faobe Goavana kokoa" ho an'ny Palestiniana i Matan Vilnai, Minisitra lefitry ny Fiarovana ao Israely. Mampitaha ity fanehoan-kevitra ity amin'ny fahanginan'izao tontolo izao i Damascene Blog sy ny fisahotahana manoloana ny antson'ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny 'famafana an'i Israely eo amin'ny sarintany."