Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Aogositra, 2020
Nisara-bazana tamin'ny fanitarana ny fe-potoana iasana napetrak'i Beijing ny mpanao lalàna mpanohana ny demokrasia any Hong Kong
Hita ho mitolo-batana manoloana ny tanibe ny fanekena ny fanitarana nomen'ny NPC ao Beijing raha midika fanaovana ankivy ny LegCo ny fandavana izany.
#IdentityMatrix: Ireo fiteny Afrikana sy ny zo nomerika
Miasa hampiroborobo ny fifandraisana sy ny fisehoan'ny fiteny Afrikana amin'ny sehatra nomerika toa ny Bambara, Khoekhoe, N|uu, Swahili ary Yorùbá ireo mpikatroka.
Azia Atsimo Atsinanana: Tafihana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy mpanao gazety
Tao anatin'ny roa herinandro farany no nahitana tranga mampiahiahy momba ny fisamborana, fanamelohana ary fanaovana bemidina mikendry ireo mpikatroka ny zon'olombelona sy mpanao gazety ao Thailandy, Kambodza, Malayzia ary Vietnam.
Pakistan: Maty voatifitra tao amin'ny efitrano fitsarana ny lehilahy iray voampanga ho manevateva an'Andriamanitra. Noderaina ho maherifo ilay namono azy
Tsy vaovao any Pakistan ny famonoana olona tsy mandalo fitsarana voampanga tamin'ny fanevatevana.
Mbola mijanona ho ‘takalon'aina politika’ any am-ponjan'i Qarchak, Iran i Kylie Moore-Gilbert, akademika any Melbourne
"Mampahonena fa tsy nahomby izay nataon'ireo governemanta ao Aostralia sy ao amin'ny Fanjakana Britanika mba hanafahana ny olom-pireneny, Kylie Moore-Gilbert any am-ponja ao Iran. Tokony ho afahana io vehivavy tsy manantsiny io."
Nanery an'i Pakistan hihiboka indray ny OMS rehefa nitombo ny trangana coronavirus
Nametraka ny fepetra fihibohana vaovao i Pakistan taorian'ny taratasy avy amin'ny OMS nandrisika ny firenena hanatsara ny fanaovana fitiliana sy ny famehezana ny fitomboan'ny isan'ny trangan'ny valan'aretina.
Famelabelaran-kevitra: Ny fomba hisorohan'ny vondrom-piarahamonina indizeny ny fandisoam-baovao amin'ny alàlan'ny fanamarinam-baovao amin'ny fitenindrazan'izy ireo
Mandraisa anjara amin'ny famelabelaran-kevitra rightsCon momba ny maha-zava-dehibe ny fanomezana vaovao voamarina amin'ny fitenin'ny indizeny any Amerika Latina.
Nampihena ny fifandonana teo amin'ny olombelona sy ny elefanta ny ‘Bisy Sakaizan'Elefanta’ voalohany eran'izao tontolo izao ao Sri Lanka
Nihena hatramin'ny 80% ny fifandonan'ny elefanta sy ny olombelona hatramin'ny nandehanan'ny Bisy Sakaizan'Elefanta. Tao anatin'ny fito volana voalohany, nidina ho 21 ny isan'ireo fifandonana raha 83 izany teo aloha.