Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Janoary, 2021
Tontolo Arabo: “Tsy miteny hoe Israely intsony izahay…”
Nahoraka be tamin'ny hetsika manerana ny tontolo Arabo ny hafatra iray tao amin'ny Twitter miantso ny Arabo hitsahatra hanonona hoe Israely nandritra ny fihodinana farany tamin'ny ady an-tserasera taorian'ny fanapoahan'ny Israeliana baomba an'i Gaza. Mitatitra avy eny ifotony i Anas Qetyh.
Kiobà, Etazonia: Manitatra ny sampan'oliva ?
Nanambara fanovana lehibe tamin'ny politikan'i Etazonia sasany ny fitondran'i Obama, natao “hanoloran-tanana ny vahoaka Kiobana hanohanana ny fanirian'izy ireo hamaritra malalaka ny hoavin'ny fireneny.” Na dia nanala ny famerana tamin'ny fivezivezena sy ny fandefasana vola aza ny fiovan'ny politika ary nanokatra làlana ho an'ny fanatsarana ny fifandraisan-davitra bebe kokoa tao amin'ny nosy dia misy ny bilaogera sasany manahy fa tsy lasa lavitra loatra io fepetra io....
Mozambika: Nodidiana noho ny fivontosan'ny atidohany ilay mpihira rap Azagaia
Fantatra fa voan'ny fivontosan'ny atidoha ilay mpihira rap Azagaia. Tamin'ny 18 Oktobra, vita soamantsara ny fandidiana azy tany India.