Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Mey, 2020
Mampiseho ny krizin'ny COVID-19 ao amin'ny firenena ny Nepaley mpanao sariitatra
Nampiasa fanesoana sy vazivazy ny mpanao sariitatra Nepaley hanehoana ny fihibohan'ny firenena.
Taorian'ny fanakatonan'ny COVID-19, atolotry ny Mozea Ghibli ny fitsidihana an-tserasera
Atolotra amin'ny fitsidihana virtoaly fohy ao amin'ny YouTube ny iray amin'ireo toerana tian'ny mpizahatany malaza indrindra any Japana.
Nitaraina ilay vehivavy mpikambana ao amin'ny Kongresy Hondiorana fa nosakanana tamin'ny fivoriana virtoaly izy
Ao anatin'ny fotoanan'ny COVID-19 sy ny fihibohana, mety hanimba ny dingana ara-demokratika amin'ny alalan'ny tsy fahombiazana tsotra izao na ny teti-dratsy ny fampiasana ny teknolojia izay manolo ny fivoriana hifanatrehan'ny olona.
Sambany tany Nepal no nahitana bibilava kukri mitsipitsipika manan-doha roa
Nomena anarana araka ny nifiny maranitra sy fisaka ary miforitra izay ampiasainy rehefa manapaka ny atodin'ny biby mandady ny bibilava kukri mitsoriadriaka, miloko volontany matroka mitsipitsipika mainty.
Noravan'ny ny polisy tamin-kerisetra ny fihetsiketsehana nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana tany Balochistan, Pakistan
Nanao fihetsiketsehana tany amin'ny faritany Balochistan any Pakistan ny mpitsabo matihanina mba hanomezana azy ireo ny Fitaovana Fiarovana Manokana (PPE) mba hiarovana azy ireo amin'ny fifindran'ny coronavirus avy amin'ireo marary kanefa nosamborina ry zareo.
Vehivavy mijanona an-trano ao Arzantina nanao fihetsiketsehana avy eny am-baravarakely noho ny firongatry ny famonoana vehivavy
Nitombo 60 isanjato ny antso vonjy an-telefaonina hatramin'ny nanombohan'ny tsy maintsy hihobohana tamin'ny 20 Martsa.
Vaovao farany Lingua volana Martsa 2020
Manolotra antsika ny vaovao farany Lingua volana Martsa 2020 ny mpitantana ny Lingua.