Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Marsa, 2019
Shina: Fitsipika natolotra ho an'ny cybercafe

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Tamin'ny taona 2010, nanolotra soso-kevitra maromaro mikasika ny lalàna hifehezana ny cybercafe ireo mpikambana ao amin'ny Kongresim-bahoaka Nasionaly (NPC)...
Shina: Tandremo! Mamoaka tsiambaratelom-panjakana ny Google Earth

Araka ny lalàna efa misy, mampigadra 3 ka hatramin'ny 7 taona an-tranomaizina ny fivoahan'ny tsiambaratelom-panjakana, na niniana na tsy niniana natao . Mety hahatratra 5 ka hatramin'ny 10 taona ny sazy ho an'ny raharaha goavana.
Israely – Dingana iray hafa amin'ny fameran'ny governemanta ny habaka

Nodinihina tao amin'ny Knesset tamin'ny 24 Oktobra 2007 ny soso-kevitra ary nolavina nandritra ny fivorian'ny Komity Ara-toekarena tamin'ny 26 febroary 2008. Nisy mpikambana enina hafa nanatevin-daharana ny ezaka nataon'ny MK Miller mba handaniana an'ity volavolan-dalàna ity tao amin'ny Knesset.
Nanangana ny foibeny any Afovoany Atsinanana ny Skype

Anisan'ny tanjon'ny paikady ara-toekarena nasionaly ao Bahrain antsoina hoe 'Vision 2030' izay ahitana ny rafitry ny fifandraisandavitra sy ny serasera ny fanambarana.
Vietnam: Nosamborina ilay bilaogera Dieu Cay

Nosamborina i Nguyen Van Hai, olon-tsotra mpitati-baovao fanta-daza any an-toerana izay mibilaogy amin'ny anarana hoe Dieu Cay raha niezaka nandamina ireo bilaogera tao an-toerana izy mba hanaraka ny fandalovan'ny afo.
Iran: Natambatra ny sivana

Nanambara ny manampahefana Iraniana fa ho atambatra ny politikan'ny sivana ao amin'ny firenena. Araka ny filazan'ny manampahefanan'ny Repoblika Islamika, nahazo ny fifanarahana mba ho tompon'andraikitra amin'ny fanivanana ao amin'ny firenena ny orinasa Iraniana iray, izay tsy nambara ny anarany.
Shina: Ny aterineto ho toy ny kianjan'ny ady ideolojika

Nanao tatitra momba ny valan-dresaka an-tserasera amin'ny fampiharana ny lalàna nasionaly tamin'ny 4 Janoary 2010 ny Xinhua News Agency Outlook Weekly. Nitatitra ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka nandritra ny valan-dresaka fa hanamafy ny fanaraha-maso ny Aterineto ny polisy.