Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Desambra, 2016
Manakoako Maneran-tany Ny Fanoheran'ny Amerindiana Ny Fantson-Drano Lehibe Ao Standing Rock
"Mahereza hatrany. Mahatanjaha. Ary manana havana mijoro miaraka aminareo ianareo manerana izao tontolo izao".
Ampangain'ny Mpitondra Tenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana ho Miara-miasa Amin'ny ISIS ny Facebook

Niampanga ny mpandrindra ny Facebook ho miasa ho an'ny Fanjakana Islamika i Maria Zakharova, mpitondra teny marolokon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ao Rosia, taorian'ny tsy namoahan'ny tambajotra vonjimaika ny iray tamin'ireo lahatsorany tamin'ny Alatsinainy.
Ankoatra Ny Fanavaozana, Mila Fikambanam-Piarahamonina Itokisana Ny Fanaovan-Gazety

Nanome ampaham-panohanana ara-bola ho an'ny Global Voices ny namana iray satria "mila fotoana maharitra ny fanorenana fikambanam-piarahamonina, foto-drafitrasa ary fitokisana, nefa raha tsy misy ny fanohanana, mety hanjavona vetivety ireo fisasarana rehetra ireo."
Manondro Ny Lalao Olaimpika, Fikorontanana Ara-politika ary Trump Ny Safidin'ny ‘Kanji-n'ny Taona’ Ao Japana
Ny "volamena" no kanji-n'ny taona 2016 lanin'ny Fikambanana Manana Traikefa Kanji Japoney izay avy amin'ny vokatry ny fifidianana manerana ny firenena . Ary mivazivazy momba izany ny olona ankehitriny.
Mpikatroka Fampitam-baovao Syriana : ‘Tena Mampatahotra Sy Mampihorikoditra, Lasa Tanànadehiben'ny Horohoro i Aleppo’
Niteraka ny zanany faharoa vavikely tao anatin'ny fahirano nahafatesan'olona maro tao an-tanànan'izy ireo i Gnaid, mpikatroka iray ao amin'ny Foibe Fampitam-baovao Aleppo , sy ny vadiny.
Mihetsika Amin'ny Fanakanana Ny Tor I Belarosia Hiadiana Amin'ny Fanafenana Anarana An-tserasera

Miroso amin'ny ezaka hanenjehana ny Tor i Belarosia. Kanefa moa ve manana ny fahaiza-manakana ny tambajotra manafina anarana i Minsk ?
Manambara Ny Fitsarana Miaramila An'Ireo Mpanao Gazety Fa Fady Ny Manakiana Tafika Ao Tonizia

Mbola mampihemotra ny fanavaozana demaokratika ao Tonizia ny lalàna izay mamela ny fitsarana miaramila handray an-tànana ny raharaha mahakasika ny olom-pirenena, anisan'izany ny mpanao gazety sy ny bilaogera.
Ghana: Masoivohon'i Etazonia Sandoka Ao Accra Namoaka Visa Azo Tamim-Pitaka
Niasa nandritra ny folo taona tao Accra, renivohitr'i Ghana, firenena iray ao Afrika andrefana ny Masoivohon'i Etazonia sandoka. Natsangana sy tarihin'ny tambajotran'jiolahy ahitana Ghaneana sy Tiorka izy io ary mamoaka visa sy antontan-taratasy Amerikana hafa tena izy.
Miady Hevitra Momba Ny Hoavin'ny Fikatrohana Nomerika Ireo Mpisera Mozambikana
Nivory tao Maputo ireo bilaogera, mpanao gazety, mpikatroka nomerika mba hizara hevitra momba ny fampitam-baovao Mozambikana ary hanangana fiaraha-miasa vaovao ao amin'ny fihaonambe nokarakarain'ny Deutsche Welle (DW).
Nahazo Sazy 10 Taona An-tranomaizina Tsirairay Avy Ireo Tanora Roa Mpikatroka Nanao Graffiti Tamin'ny Sarivongan'ny Patriarkan'i Azerbaijan

" Tsy tiako ny ho tsarovana amin'ny fialan-tsiny amin'ny teniko farany .Tsy manaiky ny fanagadrana ahy aho. Mankafy ny fahafahana aho."