Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Jolay, 2019
Ny tsy fanjariana ara-tsakafo 2010
Efa voaantoka ny foto-tsakafon'ny olona 2 miliara eo ho eo manerana izao tontolo izao. Olana sarotra izay mety hiteraka fiantraikany maro ny tsy fanjariana ara-tsakafo. Avy amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro, ny fivelaran'ny tanàndehibe, ny fitomboan'ny mponina ary ny fivoaran'ny vidin'ny solika no mahatonga ny tsy fanjariana ara-tsakafo.
Maraoka: Saripikan'ny hetsi-panoherana 2011
Vitsy no nahazo sary tsara tarehy mihoatra ny an'i Omar El Hyani tamin'ny fihetsiketsehana ny 20 Febroary 2011 tany Maraoka izay nahitana ny sariny nalaina avy ao Rabat navoakan'ny The Nation ary navoaka tao amin'ny bilaogy Mamfakinch . Nalaintsika eto ireo sary tsara indrindra notsongaina.
Fitantarana manokana 2009: Lahatsary 10 voalohany avy amin'olon-tsotra
Fanentanana nandoavam-bola tamin'izany: Nahazoana vatsim-pianarana nankany amin'ny Akademian'ny Sarimihetsika any New York nandritra ny fetiben'ny sarimihetsika “Picture Show” tao amin'ny Put it On, tranonkala vaovao ho an'ireo mpanakanto tsy fantatra manerantany . Matetika varavarankely hijerena ny tontolo tsy fantatra ny lahatsary ato amin'ny Global Voices. Mampiasa lahatsary hanampiana ny fitantaran'izy ireo mandritra...
Iran: Lahatsarin'ny fihetsiketsehana sy ny fandrehetan-dabozia
Niteraka korontana mahery vaika tsy nisy toy izany hatramin'ny Revolisiona Islamika tamin'ny taona 1979 ny fifidianana nampiadihevitra tamin'ny 12 Jona 2009 tao Iran izay namerina ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad teo amin'ny fitondrana indray. Nitaky ny hanafoanana ny fifidianana ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitarika ny mpanohitra, Mir Hussein Mousavi.
Ny fahafatesan'i Hugo Chavez (2013)
Tamin'ny 5 Martsa 2013, taorian'ny 14 taona naha-filohan'i Venezoela azy no maty teo amin'ny faha-58 taonany i Hugo Chávez Frías. Niady tamin'ny homamiadana i Chávez nanomboka tamin'ny taona 2010. Tsy nahafahany nanao fianianana taorian'ny nahavoafidy azy indray ho amin'ny fe-potoana fahefatra tamin'ny volana Oktobra 2012 ny aretiny . Nankalazaina ho mpitsikera mafy...
Fifidianana tany Pakistana 2013
Nofaritana tamin'ireto teny telo ireo -Fanantenana- Rà -Teknolojia - ny làlana mankany amin'ny fandatsaham-bato ara-tantaran'ny firenena. Ny fifidianana ankapobeny ny taona 2013 tany Pakistana, izay nokasaina hatao ny 11 May 2013 no fotoana voalohany nisoloan'ny governemanta demokratika ny governemanta demokratika iray hafa tao amin'ny firenena.
Mamisoa Isabelle Raveloaritiana: Nivady izahay noho ny Global Voices
"Niova ny ampahany tamin’ny fiainako hatramin’ny nidirako tato amin’ny vondrom-piarahamonina. Noho ny Global Voices no nahitako ny maha-zava-dehibe ny fahalalahana maneho hevitra, ny fizarana hevitra, izay nanosika sy nandrisika ahy hamorona ny bilaogiko amin’ny teny Frantsay sy Anglisy ary amin’ny teny Malagasy ; nahitako ny sila-panahiko." hoy Mamisoa Isabelle Raveloaritiana nanoratra.
Matory na Maty: Fitantarana avy ao amin'ny rafi-pamonjana Syriana
Andian-tantara misy fizarana enina avy amin'ilay mpikatroka Sarmad Al Jilane mikasika ny zavatra niainany tamin'ny rafi-pamomnjana Syriana ny “Sleeping or Dead” (Matory na Maty) . Monina any Torkia ankehitriny, iray amin'ireo mpanorina sy mpandrindra ny ‘Raqqa Is Being Slaughtered Silently‘ (Vonoina amim-pahanginana ankehitriny i Raqqa) i Al Jilane, vondrona mpikatroka natsangana...
Ny fomba fahitana ny nahavoafidy indray an'i Obama tamin'ny ankapobeny (2012)
Ahoana no eritreritr'izao tontolo izao momba ny Filoha Barack Obama afaka efataona aty aoriana?
Fitokonan'ny mpitandro filaminana tany Ekoadaoro 2010
Andro vitsy taorian'ny fitokonan'ny polisy izay niteraka korontana tao amin'ny firenena, niezaka ny hamantatra ny zava-nitranga tamin'ny 30 Septambra 2010 ny Ekoatoreana. Anisan'ireo nametra-panontaniana ary nitady valiny ireo bilaogera: Tena nisy ve ny fikasana hanongam-panjakana? Inona no tian'ny polisy hahatongavana amin'ny fitokonana, ary inona no hidiran'ny governemanta amin'izany?