Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Jolay, 2017
Fiampitana Arabe Miloko Avana Ao El Salvador Mampiroborobo Ny Fiarovana Ny Mpandeha An-tongotra Sy Ny Zon'ny LGBTQ
Manantena ny hitarika ny dingana mankany amin'ny tontolo ara-drariny kokoa ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ ny "fiampitana arabe miloko avana" ao Amerika Afovoany.
Tran Thị Nga, Mpikatroka Vietnamiana Voasazy 9 Taona An-tranomaizina Noho Ny Fanaovana ‘Fampielezan-kevitra’

Nga, 40 taona , fantatra ihany koa amin'ny anarana maha-mpanoratra hoe "Thúy Nga," dia mpanandra-teny fanta-daza miaro ny mpifindra monina sy ho an'ny zon'ny fananan-tany.
Ry Mpandika Lahatsoratra: Tianao Ve Ny Hanohana Ny Tetikasan'ny Zon'olombelona Vaovao?

Mitady mpandika lahatsoratra ny Human Rights Measurement Initiative (HRMI), orinasa ara-tsosialy manerantany eo am-piaingana manana tanjona hamorona indray ny fomba hamokarana sy ampiasana ny lahatahirin'ny zon'olombelona.
Zava-doza Tao Chittagong : Tondra-drano Nitondra Faharavàna Tao An-tanàndehibe
"Niharatsy androany ny tondra-drano tao Agrabad, Chittagong . Toa tsy misy miraharaha. Ho vonjen'Andriamanitra ny olona rehetra."
Isiraely: Miresaka Amin'ny Mpamily Fiarakaretsaka
Palestiniana any Israely monina ao Acre i Rasha Helwa (milaza ny tenany ho mponina ao Palestina izy), izay nanoratra andian-tsoratra fohy tao amin'ny bilaoginy Zaghroda mitantara ny zavatra tsapany nandritra ny fandehanany fiarakaretsaka itambarana sy nilaza ny maha zava-dehibe ny fiteny - Arabo na Hebreo - izay nosafidian'ny mpamily hifandraisana.
Ny Bilaogera Shiliana Mamolavola Saron-tava
Noho ny aterineto, maro ny olona no mifankafantatra amin'ny alalan'ny zavatra nosoratany kanefa tsy mbola nihaona nifanatri-tava mihitsy. Izany no fifandraisana izay nataon'i Beatriz sy ny antony nanasany vondrona bilaogera miisa valo ankehitriny ao anatin'ny atrikasa (maimaim-poana) isaky ny alarobia izay toerana hanomezany azy ireo ny fitaovana hanamboarana sarontava.
Mooziko, YouTube Afrikana
Nandanjalanja ny lafitsara sy ny lafiratsin'ny Mooziko, ny YouTube Afrikana, tamin'ity herinandro ity ny Bilaogin'ny PKJ Agency, bilaogy iray izay "manao topimaso manerantany momba ny Aterineto Afrikana", ary niteraka adihevitra vitsivitsy tao anatin'ny dingana nataony.
Nosy Cayman : Ny Fahasimbana Entin'ny Sambo Mpitatitra Mpizahatany
Miresaka fohifohy mikasika ny iray amin'ireo safidy sarotra izay atrehan'ny fizahantany ara-toekarena madinika ny mpisera Flickr George Chang ao anatin'ny fanazavana sary iray.
Ny Tanàndehibe Shiliana Fahatelo Nahazo WiFi Maimaim-poana
Manana Wi-Fi maimaim-poana ho an'ny olom-pirenena ankehitriny ny kianja afovoany ao Molina. Izany no tanàndehibe fahatelo ao Chili ahitana Wi-Fi maimaim-poana, Salamanca sy Puerto Montt ireo tanandehibe roa hafa araka ny nazavain'ny Plataforma Urbana (ES) tao amin'ny lahatsoratra iray momba ny fiantraikan'ny tambajotra maimaim-poana ao amin'ny kaominina.