Kiobà, Etazonia: Manitatra ny sampan'oliva ?

(Lahatsoratra tamin'ny volana Aprily 2009)

Nanambara fanovana lehibe tamin'ny politikan'i Etazonia sasany ny fitondran'i Obama, natao “hanoloran-tanana ny vahoaka Kiobana hanohanana ny fanirian'izy ireo hamaritra malalaka ny hoavin'ny fireneny.” Na dia nanala ny famerana tamin'ny fivezivezena sy ny fandefasana vola aza ny fiovan'ny politika ary nanokatra làlana ho an'ny fanatsarana ny fifandraisan-davitra bebe kokoa tao amin'ny nosy dia misy ny bilaogera sasany manahy fa tsy lasa lavitra loatra io fepetra io (ohatra: mbola mitoetra ny fahirano ara-barotra) ka mahatonga ilay politika vaovao, araka ny tenin'ny bilaogy The Cuban Triangle“, ho asa fanasoavana, ​​tsy maharitra, tsy misy lanjany, karazana tsindrona ary baraingo.”

Nanazava ilay bilaogera :

Today’s action – affecting travel and remittances, telecommunications equipment and services, and gift parcels – was dramatic because it changes eight years of movement in the opposite direction. But it still leaves President Obama with a 90 percent-Bush Cuba policy. (Candidate Obama said that policy amounted to “tough talk that never yields results.”) Beyond Cuban Americans, it does not address the issue of broader contact with American society, whether from tourists, universities, professional associations, churches, synagogues, or other parts of our civil society. Nor does it address diplomacy, and the President’s spokesmen repeatedly dodged questions about what kind of dialogue the Administration might seek with Cuba.

Nitera-boina ny hetsika androany, izay nahatratra ny fivezivezena sy ny fandefasana vola hanampiana fianakaviana, ny fitaovana sy ny tolotra amin'ny fifandraisandavitra ary ny fandefasana fanomezana voafono satria nampivadika ny zotra nalehany nandritra ny valo taona mankany amin'ny lalana mifanohitra amin'izany. Saingy mbola tavelan'ny filoha Obama ny 90 isanjaton'ny politikan'i Bush momba an'i Kioba. (Nilaza ny kandidà Obama fa “resaka sarotra tsy ahitam-baliny mihitsy” ny politika). Ankoatra ny Amerikana Kiobana dia tsy misy ny resaka momba ny olan'ny fifandraisana malalaka kokoa amin'ny fiarahamonina Amerikana ao amin'izany, na io amin'ny mpizahatany, na ny oniversite, ny fikambanana arakasa, ny fiangonana, ny sinagoga, na ny ampahany amin'ny fiarahamonim-pirenentsika. Tsy miresaka momba ny diplaomasia ihany koa, ary namerimberina ny fanontaniana momba ny karazana fifanakalozan-kevitra mety tadiavin'ny Fitondrana amin'i Kiobà ny mpitondra tenin'ny filoham-pirenena.

Saingy toa faly ny Cuba-Blog tamin'ny fanatanterahan'ny filoha ny fampanantenany tamin'ny fampielezan-kevitra nataony:

[He] has opened the door to Cuba and Cubans a little bit more…

Somary nosokafany kely ny varavarana ho an'i Kiobà sy ny Kiobàna…

Nifamahofaho ny fanehoan-kevitra tao Kiobà sy hatrany am-pielezana… Notaterin'ny The Latin Americanist fa tsy faly amin'ny fahirano mbola misy ao an-toerana ny filoha Kiobàna teo aloha Fidel Castro

In an article written in the Cuban press, Castro seemed to be pleased that President Barack Obama scrapped ‘several hateful restrictions‘ enacted by the previous presidential administration. Castro briefly struck a conciliatory tone when he wrote that the Cuban government would be willing to normalize relations with the U.S. Yet he also blasted the forty-year long blockade which he labeled as a ‘truly genocidal measure.

Tao amin'ny lahatsoratra iray nosoratan'ny gazety Kiobàna dia toa faly i Castro fa nofoanan'ny filoha Barack Obama ny “fameperana feno fankahalana maro “napetraky ny fitondram-panjakana teo aloha. Somary naneho hevitra mitory fihavanana i Castro rehefa nanoratra izy fa vonona ny hanao ny fifandraisana amin'i Etazonia ho ara-dalàna ny governemanta Kiobana.  Na izany aza, nokianiny mafy ihany koa ny sakana nandritra ny efa-polo taona izay nofaritany ho “fepetra tena mandripaka olona“.

Nandefa fanehoan-kevitra marobe ihany koa ny The Cuban Triangle.

Tsy faly ny Cuba, desde mi ventana [ES], bilaogy iray milaza ny iraka “Hizara vaovao momba ny hetsika iraisampirenena ao Kiobà, firenena niaviako, izay novan'ny fahavalon'ny Revolisiona Kiobàna manolona izao tontolo izao ny endriny”, fa tsy nanitatra ny fahirano ny politikan'i Etazonia vaovao:

El presidente Barack Obama eliminó el lunes ”todas las restricciones” para que los cubanosamericanos puedan visitar Cuba y enviar remesas desde Estados Unidos, pero sin tocar aspectos del criminal bloqueo económico…que ha provocado pérdidas directas a la Isla caribeña por más de 93 mil millones de dólares…

Nanafoana ny ‘fameperana rehetra’ ny filoha Barack Obama hahafahan'ny Amerikana Kiobana mitsidika an'i Kiobà sy mandefa vola avy any Etazonia, nefa tsy nikitika ireo lafiny amin'ny sakana ara-toekarena henjana… izay niteraka fatiantoka mivantana mihoatra ny 93 miliara dolara ho an'ny Nosy Karaiba…

Mandritra izany fotoana izany, nandefa fanehoan-kevitra mahaliana avy amin'ny olon-tsotra Kiobàna momba ny fanovana politika ny Yohandry's Weblog avy any Havana.

Avy amin'i fudj ny hajian-tsary nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity, “propaganda”, nampiasana lisansa Creative Commons. Tsidiho ny sarin'i fludj ao amin'ny flickr.
Nandray anjara tamin'ny lahatsoratra i Solana Larsen

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.