Nanome baiko ny fananganana indray ny tempoly Haindò noravan'ny andian'olona notarihin'ny mpitondra fivavahana Miozolomana ny Fitsarana Tampony ao Pakistan

Prahladpuri Temple, an ancient Hindu temple located in Multan, Punjab,has been in ruins since a Muslim mob destroyed it in 1992. Image via Wikipedia by Mubashirtaqi147. CC BY-SA 3.0.

Tempoly Prahladpuri , tempoly haindoa taloha any Multan, Punjab, efa rava hatramin'ny nanimban'ny andiana Miozolomana azy tamin'ny taona 1992. Sary tao amin'ny avy amin'i Mubashirtaqi147. CC BY-SA 3.0.

Tamin'ny 5 Janoary, nomen'ny Fitsarana Tampony ao Pakistan baiko ny manam-pahefana ao an-tanàndehiben'i Karak ao avaratra -andrefana mba hanorina indray ny tempoly Haindò sy ny toerana masina mifanila aminy izay noravan'ny andian'olona notarihin'ny mpitondra fivavahana Miozolomana ny herinandro talohan'izay.

Nilaza ny mpanao gazety tao an-toerana fa nihahenjana ny fifanolanana teo amin'ny vondrom-piarahamonina Miozolomana sy ny Haindò tao Karak tato ho ato rehefa nahazo alalana hanitatra ny toerana misy ny tempoly ny mpitarika Haindò.

Efa nisiana fifanolanana efa ho 20 taona izao ny toerana taorian'ny fanafihana nisy itovizana tamin'ny taona 1997 izay nahatonga ny tempoly sy ny toerana masina ho rava. Tsy natomboka raha tsy tamin'ny taona 2015 ny fanarenana, rehefa namaritra ny fetran'ny faritra ny Fitsarana Tampony ary nanome baiko ny fanamboarana.

Nosamborin'ny polisy ny mpitondra fivavahana iray tao amin'ny Jamiat Ulema-e-Islam-Fazl (JUI-F), antoko politikam-pivavahana elatra havanana izay tonga mavesatra tao an-toerana, sy ireo nahavanon-doza maro hafa tamin'ilay fanafihana. Nisy polisy 12 ihany koa naato noho ny tsy firaharahiana, hoy ny tatitra avy any an-toerana.

Nisioka ny kopian'ny fitoriana ireo nahavanon-doza nataon'ny polisy ilay mpanao gazety Mubashir Zaidi:

Kopian'ny FIR nitoriana ny olona an-jatony ao anatin'izany ny mpitondra fivavahana JUI (F) roa ao an-toerana Maulvi Mohammed Sharif, Hafiz Faizullah noho ny fandranitana, ny fanafihana ary ny fandrobana ny toerana masina Haindò tany Karak.

Ary nisioka ny sarin'ny iray tamin'ireo mpitondra fivavahana rehefa nentin'ny polisy ilay mpanao gazety Muhammad Imran:

Nosamborin'ny polisy ilay nahavanon-doza, Maulvi Muhammad Sharif, tamin'ny fanafihana tao Karak izay naharava sy nahamay ny tempoly.

Nanameloka ny fanimbana ny tempoly ny solontenan'ny JUI-F ary nilaza fa “teti-dratsin'ny governemanta” ny zava-nitranga mba hahavoaroiroy ny mpitarika azy.

Latsaky ny roa isanjaton'ny mponina miisa 223 tapitrisa ao Pakistan ny Haindò. Na dia miantoka ny fahalalahana ara-pivavahana aza ny lalàm-panorenan'i Pakistan dia tsy mahagaga firy ny fanafihana ny toeram-pivavahan'ny Haindò.

Tamin'ny taona 2020, notondroin'i Etazonia ho “firenena mampiahiahy manokana” i Pakistan tamin'ny finiavana handefitra hatrany amin'ny fanitsakitsahana ny fahalalahana ara-pivavahana.

Nidera ny fandravana ny tempolin'i Karak tamin'ny horonantsary nivoaka tamin'ny 2 Janoary ny Dr. Zakir Naik, mpitoriteny Miozolomana amin'ny fahitalavitra avy any India. Tamin'ny volana Jolay, nanambara ny fanoherany ny fananganana ilay tempoly Haindò ao an-drenivohitr'i Pakistan, Islamabad ihany koa izy.

Ny ezaka fanarenana ny tempolin'i Karak dia nomena ho andraikitry ny Evacuee Trust Property Board, andrim-panjakana mitantana ny fananana navelan'ny Haindò sy ny Sikhs izay nifindra monina tany India taorian'ny fivakisana tamin'ny taona 1947.

Nanome baiko ny Evacuee Trust Property Board ihany koa ny Fitsarana Tampony ary nangataka ny hamoahana tatitra momba ny isan'ny tempoly (Haindò) sy gurdwaras (Sikhs) any Pakistan sy ny dingana nataon'ny manampahefana hiarovana izany.

Fanehoan-kevitra

Fotoana fohy taorian'ny zava-nitranga dia niparitaka be ireo lahatsary mampiseho ny fanafihana ary lasa nalaza tao amin'ny tambajotra sosialy ilay tenirohy #KarakAttack.

Nisioka i  Aisha Mansoor ilay Pakistaney mpila ravinahitra hoe:

Henatra ho antsika. Ny fandeferana ara-pivavahana, ny fanekena ary ny fiarovana no teny filamatry ny lalàmpanorenan'i Pakistan

Nisioka i Shaza Fatima Khawaja, mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena ao Pakistan hoe:

Mahavaky fo ny fanafihana ny Tempoly Haindò tao Karak.
Tsy mba mahay miaina toy ny fiarahamonina mandefitra amin'ny olona hafa finoana, foko, lahy/vavy ve isika.

Nilaza i Javeed Ahmed Khan, mpanabe hoe:

Rehefa mitovy ny olombelona rehetra, maninona ny sasany no lasa andevozin'ny fivavahana ka tsy miatrika ny zava-misy intsony. Mino aho fa tokony hiova aloha ny firehan-kevitry ny vahoaka. Fa maninona no zava-dehibe tokoa ny fivavahana amin'ny vondrom-piarahamonina maro an'isa ao pakistan ary tsy mandefitra mihitsy izy ireo amin'ny finoan'ny hafa ?

Nilaza ilay mpisera Twitter Usman hoe:

Noravan'iny JUIF. Lazao amiko io Zaidi

Noravan'ny JUIF
Noravan'ny JUIF
Noravan'ny JUIF
Noravan'ny JUIF
Noravan'ny JUIF
Noravan'ny JUIF
Noravan'ny JUIF
Noravan'ny JUIF
Noravan'ny JUIF

Tamin'ny adihevitra tao amin'ny Express Tribune, naneho hevitra i Rustum Shah Mohmand  hoe:

The pervasive feeling of insecurity amongst ethnic minorities does not augur well for peace and progress. There is a need for course correction and introspection. Providing protection and security to its citizens is a state’s fundamental responsibility. Failure to safeguard minorities is a system failure.

Tsy mitondra loatra mankany amin'ny filaminana sy ny fandrosoana ny fahatsapana tsy fandriampahalemana amin'ny ankapobeny eo amin'ireo foko vitsy an'isa. Ilaina ny fanitsiana sy ny fandinihan-tena. Andraikitra lehibe ho an'ny fanjakana ny fanomezana fiarovana sy filaminana ho an'ny olom-pireneny. Tsy fahombiazan'ny rafitra ny tsy fahombiazana amin'ny fiarovana ireo vitsy an'isa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.