Mozambika: Nodidiana noho ny fivontosan'ny atidohany ilay mpihira rap Azagaia

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Oktobra 2014)

Edson da Luz, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Azagaia, no mpanoratra ny hira mitantara ny fiainana ara-tsosialy marobe mampiseho ny olana mifandraika amin'ny fahalalahana maneho hevitra ka hatrany amin'ny tsy fisian'ny mangarahara amin'ny asan'ny Fanjakana sy ny fiainana tsizarizary ho an'ny Mozambikana maro.

Nanana olana ara-pahasalamana i Azagaia ary hita fa nisy fivontosana ny lohany. Taorian'izany dia nosokafana ny pejy fanampiana ho an'i Mano Azagaia mba hanangonana vola ho fandidiana azy ny 18 Oktobra 2014, any India. Nampiseho ny vaovao farany, navoaka tao amin'ny pejiny Facebook fa efa nodidiana i Azagaia ary nizotra tsara ny fandidiana:

O mano Aza já foi operado, correu muito bem. Ficou internado de sexta feira passada até ontem, foram 7 dias mas ontem teve alta e já está no hotel em Dehli, ele volta na próxima semana depois de fazer um Check Up no hospital

Efa nodidiana ny rahalahy Aza, vita soamantsara izany. Naiditra hopitaly izy nanomboka ny zoma lasa teo ka hatramin'ny omaly. Efa 7 andro izay saingy omaly izy no nivoaka ny hopitaly ary efa any amin'ny hotely ao Dehli. Hiverina amin'ny herinandro izy rehefa avy nozahana tao amin'ny hopitaly.

Azo narahana tao amin'ny Twitter ihany koa ny fahombiazan'ny fandidiana:

Mano Azagaia Está Livre do Tumor. O Rapper de crítica Social Edson Da Luz Ja foi submetido a Craneoctomia… http://t.co/Tr4EQz1Ge4

— MusicaPromo (@Musica_Promo) 13 outubro 2014

Afaka ny fivontosana tamin'ny lohan'i Mano Azagaia. Nodidiana ny karandohan'ilay mpihira rap mpitsikera ara-tsosialy Edson Da Luz Ja …

Betsaka tamin'ireo mpankafy azy no nampiseho fahafaham-po tamin'ny vaovao tao amin'ny tambajotra sosialy.:

O Azagaia já saiu do hospital após a sua operação! http://t.co/Wu6JD5n7UJ

— Hip Hop Tuga (@HipHopTugaa) 17 outubro 2014

 

Efa nivoaka ny hopitaly taorian'ny fandidiana azy i Azagaia ! http://t.co/Wu6JD5n7UJ

Tao amin'ny Facebook, naneho hevitra tao amin'ny pejin'ilay mpihira i Nito L. Manhice:

Que Deus lhe dê forças para lutar contra o mal que lhe apoquenta e volte a ser o músico e crítico social que sempre foi para bem dos fãs e do povo em geral. Melhoras mano, eu e mais milhões de Moçambicanos precisamos de voce

Enga anie Andriamanitra hanome anao hery hiadiana amin'ny ratsy izay mamely anao ary hamerina anao ho mpiangaly mozika mpitsikera ny fiainana ara-tsosialy izay natao hahasoa ny mpankafy sy ny vahoaka amin'ny ankapobeny. Mahazoa fahasalamana ry rahalahy, mila anao aho sy ny Mozambikana an-tapitrisany hafa.

Nampahery ilay mpanao rap i Toni Emiliano Ferraz:

O mundo te precisa mano Aza, pessoas como tu não morrem. Esse cancro não pode nada contra si, por isso é que estás são. Força Azagaia!!!

Mila anao izao tontolo izao ry rahalahy Aza, tsy maty ny olona toa anao. Tsy afaka manao na inona na inona aminao io homamiadana io, ka izany no mahasalama anao. Mankahery Azagaia !!!

Tonga tany Maputo i Azagaia ny alin'ny 24 Oktobra. Ny ampitso maraina, nandefa ity hafatra manaraka ity ilay mpihira rap :

Bom dia a todos. Peço perdão mas só ontem às 21h40 é que cheguei a Maputo. Tivemos problemas de tempo em Johannesburg, chuva e trovoadas, mas graças a Deus viajamos.

Agradeço em especial aos jovens que me receberam no aeroporto. Eles foram muito simpáticos, estiveram lá desde às 16h. Que Deus os abençoe!

A LAM tratou-me muito bem permitindo que eu não demorasse para sair com as pastas, a pesar da enchente de pessoas que também viajaram. Fico agradecido!Depois de tudo, ficou tudo bem. É tão bom estar de volta ao convívio da minha família e dos meus amigos. Estarei de repouso, mas em breve verão a minha cara e ouvirão a minha voz. Eu sou filho de Moçambique. Amo este povo!

Cubaliwa

Povo no poder

Salama daholo. Miala tsiny aho fa vao omaly tamin'ny 9:40 alina vao tonga teto Maputo. Nisedra olana ara-toetr'andro tany Johannesburg izahay, orana sy oram-baratra, fa misaotra an'Andriamanitra fa tongasoa izahay.

Mankasitraka manokana ireo tanora izay nitsena ahy teny amin'ny seranam-piaramanidina aho. Tena nahafinaritra ry zareo, efa teo izy ireo nanomboka tamin'ny 4 ora hariva. Hotahian'andriamanitra anie ianareo!

Notsaboin'ny LAM tsara aho, nahafahako nody, na dia teo aza ny ny olona tsy tambo isaina niara-nandeha fiaramanidina taminay ihany koa. Feno fankasitrahana anareo aho ! Rehefa dinihina tokoa, nizotra tsara ny zava-drehetra. Tena faly aho mahita indray ny fianakaviako sy ny namako. Hiala sasatra aho, nefa tsy ho ela dia hahita ny tavako izy ireo ary handre ny feoko indray. Zanak'i Mozambika aho. Tiako ity vahoaka ity!

Cubaliwa

An'ny vahoaka ny fahefana

Fanehoan-kevitra hafa avy amin'ireo mpankafy toa an'i Rudolfo Cossa izao faly tamin'ny fiverenan'ny mpihira ankafiziny no naneho hevitra toy izao manaraka izao :

Nós amamos ao filho de Moçambique que sabe amar o seu povo. Você e’ um dos queridos filhos Moçambique sempre quis ter para contribuir na defesa dos seus filhos,como um povo. Aguardamos pelos seus préstimos!

Tianay ny zanak'i Mozambika izay mahay mitia ny vahoakany. Ianao dia iray amin'ireo zanaka malala izay tian'i Mozambika hatrizay hatrizay handray anjara amin'ny fiarovana ny zanany, amin'ny maha-vahoaka azy ireo. Faly amin'ny fanompoanao izahay!

Hoy kosa i Anisio Matola :

“A voz do povo é a voz de Deus”! O povo deseja-te saúde, por isso ELE ja concedeu! Tenho a certeza de que em breve vais voltar a “queimar as ruas” junto a nós, os “Vândalos”!

“Ny feon'ny vahoaka dia feon'Andriamanitra”! Mirary soa anao ny vahoaka, ka IZY efa nanome izany! Azoko antoka fa “handrehitra ny arabe” miaraka aminay “Vandales” tsy ho ela ianao !

Ny sasany tamin'ireo horonantsary misy an'i Azagaia alohan'ny nitsaharan'ny asany, mba hiatrehany ny olana ara-pahasalamana:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.