Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Nakaton'ny mpandrindra ny Aterineto ao Malezia ny kaonty Twitter taorian'ny fiparitahan'ny sioka manafintohina

Vaomieran'ny Serasera sy ny Haino Aman-jery Maleziana. Loharano: Facebook

The Malaysian Communications and Multimedia Commission (MCMC) became a Twitter trend on January 12 after netizens exposed misogynist and racist tweets made by its official account in 2014. MCMC later issued a statement denying the authenticity of the tweets before deactivating its Twitter account.

Lasa nalaza tao amin'ny Twitter ny Vaomieran'ny Serasera sy ny Haino Aman-jery Maleziana (MCMC) ny 12 Janoary lasa teo taorian'ny nandefasan'ireo mpisera ny sioka mankahala vehivavy sy manavakava-bolonkoditra avy amin'ny kaontin'izy ireo ofisialy tamin'ny taona 2014. Namoaka fanambarana nandà ny fahamarinan’ireo sioka ireo talohan'ny nanakatonany ny kaontiny Twitter ny MCMC taty aoriana.

After the Malaysian government declared a state of emergency in response to surging COVID-19 cases, MCMC advised internet users — especially those opposed to the new directive — to be polite in their social media comments. It warned that those who publish defamatory remarks on “race, royalty, and religion” will be penalized. It also enjoined the public to report internet users who post offensive remarks.

Rehefa nanambara ny fahamehana ny governemanta Maleziana vokatry ny tranganà COVID-19 nirongatra dia nilaza tamin'ireo mpiseran'ny aterineto, indrindra ireo izay manohitra ny torolàlana vaovao ny MCMC mba haneho fanajana amin'ny fanehoan-kevitr'izy ireo ao amin'ny tambajotra sosialy. Nampitandrina izy ireo fa ho saziana ireo izay mamoaka fanamarihana manala baraka amin'ny “volonkoditra, amin'ny fianakavian'ny mpanjaka, ary amin'ny fivavahana”. Nanome baiko ny besinimaro ihany koa izy ireo hanao tatitra ireo mpisera aterineto izay manao fanamarihana manafintohina.

But after a few hours, #MCMC trended on Twitter after screenshots showing MCMC account tweets from 2014 containing insults and profanities against women and minority races surfaced online. MCMC soon locked its account, issued a statement that hackers were responsible for the tweets, and finally deactivated the account.

Saingy ora vitsy taty aoriana, nalaza tao amin'ny Twitter ny #MCMC rehefa nipoitra an-tserasera ny pikantsary mampiseho ny siokan'ny kaontin'ny MCMC tamin'ny taona 2014 izay nisy fanalam-baraka sy fanaratsiana ny vehivavy sy ny foko vitsy an'isa. Vetivety dia nanakatona ny kaontiny ny MCMC, namoaka fanambarana fa ireo mpijirika no tompon'andraikitra tamin'ireo sioka, ary farany nanafoana ilay kaonty.

Some are skeptical over the claim that the account was hacked. Alexander Wong wrote on SoyaCincau.com:

Ny sasany nisalasala tamin'ny filazàna fa voajirika ny kaonty. Nanoratra tao amin'ny SoyaCincau.com i Alexander Wong hoe:

Looking at the timestamps, the offending tweets are actually old. If it was indeed hacked, it looks like the perpetrators have the ability to turn back time. From what we know, it isn’t possible to backdate tweets but you are able to schedule future tweets.

Efa taloha ela be ireo bitsika manafintohina ireo raha jerena ny datiny. Toa manana fahaizana mamerina ny fotoana ny mpanao ratsy raha tena voajirika tokoa izany. Raha ny zavatra fantatray dia tsy azo atao ny manemotra ny datin'ny sioka fa afaka atao kosa ny mandahatra ny sioka hoavy.

Malay Mail also reported that MCMC’s account was allegedly owned by a teenager until he sold it to another person for RM1,300 (320 US dollars) in 2015.

Nitatitra ihany koa i Malay Mail fa tanora iray no tompon'ny kaontin'ny MCMC ary avy eo namidiny tamin'olon-kafa tamin'ny sarany 1.300RM (320 dolara) tamin'ny taona 2015.

Farak'izay mampihomehy. Ny kaonty Twitter an'ny mpandrindra ny Aterineto Maleziana dia fanovana endrika ny kaonty manokan'ny @Nazrulllhakim (azo antoka fa novidina ho an'ny mpanjohy? Tamin'ny fomba ahoana ? Nahoana ? Aiza ny vola?) Fa mihoatra noho izany, tsy niasa saina akory izy ireo tamin'ny famafana ireo siokan'ilay kaonty taloha.

It is unclear how or why a teenager created a Twitter handle that would later be used as an official account of a government agency. It is also not known how the ‘selling’ of a Twitter account was done since it is against the platform's terms and conditions.

Tsy mazava ny fomba na ny antony mahatonga ilay zatovo hamorona solon'anarana Twitter izay nampiasaina ho kaonty ofisialin'ny masoivohom-panjakana taty aoriana. Tsy fantatra ihany koa ny fomba nanaovana ny ‘fivarotana’ ilay kaonty Twitter satria mifanohitra amin'ny fitsipika napetrak'ilay sehatra izany.

Twitter user, @NazruiHakim, who claims to be the original owner of MCMC’s account, apologized for his offensive tweets:

Niala tsiny tamin'ny sioka manafintohina nataony ilay mpisera Twitter, @NazruiHakim, izay nilaza fa tompon'ny kaonty MCMC tany am-boalohany:

I apologize for the things I said in the past. The tweets were old and I don’t even remember what happened. It was 7 years ago. It’s my fault the tweets were there. I apologize to everyone involved.

Miala tsiny tamin'ireo zavatra nolazaiko tany aloha aho. Efa taloha ny sioka ary tsy tadidiko akory izay nitranga. 7 taona lasa izay. Hadisoako ny nampisy ny sioka. Miala tsiny amin'ireo rehetra voarohirohy tamin'izany aho.

He added that he didn’t expect his account to fall into the hands of a government agency.

Nilaza ihany koa izy fa tsy nampoiziny ho eo am-pelatanan'ny masoivohom-panjakana ny kaontiny.

Writing for Juice website, Ameera Rosli highlighted the accountability of MCMC:

Nanasongadina ny maha-tompon'andraikitra ny MCMC i Ameera Rosli raha nanoratra ho an'ny tranonkala Juice:

The glaring element of this story is MCMC’s lack of awareness as an internet regulator.

It’s baffling how MCMC, a government body that is in charge of monitoring our use of the internet, allegedly forgot to scrub private data and information from the account they obtained.

Ny tandrevaka ataon'ny MCMC amin'ny maha mpandrindra ny aterineto azy no hadisoana miharihary amin'ity tantara ity.

Mahavaka ny saina hoe nahoana ny MCMC, masoivohom-panjakana misahana ny fanaraha-maso ny fampiasantsika ny aterineto, no voalaza fa nanadino ny famafana ny angondrakitra manokana sy ny vaovao avy amin'ny kaonty azony.

MCMC should also know that the trading of accounts violated Twitter’s terms and conditions.

Tokony ho fantatry ny MCMC ihany koa fa manitsakitsaka ny fitsipika napetraky ny Twitter ny fifanakalozana kaonty.

9. Inona no nitranga tamin'ny tandrevaka nataon'ny MCMC nividy kaontin'olona nefa tsy namafa ireo sioka tany aloha izay tsy fahaizana. Manafintohina ny fanitsakitsahan'izy ireo ny fitsipika napetraky ny Twitter tamin'ny fahazoana kaontin'olona iray izay tsy menatra amin'ny fanavakavaham-bolonkoditra, ny fankahalana vehivavy, tsy tia sola loha

MCMC blamed hackers for the offensive tweets.

Nanameloka ireo mpijirika tamin'ireo sioka manafintohina ny MCMC.

People are advised not to be influenced with such suspicious, vile and defamatory messages that have been uploaded through the account.

Manentana ny olona mba tsy ho voasarik'ireo hafatra mampiahiahy, mahatsiravina ary manala baraka izay nalefa tao amin'ny kaonty.

MCMC also vowed to investigate the issue which led to its decision to deactivate its Twitter account. MCMC Minister Datuk Saifuddin Abdullah said in a media statement:

Nivoady ihany koa ny MCMC fa hanadihady momba ilay olana ka nahatonga azy ireo  hanapa-kevitra hanakatona ilay kaontiny Twitter. Hoy ny minisitry ny MCMC, Datuk Saifuddin Abdullah tamin'ny fanambarana nataony tamin'ny fampitam-baovao:

I view seriously the viral issue of indecent old tweets which originated from 2014 that linked to MCMC's official Twitter account.

Ho jereko akaiky ny olana niparitaka be momba ny sioka tsy mendrika efa taloha izay nalefa tamin'ny taona 2014 ary mifandray amin'ny kaonty Twitter ofisialin'ny MCMC.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.