Noraran'ny Nosy Solomon noho ny “votoaty manimba” ny Facebook

Mpianatra ao amin'ny laboratoara informatika ao amin'ny Oniversite Pasifika Atsimo Nosy Solomon. Sary avy amin'ny kaonty Flickr Banky Aziatika ho an'ny Fampandrosoana, (CC BY-NC-ND 2.0)

Namoaka fandrarana vonjimaika ny Facebook ny kabinetran'ny nosy Solomon noho izay heveriny fa ‘votoaty manimba’ naparitaka tao amin'ny sehatry ny tambajotra sosialy. Tsy fantatra mazava hoe rahoviana no hanomboka ny fandrarana ary haharitra hafiriana izany.

Ny praiminisitra Manasseh Sogavare sy ny Minisitry ny serasera sy ny Fifamoivoizana an'Habakabaka Peter Shanel Agovaka no nanolo-kevitra ny fandrarana.

Nilaza tamin'ny Solomon Times ny antony nahatonga ny kabinetra nandray fanapahan-kevitra i Agovaka:

Abusive languages against Ministers, Prime Minister, character assassination, defamation of character, all these are issues of concerns.

The use of the internet now in Solomon Islands needs to be properly regulated to safeguard our young people from harmful content. At the moment there is no legislation to govern the use of the internet and even young kids can be able to download harmful stuff from the internet.

Ny teny tafahoatra atao amin'ny Minisitra, ny Praiminisitra, ny fanosoram-potaka olona, ​​ny fanalam-baraka olona, ireo olana mampiahiahy ireo rehetra ireo.

Mila lalàna mifehy mba hiarovana ny tanorantsika amin'ny votoaty manimba ny fampiasana ny aterineto ankehitriny ao amin'ny Nosy Solomon. Mbola tsy misy lalàna mifehy ny fampiasana ny aterineto amin'izao fotoana izao ary na dia ny ankizy kely aza dia mety afaka mitroka zavatra manimba avy amin'ny aterineto.

Nilaza i Agovaka fa mbola tsy vitan'ny governemanta ny antsipiriany niaraka tamin'ny mpamatsy tolotra aterineto amin'ny fomba hampiharana ny fandrarana. Nampiany fa tsy hisy fiantraikany amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety izany satria mbola afaka mamoaka na mandefa ny fihetseham-pony amin'ny sehatry ny fampitam-baovao hafa ny olom-pirenena.

Misy mpisera Facebook miisa 120.000 any amin'ny Nosy Solomon.

Niely ny tsikera noho ny fanambaràna ka nahatonga ny Sekretera maharitra misahana ny serasera sy ny fifamoivoizana an'habakabaka, Moises Virivolomo, hanazava fa naato fotsiny ny Facebook. Saingy tsy nanome fe-potoana ny tompon'andraikitra momba ny fampiatoana azy.

Hitan'ny mpitsikera sy ny mpanohitra ho fikasana hanampenam-bava ny olom-pirenena izay manambara ny tsy fanarahan-dalàna ataon'ny governemanta ilay fandraràna na fampiatoana ny Facebook.

Nampahatsiahy ny Kabinetra ny maha-zava-dehibe ny fanohizana ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny demokrasia ny mpikambana mpanohitra ao amin'ny Antenimiera Peter Kenilorea Jnr:

As leaders, we will face resentment from factions of a demanding and at times dissatisfied public. Much of the dissatisfaction and mistrust, whether real or perceived, will be aired. Sometimes these need to be aired. After all, we, leaders, need to be held accountable by the electorate that place us in positions of power. We need to face the music from time to time. This is democracy.

But as leaders, let us not attack one of the main pillars of democracy upon which our nation rests – the freedom of expression. Let us not mute the voices, however angry, of those that we have sworn to serve.

Amin'ny maha-mpitondra anay dia miatrika ny hatezerana avy amin'ny tsy fitovizan-kevitra avy amin'ny  fitakian'ny vahoaka sy tsy afa-po izahay indraindray. Holazaina amin'ny haino aman-jery ny ankamaroan'ny tsy fahafaham-po sy ny tsy fahatokisana, na io tena izy na tsapa. Ilaina izany indraindray. Rehefa dinihina tokoa, izahay, mpitondra no tazonin'ny mpifidy izay nametraka anay teo amin'ny fahefana ho tompon'andraikitra. Mila miaiky ny fahadisoana isika tsindraindray. Izany no demokrasia.

Mpitondra izahay kanefa aoka tsy hanapotika ny iray amin'ireo andrin'ny demokrasia iankinan'ny firenena dia ny fahalalahana maneho hevitra. Aoka tsy hampangina ny feon'ireo izay nianianantsika fa hotompoina isika, na dia tezitra aza.

Tsy nanaiky ny fanapahan-kevitra handràra ny Facebook ihany koa ny tompon'andraikitra voalohany ao amin'ny faritany Malaita Daniel Suidani, tompon'andraikitra ao an-toerana:

Do not go into public life and make laws and decisions for your own good or for your own protection as is seen with the banning of Facebook.

Doing this will only lead to further frustrations. You can be guaranteed that going against your people only leads to failures.

Aza miditra amin'ny fiainam-bahoaka sy mampihatra ny lalàna sy mandray fanapaha-kevitra hahasoa ny tenanao manokana na ho fiarovana anao manokana araka ny fahitana azy amin'ny fandraràna ny Facebook.

Vao maika hitarika fahasosorana bebe kokoa ny fanaovana izany. Ho azonao antoka fa hitarika mankany amin'ny tsy fahombiazana irery ihany ny fanoherana ny vahoakanao.

Tsy manohana ny fandrarana ny sehatry ny fihariana. Nilaza i Jay Bartlett, lehiben'ny filankevi-pitantanan'ny antenimieran'ny varotra sy ny indostria ao amin'ny Nosy Solomon (SICCI) fa tokony hifantoka amin'ny raharaha lehibe hafa manan-danja kokoa ny kabinetra:

It is the Government’s prerogative to make such a decision, but as a Chamber we believe that there are other pressing issues that requires our collective focus.

Manana fahefana ny governemanta handray fanapahan-kevitra toy izany, fa amin'ny maha antenimiera anay dia mihevitra izahay fa misy ny olana hafa manindry itakiana fiaraha-mifantoka.

Nilaza i Ramatoa Gloria Hong, mpikambana ao amin'ny SICCI misolo tena ny fihariana madinika fa sehatra iray ilaina ifandraisana amin'ireo mpanjifa ny Facebook.

Using social media helps us to build brand awareness, increase our customer base, and connect with customers.

In my view, banning Facebook is a threat to businesses, especially the small businesses who cannot afford to run advertisements on radio, newspapers and on TV.

Manampy anay amin'ny fampiroboroboana ny marika, mampitombo ny isan'ny mpanjifanay ary hifandraisana amin'ireo mpanjifa ny fampiasana ny tambajotra sosialy.

Raha ny fahitako azy, fandrahonana ho an'ireo fihariana ny fandraràna ny Facebook, indrindra ireo orinasa madinika izay tsy afaka manao dokambarotra amin'ny onjam-peo, gazety ary amin'ny fahitalavitra.

Nampitandrina ny fiantraikan'izany eo amin'ny orinasan'ny fizahan-tany ny tale jeneralin'ny Tourism Solomons Josefa ‘Jo’ Tuamoto.

It goes without saying the platform has become vital in our efforts to keep the Solomon Islands top of mind and competitive on the world tourism stage for the time when things return to normal.

No other social media platform comes even close to what we have been achieving with Facebook.

And not just for our tourism sector, but for all Solomon Islands businesses and the wider community in general which uses Facebook as a key means of communication across our 992-island archipelago.

Tsy lazaina intsony fa nanjary zava-dehibe tokoa ny sehatra amin'ny ezaka ataonay mba hitazonana ny Nosy Solomon ho lohalaharana sy hifaninana amin'ny sehatry ny fizahan-tany eran'izao tontolo izao amin'ny fotoana hiverenan'ny andavanandro mahazatra.

Tsy misy sehatra tambajotra sosialy hafa mahavita ny zavabitanay tamin'ny Facebook.

Ary tsy ho an'ny sehatra fizahan-tany ihany, fa ho an'ny sehatra fandraharahana rehetra ao amin'ny Nosy Solomon sy ny vondrom-piarahamonina amin'ny ankapobeny izay mampiasa Facebook ho toy ny fitaovam-pifandraisana lehibe manerana ny vondronosintsika miisa 992.

Tao amin'ny taratasy iray nalefa tany amin'ny Solomon Times, nilaza i Floyd Manata avy any Port Moresby fa tsy vahaolana ny fandrarana ny Facebook:

We need to be very careful about dealing with certain things regarding this time where the world technology is changing every 6 months. Today it's Facebook next year probably TikTok. But hey think again is this the best solution to the problem?

Before you ban Facebook you should establish or come up with policies that will facilitate the issue of cyber crime and cyber security. Do we have one in place at the moment?

Mila mitandrina tsara isika amin'ny fiatrehana ny zavatra sasantsasany amin'izao fotoana izao izay ahitana ny teknolojia manerantany miova isaky ny enim-bolana. Androany Facebook ary amin'ny herintaona angamba mety ho TikTok. Saingy saino ihany hoe izany ve no vahaolana tsara indrindra ?

Alohan'ny handraranareo ny Facebook dia tokony hapetrakareo ny politika hanatsarana ny olan'ny heloka anjotra sy ny fiarovana an-jotra. Efa misy iray amin'izany ve eto amintsika amin'izao fotoana izao?

Nilaza tamin'ny ABC Australia ny Facebook fa vonona ny hiady hevitra momba ny olana napetraky ny governemantan'ny Nosy Solomon izy ireo:

We’re reaching out to the Solomon Islands government to discuss today’s decision.

This move will impact thousands of people in the Solomon Islands who use our services to connect and engage in important discussions across the Pacific.

Nifandray tamin'ny governemantan'ny Nosy Solomon izahay hiady hevitra momba ny fanapahan-kevitra anio.

Hisy fiantraikany amin'ny olona an'arivony maro ao amin'ny Nosy Solomon izay mampiasa ny sehatray hifandraisana sy hidirana amin'ny adihevitra lehibe manerana ny Pasifika ny fanapahan-kevitra.

Nilaza i Kate Schuetze, mpikaroka ao amin'ny Amnesty International any Pasifika, fa tsy hahazo ny vaovao tena ilaina izay afaka mamonjy aina mandritra ny valan'aretina ny fandraràna .

Given how important it is for people to quickly access information in the context of the COVID-19 pandemic, the government may not just place political discourse and participation at risk, but even lives. Total bans on websites or internet information providers will almost never be justifiable under international human rights law.

Satria zava-dehibe ho an'ny olona ny mahazo vaovao haingana mikasika ny valan'aretina COVID-19 dia tsy ny kabary politika sy ny fandraisana anjara ihany no tandindonin-doza noho ny ataon'ny governemanta, fa ny aina ihany koa. Zara raha mahazo rariny amin'ny lalàna iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona ny fandrarana feno ny tranonkala na ireo mpanome vaovao amin'ny aterineto.

Manana tolo-kevitra ho an'ny governemantan'i Pasifika izay tsy afa-po amin'ny fiantraikan'ny Facebook teo amin'ny fiarahamonina i Dan McGarry, mpanao gazety tsy miankina mipetraka any Vanuatu, ary nitady vahaolana tamin'ny fomba hanivanana na handrarana ny tranokalan'ilay tambajotra sosialy malaza:

Pacific governments need to start a dialogue, not just with social media giants, but with other national regulators too. They need to learn from others’ mistakes, and leverage others’ successes.

Mila manomboka ny fifampiresahana ny governemantan'i Pasifika, tsy amin'ireo goavamben'ny tambajotra sosialy ihany, fa amin'ny mpanara-maso nasionaly hafa ihany koa. Mila maka lesona avy amin'ny hadisoan'ny hafa izy ireo ary mitrandraka ny fahombiazan'ny hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.