
Elefanta ao amin'ny valan-javaboary ao Pakistan. Sary tao amin'ny Wikipedia avy amin'i Mfawadazhar. CC BY-SA 4.0
Voahiboka tao amin'ny valan-javaboarin'i Marghazar ao Islamabad efa nandritra ny telopolo taona mahery i Kaavan, ilay elefanta aziatika tokana ao Pakistan.
Efa ela ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny biby no nitaraina tamin'ny fampijaliana nahazo ilay elefanta ary nanomboka fanentanana hanavotana an'i Kaavan tao amin'ny valan-javaboary tamin'ny taona 2015 izay notohanan'ilay kintan'ny pop Cher. Tamin'ny volana Mey 2020, nanapa-kevitra hamindra toerana an'i Kavaan avy ao Islamabad ho any amin'ny toerana masina mendrika azy ny Fitsarana Avo Islamabad.
Tamin'ny taona 1985, nataon'ny governemanta Sri Lankey fanomezana ho an'i Pakistan i Kaavan, izay mbola kely, mba hanamafisana ny fifandraisana teo amin'ny firenena roa tonta. Tamin'ny taona 1990, nahazo namana nantsoina hoe Saheli izay avy any Bangladesh i Kavaan. Maty i Saheli tamin'ny taona 2012, ka nahatonga an'i Kaavan ho “elefanta manirery indrindra“. Nanomboka hita fa nalaina, ketraka ary naherisetra taty aoriana, ka nahatonga ireo mpiambina hamatotra azy.
Nisioka ilay mpanao gazety Kasim Abbasi hoe:
Kavaan declared as the ‘World’s loneliest elephant’ in The Guardian newspaper. https://t.co/SaPQ1OIJT6
— Kasim_Abbasi (@KasimAbbasi4) September 6, 2020
Nambara fa ‘elefanta manirery indrindra’ manerantany i Kavaan, tao amin'ny gazety The Guardian.
Ny tolona lava nanafahana an'i Kaavan
Tamin'ny taona 2015, nandefa fanangonan-tsonia an-tserasera ny mpianatra iray antsoina hoe Samar Khan mba hanesorana ireo rojovy an'i Kaavan ary nanasongadinana ny fampijaliana ilay elefanta sy ny fitokana-moniny. Nanokatra pejy Facebook mitondra ny anarana hoe “ Afaho i Kaavan Ilay Elefanta ” ihany koa i Khan mba hizarana vaovao momba ny fahorian'ilay elefanta.
Nanao fanentanana hamotsorana an'i Kaavan i Cher tamin'ny alàlan'ny orina mpanasoa natsangany Free The Wild, izay mikendry ny hiaro ny bibidia voahaza.
Tamin'ny volana Jolay 2020, tamin'ny fivoriana vonjy maika nataon'ny Filankevi-pitantanana ny Bibidia ao Islamabad (IWMB), ny governemanta Pakistaney dia nanolo-kevitra ny hamindra toerana an'i Kaavan avy any Islamabad ho any amin'ny Toerana Masina ho an'ny Bibidia Kambodziana, izay hihaonany amin'ny karazam-biby matevin-koditra miisa 80 hafa ary hahazo fikarakarana avy amin'ny manam-pahaizana momba ny bibidia.
Hatao miaraka amin'ny fanampian'ny Four Paws International, fikambanana Aostraliana misahana ny fiarovana ny biby izay nanohana ny fanavotana ireo biby mihoatra ny 30 tao amin'ny valan-javaboary tao Pakistan ny famindrana toerana.
Efa namboarina niaraka tamin'ny fanohanan'ny Free The Wild ny kaontenera hitaterana an'i Kaavan ho any Kambodza ary voaravaka asakanto nentim-paharazana.
LADIES AND GENTLEMEN! #KAAVAN‘S CRATE!#Kaavan #FreeKaavan #nature #Islamabad #Pakistan #elephant #Zoo #Islamabadzoo #wildlife #margallahills #wildlifeonearth #sanctuary #fourpaws #freethewild #suzie #bubloo@ftwglobal @fourpawsint @anikasleem @FaisalAminKhan @aminattock pic.twitter.com/PFfOPSgRdQ
— ? Friends of Islamabad Zoo (FIZ) ? ? ? ? ? (@IsbZooFriends) October 24, 2020
TOMPOKOLAHY SY TOMPOKOVAVY ! NY KAOTENERA HITATITRA AN'I KAAVAN.
Fanantenana ho an'ny biby hafa ao amin'ny valan-javaboary Marghazar
Tamin'ny 22 Mey, nanome baiko ny IWMB hamindra toerana ny biby rehetra ao amin'ny valan-javaboary Marghazar ho any amin'ny toerana masina, anisan'izany i Kaavan ny Fitsarana Avo Islamabad (IHC).
High court ordered to relocate all 800 Animals&Birds to respective sanctuaries
Incompetence of Islamabad Zoo mangt&designated wildlife board already killed lion, lioness, ostricth, neel gaye, zebra many more animals in Capturing/Transportation process /1https://t.co/RiSZAF8bVU pic.twitter.com/SqA5JLLbqV— Sunil Jamil (@SunilJamill) July 30, 2020
Namoaka didy ny fitsarana avo hamindrana ny biby sy vorona rehetra miisa 800 ho any amin'ny toerana masina tsirairay avy
Efa namono liona, aotirisy, antilopa, zebra sy biby maro hafa nandritra ny fisamborana azy na nandritra ny fitaterana ny tsy fahombiazan'ny mpitantana ny valan-javaboary ao Islamabad sy ny filankevitra misahana ny bibidia
Amin'ireo biby sy vorona miisa 917 tao amin'ny valan-javaboary, 513 no very nandritra ny famindrana toerana azy ireo ary folo hafa no maty, anisan'izany ny liona roa izay maty rehefa avy nifoka setroka izay nataon'ny mpikarakara azy ireo hampitahorana azy ireo. Tafafindran'ny IWMB toerana soamantsara ny ambiny.
Bablo and Suzie are finally going to Jordan.
Export permits are being issued.#suizeandbablu #kavaan #islamabadzoo #happyness pic.twitter.com/5OlpzvddnB— Ammar Hunzai (@ammarkhans) October 22, 2020
Handeha ho any Jordania ihany i Bablo sy Suzie.
Efa nivoaka ny fahazoan-dàlana amin'ny fanondranana
Tonga tany Pakistan tamin'ny volana Aogositra 2020 ireo manam-pahaizana avy amin'ny Four Paws, ary nanomboka tamin'izay no nikarakara an'i Kaavan ilay dokotera Egyptiana Amir Khalil, talen'ny Four Paws, namolaka azy, nihira ho azy ary niara-nilalao taminy. Rehefa nanombatombana ny zavatra niainana tao Marghazar i Khalil dia nilaza izany ho mampidi-doza ho an'ireo biby ary nitarika fanentanana ho an'ny famindrana toerana azy ireo.
Relief for #Kaavan in sight as Cambodia issues relocation permit
?Kavaan to be moved to a sanctuary in Cambodia within a month. The Cambodian government on Friday issued a permit for the transfer of Kavaan from the Islamabad zoo to a local sanctuaryhttps://t.co/Ue26wpNnwi pic.twitter.com/UtGBQ7iwMW— OPEN?UNIVERSITY of ELEPHANTS (@OElephants) October 26, 2020
Avotra i Kaavan niaraka tamin'ny famoahan'i Kambodza ny fahazoan-dàlana hamindra toerana azy
Hafindra any amin'ny toerana masina any Kambodza ao anatin'ny iray volana i ?Kavaan. Namoaka fahazoan-dàlana hamindrana an'i Kavaan avy ao amin'ny valan-javaboary Islamabad mankany amin'ny toerana masina eo an-toerana ny governemanta Kambodziana tamin'ny zoma
Efa niasa hatry ny ela ireo mpikatroka mpiaro ny biby any Pakistan hanatsara ny fepetra iainan'ny biby ao amin'ny valan-javaboary, sy mba hampitsahatra ny famonoana alika sy ireo karazana herisetra hafa. Hoy i Faryal Haque, mpikatroka ny zon'ny biby avy any Islamabad, tamin'ny Global Voices:
Kaavan has come back to life because of Four Paws and efforts of Dr Amir Khalil. They have become good friends. But it is a pity the way animals in the Islamabad Zoo were kept. It is time to put an end to these zoos and move towards digital zoos and let animals live in their natural habitat.
Velona indray i Kaavan noho ny Four Paws sy ny ezak'i Dr Amir Khalil. Lasa mpinamana be izy ireo. Saingy mampalahelo anefa ny fomba hitazomana ireo biby ao amin'ny valan-javaboary ao Islamabad. Fotoana hamaranana ireo valan-javaboary ireo izao ary hirosoana mankany amin'ny valan-javaboary nomerika sy hamelana ny biby honina any amin'ny fonenany voajanahary.