Fahatsiarovana Ny Andro Nahaterahan'i Neda Tany Iran

(Tamin'ny 25 Janoary 2010 no nosoratana voalohany ny lahatsoratra teny Anglisy)neda1

Olona maro tao anatiny sy ivelan'i Iran no nankalaza ny faha-27 taonan'i Neda Agha Soltan. Indrisy anefa fa tsy afaka nankalaza izany i Neda fa raha tokony nomena fanomezana izy dia maty voatifitry ny milisy Basij tamin'ny 20 Jona 2009, nandritra ny fihetsiketsehan'ny olona an'arivony nanohitra ny valim-pifidianana filoham-pirenena Iraniana izay nanambaràna ny filoha Mahmoud Ahmadinejad ho filoha.  Azo lahatsary ny nahafatesany ary nalefa tamin'ny aterineto. Maty nivandravandra izy, ary nandalo ny fampitam-baovaon'ny olom-pirenena ka hatrany amin'ny fampitam-baovao mahazatra ka nahatratra olona an-tapitrisany ny fotoana farany niainany.

Tsy misy isalasalana fa lasa marika ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana i Neda, izay naneho ny fanajan'izy ireo azy indray tamin'ny Sabotsy.

Nedaye Mihan Sabz (which translates to Neda's Green Homeland) writes [fa] that “green people (in reference to protesters against the Iranian regime) and Neda's family was present by Neda's tomb. They lit candles and decorated her grave with her photographs. Security forces were present.”

Nanoratra i Nedaye Mihan Sabz  (izay midika hoe ‘Tanindrazana Maitson'i Neda’) fa ” tonga tany amin'ny fasan'i Neda ireo vahoaka maitso (fiantsoana ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana Iraniana) sy ny fianakavian'i Neda. Nandrehitra labozia izy ireo ary nandravaka ny fasany tamin'ny sariny. Nisy mpitandro filaminana tonga tany an-toerana.”

Bilaogy Iraniana maro ihany koa no namoaka ny sarin'ny ray aman-drenin'i Neda.

neda

Nilaza i Balatariny fa maty tsy voairina maso i Neda ka tsy tokony hikimpy maso amin'ny fiainany ny Iraniana noho izany.

Nanoratra i Bipanahm  fa vahoaka marobe, ​​anisan'izany ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona sy ireo reny nisaona, no nanamarika ny andro nahaterahan'i Neda. Nolazainy fa nanakana ny olona tsy handrakitra horonantsary momba izany ny mpitandro ny filaminana tamin'ny voalohany, saingy nilefitra izy ireo rehefa nanohitra izany ny mpanatrika.

Nanoratra i Azarmehr fa nankalaza ny fahatsiarovana an'i Neda teo anoloan'ny biraon'ny Press TV ( ilay fantso-pahitalavitry ny Repoblika Islamika) tany Londres ny Iraniana.

Nanamarika izy:

Press TV‘s constant lies about Neda to tarnish her image became a focus point for those who wanted to mark this day in London. Iranian expats as well as non-Iranians gathered outside Press TV offices in Hanger Lane to commemorate Neda and at the same time perhaps jolt the conscience of those who are still working for this propaganda arm of the messianic junta in Iran.

Lasa nanjary lohahevitra iray ho an'ireo nanamarika ity andro ity tany Londres ny lainga nafafin'ny Press TV mikasika an'i Neda mba handotoana azy. Nivory teo ivelan'ny biraon'ny Press TV tao Hanger Lane ho fahatsiarovana an'i Neda ireo Iraniana mitady ravinahitra sy ireo tsy Iraniana ihany koa ary, angamba, nanakorontana ny fieritreretan'ireo izay mbola miara-miasa amin'ity orinasa propagandin'ny fitondrana miaramila mesianika ao Iran ity nandritra izany fotoana izany .

Namoaka ity sary tamin'ny fihetsiketsehana manaraka ity ihany koa izy :

neda3

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.