(Marihina fa tamin'ny 23 Janoary 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Nanao fihetsiketsehana manoloana ny masoivohon'i Azerbaijan tany Londres sy Paris ireo mpanohana an'i Adnan Hajizade sy Emin Milli, ireo bilaogera tanora mpikatroka nogadraina tamin'ny andro nanemoran'ny fitsarana ambony ny raharaha noho ny fangatahan'ny mpiaro tamin'ity indray mitoraka ity. Nokarakaraina niaraka tamin'ny Reporters Sans Frontieres ny fihetsiketsehana tany Frantsa ary nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana tany Londres ny mpitarika ny media sosialy Dan McQuillan .
Fihetsiketsehana tao Paris © Ehsan Meliki, nahazoana alalana avy amin'ny Komity Mpanohana an'i Emin Milli sy i Adnan Hajizade
Nanameloka ilay didim-pitsarana ny Prezidansan'ny Vondrona Eoropeana , ny Antenimiera Parlemanteran'ny Vaomiera Eoropeana (PACE), ny Fikambanam-Piarovana sy Fiaraha-miasa any Eoropa (OSCE), ny Mpanara-maso ny Zon'Olombelona ary ny Reporters Sans Frontières. Gadra noho ny fanehoan-kevitra ireo lehilahy roa ireo araka ny fanambarana nataon'ny Amnesty International .
https://youtube.com/watch?v=4e5XSCQcgOc
Azo jerena ao amin'ny Global Voices amin'ny tamberina bilaogin'i Kaokazia 2009 sy ao amin'ny Threatened Voices ny tantaran'ity raharaha ity.