Azerbaijana: Voampanga Ireo Bilaogera

(Marihina fa tamin'ny 11 Novambra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

hands_off11

Toy ny efa nahian'ireo mpanohana azy, ary nandritra ny dinika momba ny raharaha hanenjehana ireo tanora mpikatroka bilaogeran-dahatsary, dia efa nomelohin'ny fitsarana tao Baku, Azerbaijan i Adnan Hajizade sy i Emin Milli.

Niparitaka tao amin'ny Twitter ny didim-pitsarana sy ny fihetseham-po voalohany.

tweet

Oay! ilazao aho hoe nofiratsy izao! 2 taona i Adnan, 2 taona sy 6 volana ny an'i Emin

Naneho hevitra momba ilay didim-pitsarana ny Media Helping Media .

According to supporters tweeting from the court, the lawyer for Hajizade, Isahan Ashurov, said the case was about power.

“Today we witness the unfair struggle of mind and physical power.” “Today we witness the unfair struggle of mind and physical power.”

[…]

Supporters have tweeted that Hajizade said the decision was built on lies.

Araka ny nolazain'ireo mpanohana nandefa sioka avy tao amin'ny fitsarana, dia nilaza ny mpisolovavan'i Hajizade, Isahan Ashurov,  fa resaka fahefana ny raharaha .

“Nanatri-maso ny tolona tsy ara-drariny ifanaovan'ny saina sy ny fahefam-batana izahay androany.”

[…]

Nilaza i Hajizade hoy ireo mpanohana tao amin'ny sioka fa miorina eo ambony lainga ny fanapahan-kevitra  .

Nandinika ny didim-pitsarana ihany koa ny Flying Carpets and Broken Pipelines ary nilaza fa ” fiandohana ihany izao fa tsy ny fiafarany.”

Today at the end of the hearing, Emin said he is feeling proud and thats why he is ready to accept the verdict given to him. Adnan, questioned how alleged witnesses will look into the eyes of their families- we will be done with our sentences but I wonder how they are going to live a life built on lies… They both showed their strength to us, we must to the same in return.

Androany, rehefa nifarana ny fitsarana dia nilaza i Emin fa mirehareha izy ary izany no mahatonga azy ho vonona ny hanaiky ny didim-pitsarana nomena azy. Nanontany tena ny momba ireo lazaina ho vavolom-belona kosa i Adnan eo anatrehan'ireo fianakaviany – vita ny fitsarana anay saingy manontany tena aho hoe ahoana no fomba hiainan'izy ireo mitohy ao anatin'ny lainga … Samy naneho ny tanja-tsainy taminay izy ireo, ary izahay koa torak'izany.

Nandritra izany fotoana izany, namoaka fanambarana avy hatrany ny Zaikaben'ny Famahanana Bilaogy Manerantany izay voalohany indrindra tany Bucarest, Romania .

We, the bloggers, will promote a world in which Internet users shall enjoy freedom of speech and belief and freedom from fear and repression in any form.

The bloggers united in Bucharest at the World Blogging forum are worried about the situation in Azerbaijan and support #EminAdnan as a Free Voice of the Internet and as a member of the World Blogging Family.

Izahay, bilaogera, dia hampiroborobo ny tontolo ahafahan'ny mpisera aterineto mankafy ny fahalalaham-pitenenana  sy ny finoana ary ny fahalalahana amin'ny tahotra sy ny faneriterena amin'ny endrika rehetra.

Miahiahy momba ny toe-draharaha ao Azerbaijan ireo bilaogera nivory tao Bucarest tao amin'ny Zaikaben'ny Famahanana Bilaogy Manerantany ary manohana an'i #EminAdnan ho toy ny Feo Malalaky ny  Aterineto amin'ny maha-mpikambana azy ao amin'ny Fianakavian'ny Famahanana Bilaogy Manerantany.

Nihaona tamin'i Parvan Persiani, tanora mpikatroky ny OL! sy ny sipan'i Hajizade tao amin'ny fivoriambe ny Global Voices!

Hisy ny fanavaozam-baovao hafa amin'ny fotoana manaraka. Mandritra izany fotoana izany, azonao jerena ao amin'ny fizaran-tantara momba an'i Azerbaijan ato amin'ny Global Voices Online sy ao amin'ny OL! ny fanangonam-baovao feno momba ny fisamborana, ny fitsarana ary ny fanagadrana an'i Adnan Hajizade sy i Emin Milli ! Bilaogy (amin'ny teny Anglisy sy Azeri).  Nampiasaina tao amin'ny Twitter ihany koa ny tenirohy #EminAdnan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.