Tondraky Ny Onjan-drano i Egypta 

(Marihina fa tamin'ny 24 Janoary 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Faritra sy tanàndehibe maro no tondraka noho ny fiakaran'ny rano tampoka sy ny oram-baratra tany Egypta.

Nitatitra i Zeinobia tao amin'ny bilaoginy, Chroniques égyptiennes :

Officiellement, nous avons une catastrophe en Égypte, que ce soit dans le Sinaï ou à Assouan. Moubarak peut voir les dégâts d’Assouan. Les communications entre les deux villes et le monde extérieur sont pratiquement coupées.
Le Ministère de la Santé a annoncé que quatre personnes sont décédées, et environ une quarantaine  blessées à la suite des inondations. Ce ne sont là que les chiffres officiels, et on peut s'attendre à un bilan beaucoup plus importantes car des personnes sont portées disparues, en particulier à Al Arish.

Nisy loza nitranga teto Egypta, tany Sinai sy tany Assouan. Nahita ny fahasimbana tao Assouan i Mubarak . Saika tapaka tanteraka ny fifandraisan'ny tanàndehibe roa sy ny faritra ivelany .
Nanambara ny Minisiteran'ny Fahasalamana fa olona miisa efatra no maty, ary efa ho 40 teo ho eo no naratra taorian'ny tondradrano. Ireo no antontan'isa ofisialy hatreto, ary mbola mety hitombo izany satria mbola ireo olona no tsy hita, ​​indrindra tany Al Arish.

Rehefa nisy ny fanavaozam-baovao avy amin'i Zeinobia dia nitombo ho 15 ny isan'ireo niharamboina .

Namela faritra maro ho tapaka fifandraisana tanteraka ny tondradrano, indrindra fa tany Sinai.

Nilaza i Alanay, bilaogera avy ao Sinai hoe:

على مدي الأيام السابقة انقطعت المدونة عن تغطية احداث السيول والفيضانات التى ضربت سيناء والعريش وذلك لانق
طاع النت وانعزالنا في الشيخ زويد ورفح واليوم بدأت المدونة تغطيتها بعد عودة النت

Tao anatin'izay andro vitsivitsy izay, tsy afaka nitatitra momba ny tondradrano izay namely an'i Arish sy Sinai aho satria tapatapaka ny fifandraisana aterineto tao Rafah sy Sheikh Zawyed. Androany vao niverina ny tatitra satria niverina tamin'ny laoniny ny fifandraisana.
Naneho ny hatezerany ny vahoaka tany Sinai, toerana izay nahitana trano sy fiara lasan'ny rano, satria ela loatra vao tonga ny vonjy .

Nanoratra i Sinaï News :

تخطت كارثة سيول شمال سينا
ء الوصف حيث سادت أجواء من السخط الشديد على تأخر المساعدات الحكومية لسكان وسط
سيناء والأحياء المتضررة في شطري العريش الذي بات التنقل بين نصفيه يعتمد على وسائل بدائية.
Niteraka fahasosorana ho an'ny mponina ny tondradrano tampoka tao Sinai noho ny fahanteran'ny fitaovam-pitateran'ny mpamonjy voina izay tokony handeha any amin'ny faritra atsinanana sy atsimon'ny faritra.

Namoaka lahatsary vitsivitsy tao amin'ny bilaoginy i Nawara Negam izay nampiseho ny halehiben'ny fahasimbana.

Nanangana komity mpanohana ireo niharamboina tamin'ny tondradrano ireo solontenan'ny antoko politika sy ny ONG ho ezaka handresena ny tsy fahombiazan'ny governemanta sy ny sampan-draharahan'ny mpamonjy voina ofisialy nandritra ny krizy. Nilaza izy ireo tao anatin'ny fanambarana fa nisy ny andiana fiara nalefa nankany Sinai nitondra ny fitaovana fanampiana vonjy taitra.

تجهيز قافلة مساعدات عاجلة تحوي بعض المواد الغذائية والأ
غطية والمستلزمات الدوائية وذلك في المدة من اليوم
20/1/2010 وحتي صباح يوم 24/1/2010 ومقرر لها أن تتحرك مساء يوم 24/1/2010 ولمن يرغب في المشاركة في تجهيز تلك القافلة او المساهمة الإتصال بالأرقام الآتية
Nalefa any Sinai ny andiana fanampiana vonjy taitra, nitondra sakafo, fanafody ary lamba firakotra. Natao tamin'ny 20 ka hatramin'ny 24 Janoary 2010 ny fanangonana izany.

Niala ny alin'ny 24 Janoary ny andiana fiara mitondra fanampiana , ary nisy ny laharana natokana hiantsoana ho an'ireo izay te-handray anjara na hanao fanomezana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.