Tantara tamin'ny Mey, 2021
Mitady Toniandahatsoratra mpiara-miasa ny Global Voices
Mitady Toniandahatsoratra mpiara-miasa ny Global Voices (GV), hanampy ny ekipa mpamoaka lahatsoratra Global Voices.
Kambodza, mpikatroka mpiaro tontolo iainana voaheloka fa nikasa hikarakara “fandehanana ataom-behivavy tokana”
"Nosamborina ireo tanora ireo satria niezaka niaro ny farihy lehibe indrindra eto Phnom Penh sy hitahiry azy ho an'ireo andiantaranaka ankehitriny sy hoavy."
Miaraka amin'ny fihenan'ny velaran-tany mando, mizotra mankany amin'ny fihenana koa ny isan'ireo sakadia mpanjono tsy fahita firy ao Nepal
Mihena ny isan'ireo karazana sakadia satria ny toerana fonenana dia efa mihamaina ary navadika ho tany fambolena ary fampiroboroboana ny fotodrafitrasa.
Ny sandan'ny fanoherana: Ny vehivavy sy ny fikatrohana pôlitika ao Vietnam
Tokony hihevitra ny vehivavy fa "ny tolona ataontsika dia tsy hanoherana fotsiny ny jadona...fa koa tolona iray hanafahantsika ny tenantsika hiala amin'ireo teritery ara-potokevitra ananantsika, hiala amin'ireo fitsaratsaram-poana izay isika ihany no mametraka azy ho antsika."
Fanavaozam-baovao avy amin'ny fivorian'ny ekipa foibe GV
Tamin'ny herinandro lasa tamin'ny volana Aprily, nanokana fotoana vitsivitsy ny ekipa foibe GV hanaovana fivoriana virtoaly, namela ny adidinay mahazatra mba hifantoka amin'ny lohahevitra lehibe momba ny fandaminana.
Manambara ny fitokonany tsy hihinan-kanina ilay mpikatroka feminisita Rosiana Yulia Tsvetkova
Nangataka fitsarana haingana, nanoratra i Tsvetkova hoe: "Andao hatsahatra ny fiandrasana ireo olona enjehina ho mahery fo. Tsy mila mahery fo isika, Mila misoroka ny fanenjehana ny tsy manan-tsiny isika."
Mivantana ny 20 May : Izay ambaran'ny Eurovision amintsika momba an'i Eorôpa
Inona no ambaran'ilay Fifaninanana Hira Eurovision momba ny pôlitika, ny sary omeny ny tenany ary ny soatoavin'i Eorôpa? Miaraha aminay amin'ny 20 May hahitanareo azy. Anasongadinana ireo antsafa nifanaovana tamina mpifanintsana roa amin'ny andiany ho an'ity taona ity!
Polisy ao Amerika Latina: mitifitra hamono, lova navelan'ny fakàna tàhaka ny fiainana miaramila
Taorian'ireo andiana fihoaram-pefy, takian'ny vahoaka ny hisian'ny fanaovaozana. Afaka hiala amin'ny kolontsaina efa nifàka lalina nakàny tàhaka ny fomban'ny miaramila ve ny pôlisy ao Amerika Latina?
Mpikatrok'i Hong Kong nodidiana higadra noho ny fiaraha-mahatsiaro tamin'ny taona 2020 ny famonoana tao an-kianjan'ny Tiananmen
Nivory hahatsiarovana ny famonoana teo an-kianjan'ny Tiananmen tamin'ny 4 jona ny Hongkongers hatramin'ny taona 1990. Manamarika ny didim-pitsarana fa izay rehetra mbola mandray anjara amin'ny fiaraha-mahatsiaro amin'ity taona ity dia mety hoampangaina ho nanao fivoriana tsy araka ny lalàna.
Mitady soba toniandahatsoratra miteny anglisy any Azia-Pasifika ny Global Voices
Mitady toniandahatsoratra mpanampy hiasa any Azia-Pasifika hisahana ny famoahana tantara nosoratana na nadikan'ny mpandray anjara amin'ny teny Anglisy ny Global Voices (GV). GV stories focus on topics such as internet culture, freedom of speech online, technology and digital rights, human rights, civics and political movements, diversity and representation, and...