Mitady Toniandahatsoratra mpiara-miasa ny Global Voices

Pikantsary avy amin'ny horonantsary nalaina tamin'ny 25 Janoary 2015, tamin'ny Vovonana Global Voices 2015 tany Cebu, Filipina. Lahatsary avy amin'ny Global Voices sy PR Works.

Mitady Toniandahatsoratra mpiara-miasa ny Global Voices (GV), hanampy ny ekipa mpamoaka lahatsoratra Global Voices sy ny vondrom-piarahamonina mpandray anjara mpilatsaka an-tsitrapo, miara-miasa akaiky amin'ny lehiben'ny famoahan-dahatsoratra hamokatra tantara sy hanampy amin'ny famoahan-dahatsoratra momba ny tetikasa manokana mifanaraka amin'ny tanjonay sy irakay.

Ny tantaran'ny GV dia mifantoka amin'ny lohahevitra toy ny kolotsain'aterineto, fahalalahana miteny anjotra, ny teknolojia sy ny zo nomerika, ny ​​zon'olombelona, ​​ny hetsika sivika sy politika, ny fahasamihafana sy ny fisoloantena ary ny fimaroana amin'ny fiteny.

Mpilatsaka an-tsitrapo ny ankamaroan'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ary mety tsy ny teny Anglisy no fitenin'izy ireo. Anisan'ireo mpandray anjara ny mpanao gazety, mpisolo vava, mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, dokotera, mpahay siansa, mpandika teny ary ny asa maro hafa, ary ireo fampitam-baovao mpiara-miasa amin'ny GV ihany koa.

Ny andraikitry ny toniandahatsoratra mpiara-miasa: 

  • Fanitsiana ireo tantara nosoratan'ireo mpandray anjara mba havoaka ho an'ny mpamaky manerantany, ary miantoka ny famoahana azy ireo ara-potoana sy ny fahamarinany ao amin'ny tranokalan'ny Global Voices
  •  Fitantanana ny votoatin'ny tranokala 
  • Fampiatiana amim-pitandremana ny tambajotra sosialy amin'ny ambaratonga rehetra amin'ny famokarana tantara sy fampiroboroboana
  • Manome fanohanana, fampaherezana ary fidiram-bola ho an'ny mpandray anjara tsy tapaka
  • Mikojakoja ny Torolàlana Endrika Amantarana ny Global Voices sy ny fitaovam-piofanana hafa
  • Fitantanana ny efitrano famoaham-baovao, ao anatin'izany ny fitantanana ny ekipa soba tonian-dahatsoratra
  • Mampivelatra ny fiaraha-miasa amin'ny fampitam-baovao
  • Mandray anjara amin'ny tatitra anatiny sy ivelany
  • Mandrindra ny ezaka miaraka amin'ireo fizarana hafa ato amin'ny Global Voices
  • Famoronana sy fitantanana tetikasa famoahan-dahatsoratra
  • Fanitsiana sy famoahana votoaty hafa toy ny webinar sy rakipeo
  • Mandray anjara amin'ny hetsika fifandraisana eo amin'ny vondrom-piarahamonina sy ivelany
  • Mandray anjara amin'ny hetsika fiarovana sy azo antoka
  • Mandray anjara amin'ny fivorian'ny mpamoaka lahatsoratra virtoaly isa-kerinandro
  • Miasa mifanaraka amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices sy ny torolàlana momba famoahan-dahatsoratra, ny iraka ary ny kolontsaina

 

Ireo kandida mahomby amin'ny lahasa dia:

  • Mahafehy ny teny Anglisy tsara
  • Manana fahaiza-manao amin'ny fanitsiana lahatsoratra sy amin'ny fanitsiana vaovao amin'ny teny Anglisy
  • Mahay mandanjalanja ny fanitsiana lahatsoratra ho an'ny mpamaky manerantany
  • Mahay mandahan-teny
  • Vonona amin'ny fanitsiana ny asan'ireo mpanoratra tsy mbola za-draharaha
  • Mahay miara-miasa amin'ny olon-kafa ao anatin'ny tontolon'asa virtoaly voarindra malalaka sy virtoaly feno
  • Manaja ny fe-potoana
  • Manana fahaizana ambony momba ny solosaina
  • Manana fifandraisana amin'ny aterineto misosa tsara
  • Manana fanoloran-tena matanjaka amin'ny iraka sy ny soatoavina Global Voices.

Ireo kandida hofidina: 

  • Manam-pahaizana manokana momba ny zo nomerika, ny fahalalaham-pitenenana, ary ny olana sy ny fahavitrihana mifandraika amin'ny fikatrohana
  • Manana fahaiza-manao amin'ny tambajotra sosialy
  • Manana fahaiza-mitantana tetikasa
  • Manana fahaizana miasa na matihanina amin'ny fiteny hafa, indrindra ny Frantsay na Paortiogey
  • Manana traikefa amin'ny fanangonam-bola

Fikambanana manerantany virtoaly ny Global Voices. Ny ekipan'ny toniandahatsoratra miasa tapak'andro no maotera mampihodina ny efitrano famoaham-baovao Global Voices izay miara-miasa amin'ireo mpandray anjara sy mpandika teny mpilatsaka an-tsitrapo eran'izao tontolo izao mba hanasongadinana ireo tantara sy fomba fijery izay tsy aseho amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra iraisam-pirenena.

Misy fepetra ara-jeografika mifandraika amin'ity tolotrasa ity. Aza hadinoina fa tsy manana birao na foibe hita maso ny Global Voices. Tokony mahay mandamina tsara ny fandaharam-potoanan'izy ireo manokana ary miasa amin'ny tontolo virtoaly feno sy vonona ny hanao dia iraisam-pirenena ireo kandida.

Raisinay antanandroa ny kandida avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana ary mandrisika ny olona mpandray anjara ao amin'ny tetikasa Global Voices izahay mba handray anjara.

Antenaina hiasa tapak'andro araka izay ora maha-mety azy ny toniandahatsoratra mpiara-miasa, ary horaisina ho toy ny mpiasa tsy miankina.

Raha handray anjara:

Mandefasa CV amin'ny mailaka sy taratasy filazalazana ny fahavitrihanao amin'ny teny Anglisy izay manasongadina ny asanao ary manazava ny antony mahatonga anao ho ilay kandida mendrika hiasa ato amin'ny Global Voices amin'ny jobs@globalvoices.org, miaraka amin'ny lohahevitra: Global Voices Associate Editor: [ny anaranao]. Amin'ny 11:59 ora alina ora ATSINANANA (GMT -4) ny 31 Mey 2021 ny fe-potoana farany fandraisana anjara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.