Mivantana ny 20 May : Izay ambaran'ny Eurovision amintsika momba an'i Eorôpa

Ho an'ny maro ao Eorôpa sy any lavitra, manana sata toy ny fivavahana ny  Fifaninanana Hira Eurovision, toy ny hoe fombafomba fanao isantaona, matetika mifamory anaty vondrona ireo mpankafy mba hijery ny famaranana. Ho an'ny hafa, dia hetsika tsy milamina izy io, lava loatra, izay taorian'ny 65 taona, nihoatra noho izay nandraisana azy.

Fa na tianareo na tsia, tsy isalasalàna fa ny Eurovision—sy ireo fanehoankevitra aterany—dia manome fitaratra mandresy lahatra itarafana an'ilay Eorôpa amin'izao andro izao, ny politikany, ny sary omeny ny tenany ary izay ambara fa soatoaviny.

Miaraha aminay amin'ny 30 May amin'ny 5:ora hariva GMT, hanaraka ny ampahany farany amin'ny Global Voices Insights, andiana kaonferansa anaty tambajotra, ahitana ny tomponandraikitry ny fanoratana ny Global Voices, Filip Noubel sy ny toniandahatsoratry ny faritra Eorôpa Atsinanana, Tanya Lokot ary ny toniandahatsoratra ao Eorôpa Afovoany, Filip Stojanovski hiresadresaka momba ny Eurovision amin'ny maha-hetsika ara-kolontsaina sy politika azy.

Asongadin'ilay ampahany ihany koa ireo antsafa niarahana manokana tamin'ireo artista roa hiakatra an-tsehatra ao Rotterdam amin'ny 22 May, amin'ny maha-mpifanintsana an-dry zareo ao anatin'ny Eurovision 2021: Benny Cristo, hisolo tena ny Repoblika Tseky, sy i Vasil, hisolo tena an'i North Makedônia Avaratra.

Maimaimpoana io fotoana io ary misokatra ho an'ny daholobe, ary hisy ny fandefasana mivantana amin'ny Facebook Live, YouTube sy Twitch

Miandrandra ny hahita anareo hanjohy anay izahay ny 20 May, 5 ora hariva GMT (potsiro ity rohy ity hamadihana azy ho oran'ny faritra misy anareo)!

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.