Fanavaozam-baovao avy amin'ny fivorian'ny ekipa foibe GV

Araka ny fantatry ny maro aminareo, tao anatin'ny folo taona, nanao fivoriana isa-taona mba handinihana ny asantsika, hijerena indray ireo paikady sy ny drafitra hoavy ny ekipa foibe.

Matetika izahay no nanao an'ireny fivoriana ireny niaraka tamin'ny Vovonana na ny fihaonambe hafa, nanararaotra ny fahafahana nihaona tamin'ny toerana iray. Tsy afaka nifankahita ny ekipa nandritra ny fotoana ela noho ny COVID-19, koa nisy ny fahatarana tamin'ny fivorianay.

Tamin'ny herinandro farany volana Aprily, noho izany dia nanokana ora vitsivitsy isan'andro izahay nanao fivoriana virtoaly, namela ny adidinay mahazatra mba hifantoka amin'ny lohahevitra lehibe momba ny fandaminana.

Faly izahay milaza fa tena tsara toerana ny Global Voices amin'izao fotoana izao. Betsaka ny fanovana izay napetrakay taorian'ny Filankevitry ny Vondrom-piarahamonina 2018 no nanomboka nahitam-bokany: matanjaka ny fifamoivoizana, voarafitra kokoa ny dingana amin'ny famoahan-dahatsoratra, ary afaka manome, araka ny fanirian'ny filankevitry ny vondrom-piarahamonina tsirairay, ny fahafahana vaovao handray anjara amin'ny fikarohana, ny fanoratana lalina sy ny fanaovana tatitra ary ny fiofanana sy fanabeazana sasany.

Manana loharanom-bola vaovao marobe ihany koa isika avy amin'ny famatsiam-bola vaovao izay manampy amin'ny fanamafisana ny fijoroantsika amin'ny maha-fikambanana antsika, na dia ao anatin'ny valan'aretina manerantany aza. Ahitana fanomezana manokana sy mitambatra, asa mifandraika amin'ny iraka, ary fanampiana ara-bola vaovao, avy amin'ny mpamatsy vola toy ny MacArthur Foundation, National Endowment for Democracy, UNESCO, ary Facebook (ho fanomezana) ireo famatsiam-bola ireo.

Nandritra ny fivoriana, nifanakalo hevitra momba ny drafitra sy ny tanjona mandritra ny taona izahay, na isan-toko na amin'ny ankapobeny, ary nanomboka nametraka ireo singa amin'ny paikadintsika mandritra ny fotoana tapatapany manaraka ihany koa. Ireto ny hetsika sy ny drafitra hoavy amin'ity taona ity:

  • Miroso sy manitatra ireo tetikasan'ny famoahan-dahatsoratray vaovao, toy ny GV Insights, ny seminera an-tserasera tsy tapaka, ary ny fotoana ahafahana manao tatitra lalina, toy ny asantsika momba ny zo nomerika any Afrika sy ny fitantarantsika ny hery malefaka Shinoa
  • Manangana hetsika vaovao mandavataona momba ny fanaraha-maso henjana ara-tambajotra sy nomerika, miaraka amin'ny famatsiam-bola avy amin'ny Deutsche Welle Akademie, eo ambanin'ny Advox (tsy ho ela ny mombamomba izany bebe kokoa!)
  • Fitadiavana mpitarika vaovao ho an'ny Advox, amin'ny volana Mey
  • Manohana ireo tetikasa Rising Voices vaovao maro izay mifantoka amin'ny fananganana ny tambajotran'ireo mpikatroka miasa amin'ny olan'ny fananan-jon'ireo vitsy an'isa sy ireo mpikatroka teny indizeny
  • Mametraka ny drafi-panitaran'ny Civic Media Observatory, ao anatin'izany ny fampahitana bebe kokoa an'ilay tetikasa amin'ny fahamatorany, ary mamolavola ny tetikasa-pikarohana sy ny firenena vaovao aoriana kely ao amin'ity taona ity
  • Fanovana ny endri-pejin'ny tranonkala, mba hanafainganana azy kokoa, ho mora vakiana bebe kokoa ary mba hahamora kokoa ny fikorisana aminy
  • Manatsara ny fizotry ny filankevitry ny vondrom-piarahamonina mba handraisany andraikitra misimisy kokoa sy mba hifanaraka amin'ny tanjona tratrarina
  • Manavatsava ireo karazana fampidirana mpikambana hafa ao amin'ny GV (ao anatin'izany dingana izany ny fitsapana ny hevitry ny mpamaky izay natombokay amin'ny endrika tranonkala mipoitra ankilany sy amin'ny taratasim-baovaontsika)

Aza misalasala manontany momba ireo voalaza etsy ambony ireo, na mifandraisa amin'izay olona ao amin'ny ekipa foibe hahafantarana bebe kokoa momba ireo lohahevitra na olana eo amin'ny fandaminana.

Misaotra hatrany amin'ny andraikitrareo, ny fahaliananareo, ny asanareo ary ny fanolorantenanareo!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.