Mitady soba toniandahatsoratra miteny anglisy any Azia-Pasifika ny Global Voices

 

Pikantsary avy amin'ny horonantsary nalaina tamin'ny 25 Janoary 2015, tamin'ny Vovonana  Global Voices 2015 tany Cebu, Filipina. Lahatsary avy amin'ny Global Voices sy PR Works.

Mitady toniandahatsoratra mpanampy hiasa any Azia-Pasifika hisahana ny famoahana tantara nosoratana na nadikan'ny mpandray anjara amin'ny teny Anglisy ny Global Voices (GV).

GV stories focus on topics such as internet culture, freedom of speech online, technology and digital rights, human rights, civics and political movements, diversity and representation, and language diversity.

Ny tantaran'ny GV dia mifantoka amin'ny lohahevitra toy ny kolotsain'aterineto, fahalalahana miteny anjotra, ny teknolojia sy ny zo nomerika, ny ​​zon'olombelona, ​​ny hetsika sivika sy politika, ny fahasamihafana sy ny fisoloantena ary ny fimaroana amin'ny fiteny.

Mpilatsaka an-tsitrapo ny ankamaroan'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ary mety tsy ny teny Anglisy no fitenin'izy ireo. Anisan'ireo mpandray anjara ny mpanao gazety, mpisolo vava, mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, dokotera, mpahay siansa, mpandika teny ary ny asa maro hafa, ary ireo fampitam-baovao mpiara-miasa amin'ny GV ihany koa.

Ny andraikitry ny soba toniandahatsoratra:

  • Manitsy ny tantara nosoratan'ireo mpandray anjara mba hamoahana izany ho an'ny mpamaky manerantany. Matetika ny toniam-paritra mahalala tsara ny lohahevitra sy ny zavamisy no manitsy voalohany ny tantara.
  • Mandray anjara amin'ny fivorian'ny mpamoaka lahatsoratra virtoaly isa-kerinandro
  • Miasa mifanaraka amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices sy ny torolàlana momba famoahan-dahatsoratra, ny iraka ary ny kolontsaina

Ireo kandida mahomby amin'ny lahasa dia:

  • Mahay miteny Anglisy tsara na manana fahaizana miteny Anglisy tsara
  • Manana traikefa amin'ny fanitsiana lahatsoratra sy vaovao amin'ny teny Anglisy
  • Mahay mandanjalanja ny fanitsiana lahatsoratra ho an'ny mpamaky manerantany
  • Mahay mandaha-teny
  • Mahay miara-miasa amin'ny olon-kafa ao anatin'ny tontolon'asa virtoaly voarindra malalaka sy virtoaly feno
  • Manaja ny fe-potoana
  • Manana fahaizana ambony momba ny solosaina
  • Manana fifandraisana amin'ny aterineto mizotra tsara
  • Vonona hiara-hiasa amin'ny GV 15-20 ora isa-kerinandro
  • Manana fanoloran-tena matanjaka amin'ny iraka sy ny soatoavina Global Voices.

Ireo kandida hofidina:

  • Manam-pahaizana manokana momba ny zo nomerika, ny fahalalaham-pitenenana, ary ny olana sy ny fahavitrihana mifandraika amin'ny fikatrohana
  • Manana fahaiza-manao amin'ny tambajotra sosialy
  • Manana fahaizana miasa na matihanina amin'ny fiteny hafa, indrindra ny Shinoa

Fikambanana manerantany virtoaly ny Global Voices. Ny ekipan'ny toniandahatsoratra miasa tapak'andro no motera mampihodina ny efitrano famoaham-baovao Global Voices izay miara-miasa amin'ireo mpandray anjara sy mpandika teny mpilatsaka an-tsitrapo eran'izao tontolo izao mba hanasongadinana ireo tantara sy fomba fijery izay tsy aseho amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra iraisam-pirenena.

Mifanaraka amin'ny oran'ny faritra eo anelanelan'ny UTC / GMT + 3 sy UTC / GMT + 10 ny fepetra ara-jeografika mifandraika amin'ity tolotrasa ity ankehitriny sy amin'ny hoavy. Aza hadinoina fa tsy manana birao na foibe hita maso ny Global Voices. Tokony mahay mandamina tsara ny fandaharam-potoanan'izy ireo manokana ary miasa amin'ny tontolo virtoaly feno sy vonona ny hanao dia iraisam-pirenena ireo kandida.

Raisinay antanandroa ny kandida avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana ary mandrisika ny olona mpandray anjara ao amin'ny tetikasa Global Voices izahay mba handray anjara.

Antenaina hiasa tapak'andro araka izay ora maha-mety azy ny toniandahatsoratra mpanampy, ary horaisina ho toy ny mpiasa tsy miankina.

Raha handray anjara:

Mandefasa CV amin'ny mailaka sy taratasy filazalazana ny fahavitrihanao amin'ny teny Anglisy izay manasongadina ny asanao ary manazava ny antony mahatonga anao ho ilay kandida mendrika hiasa ato amin'ny Global Voices amin'ny jobs@globalvoices.org, miaraka amin'ny lohahevitra: Global Voices Subeditor: [ny anaranao]. Amin'ny 11:59 ora alina ora ATSINANANA (GMT -4) ny 31 Mey 2021 ny fe-potoana farany fandraisana anjara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.