Shina: Hetsi-panoherana vahiny maromaro, notohanan'ny fitaovana 2.0

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Iray amin'ny (angamba) lahatsoratra farany momba ny hetsi-panoherana alohan'ny hiverenantsika indray amin'ny lohahevitra eto; ny voalohany dia ny solon'anaran'ny mpiady anaty akata Eksodosy 8: 1 ilay iraka nataon'ny mpikatroka Kristiana Eddie ‘iamgadfly’ Romero ho an'ny zon'olombelona tao Shina izay nahitana azy nandoko ny rindrina tamin'ny sary hosodoko farafahakeliny tamin'ireo efitra 2 tao amin'ny hotely mihaja ao Beijing ary avy eo dia lasa niafina izy. Mbola nandefa sioka izy, na izany aza, ary nandefa lahatsary tao amin'ny YouTube .

Ary androany (09/08/2008), nalefan'ilay bilaogera mpitati-baovao be herimpo @noneck mivantana tao amin'ny Qik.com ny hetsi-panoherana iray nataon'ireo vondrona mpikatroka Amerikana Afaho Tibet ; nalefa ny lahatsary fanampiny rehefa navoaka izany:

Tao anatin'ny ora iray latsaka dia efa niseho ny sioka farany avy amin'i @noneck (na i Noel Hidalgo) ; ity ny horonantsary izay notononiny [rohy efa maty] :

Nahita lahatsary mahavariana tamin'ny hetsi-panoherana hitako tany an-kianja aho. Ny sary dia nalain'ilay mpaka sary avy ao amin'ny CBC izay nangalarin'ny polisy ny pasipaorony

Nanao toy izany ihany koa tamin'ny taon-dasa (2007) i Lhadon Tethong avy ao amin'ny Mpianatra ho an'ny Afaho Tibet rehefa niditra ‘an-tsokosoko’ ihany koa izy ary niafina tamin'ny manampahefana Shinoa raha mbola nitantara mivantana tamin'ny alàlan'ny bilaogin-dahatsary ny fangatahany mba hisarihana ny sain'ny filohan'ny Komitin'ny Lalao Olaimpika Jacques Rogge.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.