Syria: Voasazy higadra telo taona any am-ponja ilay bilaogera Kareem Arbaji

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2009)
Kareem_Arbaji

Ny 13 Septambra 2009, nosazian'ny Fitsarana Ambony misahana ny Fiarovam-pirenena Syriana higadra telo taona an-tranomaizina ilay tanora bilaogera Kareem Arbaji noho ny “famoahana vaovao diso mety hamparefo ny herintsain'ny firenena”, araka ny andininy faha # 286 amin'ny fehezan-dalàna famaizana Syriana.

Nogadrain'ny sampan-draharahan'ny fitsikilovana miaramila efa ho roa taona nanomboka tamin'ny 7 Jiona 2007 i Kareem Arbaji, 30 taona, manam-pahaizana momba ny toekarena.

Nanambara ny Human Rights Reports fa nampijaliana nandritra ny fitazonana azy i Arbaji:

Kareem Arbaji was detained before being tried, he received a cruel and disproportionate sentence even if he was convicted. He was tortured during investigations and ill treated for more than two years in prison.

Nogadraina talohan'ny nitsarana azy i Kareem Arbaji, nahazo sazy henjana sy tsy mifandanja izy na dia voaheloka aza. Nampijaliana nandritra ny fanadihadiana izy ary nampijaliana nandritra ny roa taona mahery tany am-ponja.

Azo heverina fa nosamborina, nogadraina ary avy eo nosaziana noho ny fanehoan-kevitra nataony tao amin'ny sehatra fifanakalozan-dresaka Syriana voaràra, Akhawiya, izay tantaniny miaraka amin'ny mpikambana hafa i Arbaji. Nanangana pejy ireo mpikambana ao amin'ny seha-pifaneraserana mba hanomezam-boninahitra sy hanohanana ny naman'izy ireo any am-ponja. Natsangana vao haingana ihany koa ny vondrona Facebook ho fanohanana ilay bilaogera nogadraina. Bilaogera Syriana maro no naneho ny hatezeran'izy ireo tamin'ny didim-pitsarana. Namoaka fanambarana miampanga ny sazin'i Kareem ihany koa ny Ligy Arabon'ny Bilaogera

Ity manaraka ity ny ampahany amin'ny tatitra avy amin'ny tambajotra Arabo misahana ny zon'olombelona (ANHRI) mikasika ny fanapahan-kevitry ny fitsarana Syriana hanasazy an'i Kareem Arbaji:

ANHRI requests the Syrian government to immediately release Kareem Arbaji and all prisoners of conscience in Syrian dungeons, to abolish arbitrary detention policy and stop the security interference in judiciary affairs.

ANHRI asserts that the charge against Arbaji is a false one , only used as a pretext to inhibit freedom of expression and repress activists.

ANHRI also urges the Syrian government to eliminate the state security court as it is a stain to the Syrian justice.

Mitaky amin'ny governemanta Syriana ny ANHRI mba hamotsotra tsy misy hatak'andro an'i Kareem Arbaji sy ireo gadra rehetra noho ny fanehoan-kevitra any amin'ny fonja Syriana, sy hanafoanana ny politika fanagadrana fahatany ary hampiato ny fitsabahan'ny tafika amin'ny raharaham-pitsarana.

Manamafy ny ANHRI fa diso ny fiampangana an'i Arbaji, izay ampiasaina fotsiny mba hanakanana ny fahalalaham-pitenenana sy hamaizana ireo mpikatroka

Mandrisika ny governemanta Syriana ihany koa ny ANHRI mba hanafoana ny fitsarana momba ny fiarovam-panjakana satria mandoto ny endriky ny fitsarana Syriana izany..

Nanatevin-daharana ny antson'ny ANHR hamotsotra ity bilaogera nogadraina ity ireo Syriana maromaro sy fikambanana miaro ny zon’ olombelona hafa ary tranonkala maromaro.

Tsara ny manamarika fa ankoatra an'i Kareem Arbaji, dia efa nanasazy bilaogera Syriana marobe tany am-ponja ny manampahefana Syriana. Tamin'ny 11-5-2008, namoaka ny didim-pitsarany mikasika ilay bilaogera Tariq Biasi izay notazonina am-ponja nanomboka ny 7-7-2007 ny Fitsarana misahana ny Fiarovam-pirenena ao Damaskaosy.

syrian_bloggers
Nosamborina, nosaziana noho ny fanehoan-kevitr'izy ireo tao amin'ny bilaogy na forum antserasera, indrindra tao amin'ny bilaogy syriandomari sy Akhawiya i Tariq al-Ghorani (1985, injeniera lefitra) – Maher Ibrahim Esber (1980, tomponà fivarotana) – Husam Melhem (1985, mpianatra lalàna) – Omar al-Abdullah (1985, mpianatra filôzôfia) – Diab Siriyyeh (1985, mpianatra) – Ayham Saqer (1975, miasa amin'ny trano fikolokoloana tarehy) – Allam Fakhour (1979, mpianatra ao amin'ny Sampana Zava-kanto – sy Sary sokitra) .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.