Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Janoary, 2019

Tantara tamin'ny Janoary, 2019

30 Janoary 2019

Shina: Adiny iray taorian'izay, nisy naka izy

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Fisamborana bilaogera iray hafa, kisendrasendra fotsiny tamin'ity indray mitoraka ity no nahitanay izany. Andro vitsivitsy taorian'ny famaranana ny WordCamp China 2008, tao Beijing i Wen Yunchao, ilay olon-tsotra mpitati-baovao sady toniandahatsoratry ny tranonkala iray ary namoaka ny lahatsoratra hoe ‘Adiny iray taorian'izay,...

Iran: tranonkala iray mpandala ny nentin-drazana voabahana (namoaka diplaoma sandoka an'ny minisitra iray)

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Voasivana ny Alef, tranonkala Iraniana iray mpandala ny nentin-drazana andro vitsy lasa izay (Aogositra 2008). Tranonkala sy bilaogy maro no nitatitra fa namoaka ny mari-pahaiza (Ph.D) “sandoka” avy any Oxford an'ny Minisitry ny Atitany Iraniana ny Alef ary nahitana...

Iran: Hampiofanina ireo manampahefana ambony misahana ny aterineto hiadiany amin'ny fikatrohana antserasera

GV Mpisolovava

Vao haingana ny Minisiteran'ny Fitsikilovana ao amin'ny Repoblika Islamika an'i Iran no nanambara fa raha te-hanohitra ny fikatrohana amin'ny aterineto ao Iran, dia hampiofanina ireo manamboninahitra ambony.

Mampahafantatra an'i “Whose Knowledge?”: Ahoana no haha-mpiaradia sy ho vahiny mahafinaritra

Rising Voices

Ahoana no ahafahanao ho vahiny mahafinaritra ao amin'ny vondrom-piarahamonina vazimba teratany, sy ho mpiara-dia matanjaka ho an'ny fiarahamonina atao an-jorom-bala mamondrona ny fahalalan'izy ireo antserasera? Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny fahefantsika sy ny tombondahintsika hikarakarana ny hafa?

29 Janoary 2019

Macau: Fibahanana ara-politika

GV Mpisolovava

Nahita ireo mpiserasera aterineto avy any Macau fa namelona ny rafitra fanivanana miankina amin'ny voambolana lehibe ny sehatra fifanakalozan-kevitra lehibe indrindra ao Macau, cyberctm ary nanaisotra ny teny hoe "Lehiben'ny mpanatanteraka" sy ny solony "Lehiben'ny Mpangalatra"

Ny tantaran'ny Biryani : Ny Biryani ve no sakafom-pirenena any Pakistana?

Azo heverina ho toy ny mpanjakan'ny lakozia any Azia Atsimo ny Biriyani kanefa izany ve no sakafom-pirenena ao Pakistana?

Fantaro i Ruben Hilari Quispe, mpampiatrano ny kaonty Twitter @ActLenguas manomboka ny 28 Janoary ka hatramin'ny 3 Febroary 2019

Rising Voices

Fantaro bebe kokoa ny momba an'i Ruben Hilari Quispe izay mitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 28 Janoary 28-3 Febroary 2019 ao amin'ny fanentanana amin'ny media sosialy mifantoka amin'ny fimaroana ara-pîtenenana antserasera.

Torolàlana Hiantohana ny Fiarovana / Fahatoniana Niomerika ho an'ireo Afrikàna Mpiaro Tontolo Iainana

GV Mpisolovava

Ho an'ny tolona ataon-dry zareo, efa miha-miditra amin'ny fampiasàna fitaovam-pifandraisana niomerika ireo mpiaro tontolo iainana ao Afrika. Saingy vao mainka izy ireo lasa lasibatry ny fanafihana an-tserasera sy ny faneriterena ara-bàtana. Inty ny taridàlana iray ho fampianarana azy ireo hiaro ny fiainany an-tserasera sy eny anivon'ny fiarahamonina.

Nahoana no mbola monina any amin'ny hotely foana ireo Armeniana nifindra monina, 30 taona taorian'ny nandosirany an'i Azerbaijan?

"Nolazaina anay isan-taona fa homena trano izahay amin'ny herintaona."

Voaheloka 3 taona sy tapany an-tranomaizina i Hu Jia 

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Rehefa nigadra nandritra ny efa-bolana tany am-ponja ilay bilaogera monina ao Beijing, Hu Jia dia voaheloka higadra 3 taona sy tapany an-tranomaizina noho ny “fanozongozonana ny fanjakàna”, izay heverin'ny mpisolovavany Li Fangping fa ” mety hisarika tsikera maro iraisampirenena momba...