Nahena ho 20 taona ny sazin'i Sayed Pervez Kambakhsh

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Farafaharatsiny aloha mba tsy fanamelohana ho faty :

An Afghan appeals court overturned a death sentence Tuesday for a journalism student accused of blasphemy for asking questions in class about women's rights under Islam. But the judges still sentenced him to 20 years in prison.

The case against 24-year-old Parwez Kambakhsh, whose brother has angered Afghan warlords with his own writing, has come to symbolize Afghanistan's slide toward an ultraconservative view on religious and individual freedoms.

Nofoanan'ny fitsarana avo Afghana ny fanamelohana ho faty ho an'ilay mpianatry ny asa fanaovan-gazety izay voampanga ho nanao fanevatevana noho ny fametrahana fanontaniana tao am-pianarana momba ny zon'ny vehivavy eo ambanin'ny finoana Islamo. Saingy mbola nanameloka azy hisazy 20 taona an-tranomaizina ireo mpitsara.

Nanamarika ny fironan'i Afghanistana mankany amin'ny fomba fijery tena mpandala ny nentin-drazana hiringiriny momba ny finoana sy ny fahalalahana ho an'ny tsirairay ny raharaha hanenjehana an'i Parwez Kambakhsh, 24 taona, izay nanana rahalahy nampahatezitra ny andriamanitry ny ady Afghana tamin'ny alàlan'ny asa soratra nataony.

Farafahakeliny olona iray nijoro vavolombelona no nilaza fa norahonana izy tamin'ny fijoroana vavolombelona sandoka manohitra an'i Kambakhsh tamin'ny fitsarana voalohany tamin'ny volana Janoary 2008. Amin'izao fotoana izao (Oktobra 2008), i Kambakhsh, 24 taona, dia handany 20 taona ao amin'ny fonja malaza ratsin'i Pul-i Charkhi noho ny heloka bevava “nanontany momba ny finoana Islamo”.

Ny fonja Pul-i Charkhi, eo atsinanan'i Kabul ao amin'ny Google Map ato

Notantaraina teto amin'ny Global Voices [mg] sy Global Voices Advocacy teo aloha ny raharahan'i Kambakhsh .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.