Bilaogera Ejipsiana nampandoavana onitra goavana noho ny fitantarana ny loto ara-tontolo iainana

tamer-mabrouk.jpg

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana 2009)

Voasazy omaly ilay bilaogera Ejipsiana Tamer Mabrouk, tsy voasazy higadra any am-ponja fa voasazy handoa onitra L.E. 2500 (446 dolara Amerikana, ary fanarenana sivily L.E. 40.000 (7272 dolara). Noamifisin'ny Fitsarana Ambony any Port Said (Lakandranon'i Suez) ny fanapaha-kevitra hanasazy ny bilaogy Al-Hakika Al-Mesreyya (Ny Fahamarinana Ejipsiana) hampandoa onitra ho an'ny Trust Chemical inc, izay nametraka fitoriana an'i Mabrouk tamin'ny volana Jiona 2008 noho ny fanalam-baraka sy Fanendrikendrehana.

Navoakan'i Mabrouk tao amin'ny bilaoginy fa manary vokatra simika ao amin'ny Farihy Manzallah sy ny Lakan-drano Suez ny Trust Chemical, izay misy fiantraikany ratsy amin'ny rano sy trondro. Mametraka soritra ao amin'ny bilaoginy miantso ny mpitsidika mba hiara-hijoro manoloana io orinasa io, izay mandoto ny tontolo iainana izy. Nitatitra momba ny fepetra henjana mifehy ny asa ao amin'io orinasa io ihany koa i Mabrouk.

Ity sazy ity no raharaha faharoa manasazy bilaogera noho ny zavatra nosoratany tao amin'ny aterineto ao Ejipta. Ny tranga voalohany dia ilay bilaogera Kareem Amer, izay nigadra 4 taona noho ny famoahana lahatsoratra manohitra ny finoana silamo sy manevateva ny filoha Ejiptiana Hosni Mubarak tao amin'ny bilaoginy.

Naneho mafy ny fanamelohan'izy ireo ny fitsipika tao anatina fanambarana an-gazety niaraha-natao ny Tambajotra arabo misahana ny vaovaon'ny zon'olombelona sy ny fikambanana Mosawah ho an'ny zon'olombelona ao Port Said, nanatsonga ny tenin'ilay bilaogera voampanga:

Tamer Mabrouk received a harsh and unjust sentence, said: “I will continue what I started, and will not stand helpless in front of the influence of this company which threatens our lives and suppresses its workers

Nahazo sazy henjana sy tsy ara-drariny i Tamer Mabrouk, ary nilaza hoe: “Hanohy izay natomboko aho, fa tsy hangina fotsiny manoloana ny herin'ity orinasa ity izay mandrahona ny fiainanay sy mampijaly ny mpiasany”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.