Tantara tamin'ny 18 Oktobra 2018
Shina: Niharan'ny tsikera Shinoa ny Tafika Antserasera Iraniana
Nitazona ny tontolon'ny twitter Shinoa hitabataba saika nandritra tontolo andron'ny talata ny fanafihan'ny Tafika Antserasera Iraniana ny mili-pikarohana lehibe indrindra Baidu.
Ry GV, ny vaovaon'ny iSummit
Ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices, Renata Avila, dia nandefa ity karatra paositaly bilaogy ity avy amin'ny iSummit tany Kroasia, izay nampifandray ny vondrom-piarahamonina manerantany, miara-miasa mba hananganana ny vondrom-piarahamonin'ny fahafahana - mba hamoronana, mba ho ampiasana , mba hizarana."
Iraka/Arabia Saodita: Adin'ny mpitondra fivavahana
Nanomboka izany rehetra izany rehefa nanafika ny Shiita Irakiana Grand Ayatollah Ali Al-Sistani tamin'ny vavaka Zoma ny mpitondra fivavahana Saodiana Sonita Mohammad al-Ureifi.
Fitetezana bilaogy manerantany isaky ny alarobia (jona 2006)
Manana sary avy ao amin'ny tranoben'ny Fitsarana Tampony ao Bishkek, Kirghizistan i Nathan ao Registan, izay olona an-jatony no nanafika ny tranobe mba handroaka ireo mpanao fihetsiketsehana izay nibodo ny trano hatramin'ny volana Aprily. (Nitaky ny fialàn'ireo manampahefana rehetra notendren'ny filoha teo aloha Akayev ireo mpanao fihetsiketsehana.)
Vaovao misimisy kokoa momba ny fihaonambe “iSummit Dubrovnik 2007″
Fomba iray mahaliana hamondronana vaovao vaovao sy maharaka izay lazaina amin'ireo lohahevi-dehibe, toy ny hoavin'ny "Commons", ireo "vondrom-piarahamonina", ary ny fomba fampitana izany ho an'ireo izay manandanja izany hoavy izany, dia hoan'ny ny kilonga izany, ny famahanana bilaogy mivantana ny Fihaonambe "iCommons iSummit".
Myanmar: Manolotra ny loharanom-boky an-tserasera momba ny literatiora any Myanmar ny bilaogera
Ampahafantarina sy adikan'i Yangon Thu ny lahatsoratra avy amin'ny bilaogera Myanmar antsoina hoe Nyi Lynn Seck. Nahita tranomboky an-tserasera iray ahitana tantaram-pirenena, kolontsaina ary literatiora Myanmar ilay bilaogera.
Toherin'ny Fanjakana ny Tsanganandahatsoratry ny Blaogera iray
Nanoratra tsanganandahatsoratra iray tao anatina gazety miresaka momba ny fiakaran'ny vidim-piainana i mr.brown, Singapaoreana mpitoraka blaogy malaza. Namaly tao anatin'izany gazety izany ihany ny mpitondra teny iray avy amin'ny governemanta.
Ilay Resabe Momba ny Charango
Tato ho ato, natolotra ho fanomezana ny charango maro. Nanolotra iray tamin'izany an'i Condoleeza Rice i Evo Morales, nanome iray ho an'i Bono ihany koa ny Filoha Shilianina, nipoitra àry ny adihevitra momba ny ''toetra manokana ara-moraly'' ananan'ity zavamaneno ity.
Maraoka : Fahafatesan'i Driss Basri, ilay ”mpivaro-kena”
Maty tany Parisy i Driss Basri, ilay lehilahy mahery nandritra ny fitondran'i Hassan II izay nampangaina ho nahavita fampijaliana sy hetsika mahatsiravina.
India: Indostrian'ny diamondra mandalo krizy, mpiasa 71 namono tena
Mandalo krizy ara-toekarena ny indostrian'ny diamondra ao India izay nitarika tamin'ny famonoantenan'ny mpiasa miisa 71.