18 Oktobra 2018

Tantara tamin'ny 18 Oktobra 2018

Ny Herinandron'ny blaogy Kiswahili

  18 Oktobra 2018

Manambara ireo tarehimarika ofisialy ao Tanzania sy any an-kafa fa tamin'ny 1964, nikambana mba hamorona ny Repoblika Miray an'i Tanzania i Tanganyika sy Zanzibar . Tena nisy marina ve izany? Aiza no misy ny antotankevitra niandohana ho an'ireo Toko sy andininy momba ilay Firaisana? Manontany i Mwandani.

Pakistana : Misokatra ny fihazàna mba hahitàna an'i Baituallah Mehsud

  18 Oktobra 2018

Nampangaina ho namono ilay Praiminisitra teo aloha, i Benazir Bhutto i Mehsud, ilay lehilahy karohina fatratra ao Pakistana. Tomponandraikitra tamin'ny fanafihana ilay akademian'ny polisy tao Lahore  ihany koa izy ary ahiana ho tomponandraikitra tamin'ny fanafihana maro samihafa mitovy amin'izany. 50 tapitrisa roupia no atolotra izay hahita azy.

Singapaoro : dokambarotra maharikoriko ho an'ny Burger King

  18 Oktobra 2018

Manolotra sandwich (mofo voasesika) vaovao antsoina hoe ''Super Seven Incher" ho an'i Singapaoro ny Burger King (Fanamarihana: 7 inch = 18 sm eo ho eo). Mba hampahafantarana ity vokatra vaovao ity, nanao afisy iray izay manintona saina sy tsikera manerana izao tontolo izao ny masoivoho ray mpanao dokambarotra any an-toerana.

Armenia: Straight mankany an-tanàna

  18 Oktobra 2018

(2012) Miaraka amin'ny tahan'ny Harinkarena faobe isan-taona izay tombanana ho $5,400 eo fotsiny tamin'ny 2011, iray amin'ireo firenena mahantra indrindra tao amin'ny Firaisana Sovietika taloha i Armenia. Tena azo tsapaintànana ny toedraharaha ho an'ireo tanàna ao amin'ilay firenena lavitra andriana, fa manantena ny hanova izany rehetra izany ny diplaomaty iray.