(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2010)
Nanomboka izany rehetra izany rehefa nanafika ny Shiita Irakiana Grand Ayatollah Ali Al-Sistani tamin'ny vavaka Zoma ny mpitondra fivavahana Saodiana Sonita Mohammad al-Ureifi.
Insulting remarks by a Saudi cleric about the most revered Shia cleric in Iraq, Grand Ayatollah Ali Al-Sistani, have strained relations between Baghdad and Riyadh. In a Friday sermon in the Saudi capital of Riyadh, a leading Wahhabi cleric, Mohammad al-Ureifi, called Ayatollah al-Sistani an “atheist and debauched”. He also launched an attack on Iraqi Shias accusing them of conspiring with Yemen's Houthis against Saudi Arabia with Iran's support. Meanwhile, Iraqi Prime Minister Nuri al-Maliki strongly criticized the Saudi religious institutes after the cleric's remarks. He said Saudi religious institutes had a tendency to launch attacks on Shia clerics due to their hostile attitude towards Shia Muslims, AFP reported.
Via News Essentials
Nanaratsy ny fifandraisana teo amin'i Baghdad sy Riyadh ny fanamarihana manevateva nataona mpitondra fivavahana Saodiana iray momba ny mpitondra fivavahana Shiita iray tena hajaina ao Iraka, Grand Ayatollah Ali Al-Sistani. Tamin'ny toriteny zoma tao an-drenivohitra Saodiana ao Riyadh, niantso an'i Ayatollah al-Sistani ho “tsy mpino sy ratsy fitondran-tena” ilay mpitondra fivavahana malaza Wahhabita, Mohammad al-Ureifi. Nanao fanafihana ny Shiita Irakiana ihany koa izy, miampanga azy ireo amin'ny fikomiana miaraka amin'ny Houthis ao Yemen manohitra an'i Arabia Saodita miaraka amin'ny fanohanan'i Iran. Mandritra izany, nanakiana mafy ny toerana ara-pivavahana Saodiana ny praiminisitra Nuri al-Maliki taorian'ny fanamarihan'ilay mpitondra fivavahana Saodiana. Nilaza izy fa mitady hanao fanafihana amin'ireo mpitondra fivavahana Shiita ireo ivon-toerana ara-pivavahana Saodiana noho ny fihetsik'izy ireo mankahala ny Miozolomana Shiita, hoy ny tatitry ny AFP.
Tao amin'ny News Essentials
Taty aoriana, nanameloka ilay mpitondra fivavahana Saodiana ny antoko Libaney, Hizballah. Tao amin'ny The Angry Arab , niampanga ny antoko ho toy ny antoko ara-pivavahana ilay Amerikana Libaney, Dr Ass'ad Abu Khalil, ary namoaka lahatsoratra vaovao tao amin'ny bilaoginy, izay manoritsoritra an'i Al-Sistani ho “fanampiana goavana indrindra ho an'ny fibodoana Amerikana”. Nanoratra izy hoe:
Anyone who doubts that Hizbullah is a Shi'ite sectarian party, should read this lousy statement by the party in defense of Grand Ayatullah Sistani–the biggest help to the American occupation of Iraq, more than ‘Allawi and Chalabi combined. The text of the statement is so reverentially phrased: it talks about Sistani and adds: “may his shadow last.” The man does not even have a shadow: he donated it to the American occupation of the country. It states that harming Sisistani is like harming the party. There is no theory to explain this except the requirements of Shi'ite sectarian solidarity.
Izay rehetra miahiahy fa antokom-pivavahana Shiita ny Hizbullah, dia tokony hamaky ity fanambarana mampalahelo avy amin'ny antoko miaro ny Grand Ayatullah Sistani- mpanampy goavana indrindra amin'ny fibodoan'i Etazonia an'i Iràka, mihoatra noho ny ‘Allawi sy Chalabi miaraka. Narafitra tamin'ny fomba feno haja ny endriky ny fanambaràna: miresaka momba an'i Sistani izany ary manampy hoe: “haharitra anie ny alony.” Tsy manana aloka akory ilay lehilahy: nomeny ho an'ny fibodoana Amerikana ny firenena izany. Milaza izy fa toy ny manimba ilay antoko ny fanimbana an'i Sistani. Tsy misy teoria hanazavana izany afa-tsy ny fepetra firaisankina ara-pivavahana Shiita.
Bilaogera Irakiana Iraqi Mojo nanana fomba fijery hafa. Hoy izy:
WOW. Sistani was the “biggest help” to the American occupation of Iraq, according to the clueless professor in California. How did this schmuck become a professor?? Did Sistani help Americans by promoting peace and repeatedly calling for an end to violence? Yes he did.
Or did Sistani help the American “occupation” by forbidding violent reprisals as Sunni Arab terrorists continue to mass murder Iraqis? Yes he did!
Sistani is the top Shia cleric who called for unity and said in 2007: “I appeal to you to leave aside your divisions with your Sunni brothers.”
But As'ad Abu ***** has never mentioned Sistani's efforts to end the violence in Iraq.
Yes Sistani did help Americans to stabilize Iraq by encouraging the Shia to not attack innocent Sunni Arabs, even as Sunni Arab terrorism continues. Was that wrong of Sistani to do? Or is As'ad Abu ***** and the Sunni Arabs still pissed that Sistani, with his great influence in Iraq, did not call on the Iraqi Shia to kill Americans? Boo hoo, As'ad Abu *****!
WOW. Sistani no “fanampiana goavana” ho an'ny fibodoana Amerikana ao Iraka, araka ny filazan'ny profesora tsy dia misaina any California. Ahoana no nahatonga ity adala ity ho mpampianatr ?? Nanampy ny Amerikanina ve i Sistani tamin'ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana ary mitaky hatrany ny hampitsaharana ny herisetra? Eny, nataony izany.
Sa ve nanampy ny “fibodoana” amerikana i Sistani tamin'ny fandraràna ireo famaizana mahery setra kanefa mbola manohy ny famonoana faobe ireo Irakiana ny mpampihorohoro Sonita Arabo? Eny, nataony izany!
Sistani no mpitondra fivavahana Shiita ambony nitaky ny firaisan-kina ary nilaza tamin'ny taona 2007 hoe: “Miangavy anao aho hiala amin'ny fankahalanao ny rahalahinao Sonita”
Saingy tsy nanonona ny ezaka nataon'i Sistani hampitsaharana ny herisetra tao Iraka i As'ad Abu ***** .
Eny, nanampy ireo Amerikana hampitony an'i Iraka i Sistani tamin'ny famporisihana ny Shiita tsy hanafika ireo Arabo Sonita tsy manantsiny, na dia mbola mitohy aza ny fampihorohoroan'ny Sonita Arabo. Diso ve ny nataon'i Sistani tamin'izany? Sa i As'ad Abu ***** sy ny Arabo Sonita no mbola tezitra amin'i Sistani, miaraka amin'ny heriny lehibe any Iràka, tsy niantso ny Shiita Irakiana hamono ny Amerikanina? Boo hoo, As'ad Abu *****!