Vaovao misimisy kokoa momba ny fihaonambe “iSummit Dubrovnik 2007″

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Fomba iray mahaliana hamondronana vaovao vaovao sy maharaka izay lazaina amin'ireo lohahevi-dehibe, toy ny hoavin'ny “Commons”, ireo “vondrom-piarahamonina”, ary ny fomba fampitana izany ho an'ireo izay manandanja izany hoavy izany, dia hoan'ny ny kilonga izany, ny famahanana bilaogy mivantana ny Fihaonambe  “iCommons iSummit”. Ity andro ity no nanamarika ny fanombohana ny tetikasa vaovao “Education Commons!”. Eo am-pamahanam-bilaogy momba ity tetikasa vaovao ity ny mpampianatry ny Oniversite ary azonao jerena ao amin'ny vohikalan'ny iCommons ny torohay vao haingana indrindra.

Tena nahaliana tokoa ny nijery, nizara, nanao “remix” na nametraka fanehoan-kevitra fotsiny momba ny iCommons Summit Dubrovnik 2007: Andian-tsarin'ny Mpanakanto ao am-ponenana- nohavaozina isan'andro.

Azonao natao ny namaky ny vaovao farany amin'ny teny Espaniôla tao amin'ny KARISMA na QUEMARLASNAVES.

Tsidiho ny TWITCHGAMER raha liana amin'ny adihevitra tamin'ny tontolo andron'ny Creative Commons ara-pitsarana ianao.

Mariho fa nisy ny olana teo amin'ny tsy fifankazahoan-dresaka tamin'ny adihevitra avy amin'ireo tsy mampiasa ny teny Anglisy amin'ny kolontsaina samihafa satria tsy nisy ny fandikan-teny.

Renata Avila

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.