02 Aogositra 2017

Tantara tamin'ny 02 Aogositra 2017

Shina: Polisy Sy Mpitondra Bisikileta (Na/Sy Môtô)

  02 Aogositra 2017

(Marihina fa tamin'ny desambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy) Guangzhou, tanàna fahatelo lehibe indrindra ao Shina, ora vitsivitsy avaratr'i Hong Kong, no tanàna lehibe farany hanaisotra ny moto ao aminy, ampiharina manomboka ny 1 janoary 2007, ho hetsika iadiana amin'ny fandotoana, ny fitohanan'ny fifamoivoizana ary, ny zava-dehibe kokoa, ny haavon'ny heloka...

Goatemalà: Esquipulas sy Rabinal, Marika Roa Anà Fandriampahalemana

  02 Aogositra 2017

Tanàna roa ao Goatemalà, izay toeran'ny herisetra nahery nandritra ny fifandonana nitam-piadiana, no mankalaza fety maro manandanja rehefa volana Janoary - "Esquipulas" sy "Rabinal". Afaka nanao ireny fankalazana ireny ireo vondrom-piarahamonina ireo , taorian'ny fahataperan'ny ady, ary lasa endriky ny fandriampahalemana ho an'ny firenena izany.

Ekoadaoro: Vondrona Ara-tsosialy Manao Dia Be Ho Fankalazana ny Andron'ny Asa

  02 Aogositra 2017

Toy ny firenena maro manerana izao tontolo izao, nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Mpiasa rehefa 1 May ny Ekoadoriana. Lasa andro ara-tantara iray nitoloman'ny mpiasa rehetra manerana ny firenena hanànana fepetram-piasàna tsaratsara kokoa, na efa natao ho andro tsy fiasana tamin'ny fomba ofisialy aza izany tao amin'ny firenena tamin'ny 1915.