Lahatsary: Bilaogera Vietnamiana Miala Voly Hanaovana Asa Fanasoavana

(Marihina fa tamin'ny 28 Septambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

https://youtube.com/watch?v=bg5djUV9ljw

Nandefa andiana lahatsary efatra izay nalaina tao amin'ny “Fety Ivelan'ny Aterineto” ilay bilaogera Vietnamiana Elmooh ary nahitana fanangonam-bola fanaovana asa soa nokarakarain'ny bilaogera tao Hanoi. Nahitana zatovolahy, zatovovavy, akondro ary labozia ny lalao tao amin'ny fety. (Aza manahy, efa voalahatra izany rehetra izany ary mitafy akanjo avokoa ny olona rehetra!) Nanoratra mailaka tany amin'i Elmooh aho nanontany azy momba ity lalao ity. Ary hoy ny navaliny:

Abt the game: Chuối chín rồi. Banana gettin ripe.

3 pairs, 1 girl and 1 boy each.

The girl blinds the boy eyes with stickers, making sure no glimpse he can peek, then ties a rope with a banana at the other end around his waist, he must not know how long/far the banana hangs.

With verbal directing instructions from the girl, the boy have to stamp out the candle light with the banana…

Momba ny lalao: Chuối chín rồi.. masaka ny akondro.

Mandeha tsiroaroa avy amin'ny isany 3,  ankizivavy sy zazalahy tsirairay avy.

Tampenan'ny tovovavy amin'ny taratasy fametaka ny mason'ny tovolahy, atao tsara mba tsy hisy ahafahany mangala-pijery, dia fatorany tady eo amin'ny valahany miaraka amin'ny akondro eny amin'ny tendrony, tsy fantany ny fotoana sy ny halavitry ny akondro mihantona.

Mila mitsoka labozia mirehitra amin'ilay akondro ilay zazalahy amin'ny alàlan'ny fitarihana am-pitenenana avy amin'ilay zazavavy…

Dia izay ilay izy. Araka ny notaterin'i Elmooh tao amin'ny bilaoginy dia misy ihany koa ny zava-dehibe ao amin'ny lalao “hafa kely” toy ny dihy mitandahatra conga sy ny fampandihizana valahana;

We, then, had a fab time with some friends from a vocational center for underprivileged children. Some of them are limped, some of them bear body deformation since birth but all of them have great skillful hands and creativity to make fantastic handicraft works.

We were sitting there for hours listening to their stories, to their singing and to make necklaces, bracelets, earrings, belts out of colorful painted pottery pieces.

The offline party and the previous raised enough money by entry tickets to buy them a fridge. Vietnamese youngsters, not only go for fancy vehicles, endless parties but do have hearts. The little we could do, but there will be more to come.

Tena nahafinaritra ny fotoana niarahanay tamin'ny namana avy ao amin'ny foibe fianarana asa ho an'ny ankizy sahirana. Malemy sy mitondra takaitra ara-batana hatramin'ny vao teraka ny sasany tamin'izy ireo kanefa tena mahay asa tanana sy mahay famoronana asa tanana mahafinaritra izy rehetra ireo.

Nipetraka teo nandritra ny ora maro izahay sady nihaino ny tantaran'izy ireo sy ny hirany ary namboatra rojo, fehin-tànana, kavina, fehikibo nolokoina tanimanga mareva-doko .

Nahazoana vola betsaka ny tapakila tamin'ilay fety ivelan'ny aterineto sy ny teo aloha mba hividianana vata fampangatsiahana ho azy ireo. Tsy mandeha fiara raitra na manao fety tsy misy fiafarany fotsiny ihany ny tanora Vietnamiana fa sady olon'ny fo ihany koa izy ireo. Izay no zavatra kely azontsika natao, kanefa mbola hisy ny zavatra betsaka kokoa amin'ny hoavy .

Mihamaro hatrany ny asa fanasoavana tarihin'ny bilaogera .

(Isaorana Noodlepie nanome ny rohy.)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.