Bangladesh: Afaka Manavotra ny Firenena Ve Ny Herin'ny iray?

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2007)

Ny lohahevitra mafana ao Bangladesh amin'izao fotoana izao dia ny nanambaran'i Dr. Muhammad Yunus, ilay nahazo loka Nobel, ny fikasany hanomboka antoko politika sy hirotsaka amin'ny fifidianana manaraka. Tao anatina taratasy iray misokatra, nangatahany ny vahoaka mba hanolotra fanohanana ho azy ary hanolo-kevitra azy amin'izay fomba ahafahany mandamina ilay antoko avy amin'ny ifotony.

Milaza i Salam Dhaka fa hametraka fimiràna vaovao ao amin'ny politikan'i Bangladesh ity hetsik'i Dr. Yunuq ity, izay torotoro anelanelan'ny ngidin'ny lolom-po politika misy eo amin'ireo antoko lehibe sy ny hetsika ara-politika mandravaravan'izy ireo. Niarahaba ny fidirany ny olona sasantsany ary naniry azy ho afaka hahomby tsara toa ilay Dr. Mahathir Mohamad any Malezia. Maneho ny heviny i  Trivuz hoe manana fahafahana izy handrava ny fomban-drazana manendry sy mampandresy olona matanjaka na mpandraharaha mpanao kolikoly amin'ny fifidianana sy mpampiasa vola maizina an-tapitrisany. Noho izany manana safidy hanohana mpanao politika azo itokisana sy mahay eo ambanin'ny fitarihany ny vahoaka. Na izany aza, mbola misy ihany ny ahiahy hoe afaka mahavita tsara amin'ny politika ve izy. Ny mpanao gazety, Shiblee Noman, raha namaly ny taratasin'i Yunus, dia manontany mikasika ny traikefany ara-politika ary mampitandrina fa raha mihevitra ny tenany ho mpanavotra an'i  Bangladesh izy, dia diso be. Araky ny demokrasia, avy any ifotony ny fahefana, izay irian'ny vahoaka. Izany hoe ny tiana ho fantatra dia hoe irian'ny vahoaka amin'ny maha-mpanao politika azy tokoa ve i Yunus sa napetraka an-tery ilay hevitra.

Mihevitra i Addafication fa tsy olona tsara no afaka manavotra ny firenena fa rafitra tsara:

Manana anjara asa lehibe sahinana ao amin'ny fiarahamonina Bangladesh ny Dr.Yunus. Fa tsy amin'ny politika irery ihany izany. Tontosa arka izay tsara indrindra ny anjara asany amin'ny maha-ao anatin'ny fiarahamonim-pirenena azy, mba hanamafisana izany miaraka amin'ny politika izay tokony hamafisin'ireo mpanao politika, tsy ny sivily fotsiny satria mety ho mpanatanteraka lehibe kokoa izy ireo. Tsy misy firenena tarihin'ny mpanatanteraka mamokatra be indrindra ao aminy fotsiny. Tsy tokony ho toy izany ihany koa isika. Ary tsy misy olam-pirenena mety ho voavaha amin'ny hetsiky ny olona iray fotsiny, na roa na telo. Ny andrim-panjakana no tsy maintsy diovina. 

Miverina amin'ny tokony ho izy i Bangladesh taorian'ny fanambarana tany latsaka an-katerena natao tamin'ny 11 Janoary. Misy ny hetsiky ny mpitandro ny filaminana manohitra ny kolikoly ary marobe ireo mpikambana taloha natanjaka tao amin'ny parlementa, minisitra taloha ary mpandraharaha mpanambola no any am-ponja noho ilay lalàna vaovao momba ny tany latsaka an-katerena. Faly amin'ny fanadiovana ny sehatra politika ny ankamaroan'ny vahoaka. Amarinin’ny bilaogy Drishtipat ilay filazana farany nataon'ny gazety The Economist mikasika ny ‘Faly ny rehetra, afa-tsy ny mpanao politika’ ao Bangladesh. Tena faly ny vahoaka amin'ny  fahombiazan'ilay governemanta vaovao vonjimaika ary dia tena miantso izany hoe ‘Revolisiona mangina ataon'ny vahoaka ao Bangladesh’. Hadihadian’ny “jery faha-3-n'izao tontolo izao” ny imailaka faobe mandeha mitety ireo boaty imailaka ao Bangladesh mandrisika fitsapankevi-bahoaka mba hahatonga ny governemanta vonjimaika hipetraka mandritra ny efatra taona hanampy azy ireo hanadio ny trano .

Na izany aza, raha toa ka maritoa no hany fitaovanao, ho toy ny fantsika ny olanao rehetra. Manontany mikasika ny fitondrantenan'ny governemanta vonjimaika ny vahoaka amin'ny fanadiovana ny ambanitanàna ary manilika amin-kerisetra ireo olona ireo sady mandrava ireo rafitra tsy ara-dalàna izay ampiasain'ireo mpandraharaha mahantra, toy ny tsena kely. Ny olana ao anatin'izany, hatreto, dia tsy manome toerana solony ho an'ireo mponina ambanitanàna na manome onitra ireo orinasa madinika.

Manohana ilay fitarihana fanadiovana ny bilaogy Addabaz, raha toa kosa ka miresaka mikasika ny zon'ireo olona voahilika ny bilaogin'ny vondrona Drishtipat.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.