Nanao Fifaninanana Vehivavy Manao Takokenatra Fitondra Milomano Ny Toby Nokleary Tseky (Czech) Mba Hifidianany Izay Ho Mpianatr'asa Manaraka

Fampitambarana natao ho an'ilay sary fandraisan'ny pejy Facebook-n'ny Ivontoerana Fampitambaovaon'ny Toby Nokleary Temelín, ary ny dikasarin'ilay tahirintsary noesorina mikasika ilay fifaninanana handraisana mpianatr'asa.

Lasa lasibatry ny valifaty manerantany ny Toby Nokleary Temelín Tseky noho ilay dokambarotra nahitàna tovovavy maro maka sary manao akanjo takokenatra fitondra milomano sy satroka mafy ho anisan'ny lazaina ho fifaninanana mba hahazoana fidirana ho mpianatr'asa.

Nanasa ireo mpampiasa Facebook ilay toby nokleary lehibe indrindra any amin'ny Repoblika Tseky, mba hisafidy ny mpianatr'asany manaraka amin'ny “fitiavana” ireo sariny, fa tsy ela fahatongavana ireo fiampangana fanavakavahana ara-pananahana. Taorian'ny namoahan'ilay mpamoaka vaovao manerantanin'i Alemaina, Deutsche Welle lahatsoratra iray mikasika ny fifaninanan'i Temelín, lasa nalain'ireo media iraisampirenena maro izy io avy eo. Sady nandefa ireo sarin-tovovavy no nitatitra ny  hatezerana manerantany ihany koa ny The Sun ao UK, raha ny vohikalam-baovao teknolojika Amerikana CNET kosa nampiasa ilay tranga mba hanehoana fa “lasa resaka ao amin'ny indostrian'ny teknolojia ny fanavakavahana ara-pananahana.”

Ny niafaràny dia nanala ny sarin'ireo nahazo diplaoma amin'ny ambaratonga ambony ilay ozinina, nanambara fa samy nandresy sy tafiditra ho mpianatr'asa daholo ireo mpandray anjara, ary niala tsiny fa: “Ny hampiroborobo ny fanabeazana ara-teknika no tanjon'ilay fifaninanana. Saingy raha toa ka nampirongatra olana na ahiahy ilay fijery niandohàna, miala tsiny indrindra izahay.”

Naka dikasary ilay fialantsiny ary naneho hevitra toy izao ny rychlofky, bilaogy Tseky firesahana andrana,  izay nandrakitra an-taratasy ny votoatin'ny media:

Temelín je slavný, jeho poněkud sexistická soutěž dívek v plavkách zaujala Time i CNN
Z jejich Facebookové Stránky (@ICTemelin) se mezitím soutěž poněkud ztratila a místo toho je tam něco jako polovičatá omluva. Která navíc nevypadá, že by pochopili, jak ubohé je „kvalifikační kritérium“ stážistek v podobě „vypadá dobře v plavkách“.

Lasa malaza be i Temelín! Niseho tao amin'ny Time sy CNN ilay fifaninanana ankizivavy nanao takokenatra fitondra milomano, nolazaina ho fanavakavahana ara-pananahana iny…
Tao amin'ny pejy Facebook-ny (@ICTemelin), toa diso fametraka ilay fifaninanana ry zareo, ary ho solon'izany, misy zavatra toy ny fialantsiny tsy misy hafanam-po. Fanampin'izany, toa tsy azon'izy ireo fa “fepetra fifantenana” poakaty ihany ho an'ireo mpianatr'asa ny “hita tsara tarehy ao anaty akanjo takokenatra”.

Tsy hoe fanesorana ireo sary tao amin'ny Facebook fotsiny ihany no fanapahankevitra noraisin'ilay ozinina nanàla ilay tahirintsary, fa ihany koa ny tany amin'ireo fandrakofana nataon'ny media izay nampiditra ilay tahirintsary tao amin'ny lahatsorany raha toa ka tokony naka ireo dikasary fotsiny.

Namoaka tatitra lahatsary mikasika ireo maodely manodidina ilay toby nandritra ny fangalàna sary ny fifaninanana ihany koa ny Jihoceske, fantsona fahitalavitra eo an-toerana. Taorian'ny nampidiran'ny Deutsche Welle io tao amin'ny lahatsorany ary nanombohan'ny valifaty, nataon'ny Jihoceske tsy afaka nojerena intsony ilay lahatsary YouTube.

Tsy ratsy daholo anefa ireo ny nandraisan'ny rehetra io fifaninanana nahatonga resabe io. Nisy orinasa Alemàna iray izay mpamatsy ny ozinina Temelín nibitsika iray tamin'ireo sary izay nampiseho ny sasany amin'ireo vokatra avy amin'izy ireo ihany koa:

Tena tsara, tsara ,orina, hoditra tsy misy kianina. Ny tohodrano #IBS etsy ankavia no ambarako  ! Ampahan'ny sary nalaina tao amin'ny toby Tseky Temelin famokarana herinaratra

Raha nametraka an'i Temelin ho lasa malaza manerantany ilay fifaninanana manao takokenatra fitondra milomano, ilay ozinina kosa niantehitra tamin'ny hatsaran'ireo tovovavy ho ampahan'ny tetikadinà dokambarotra aloha.

Iray amin'ireo mpiara-miasa fototra amin'ny fifaninanana izy ireo “Female High School Graduate of the Year (Vehivavy Manana Diplaoma Amin'ny Fianarana Ambony nandritra ny Taona)”. Ao anatin'ny fanomanana ilay fifaninanana hatsaràna, mitsidika ilay ozinina ireo tanora tonga any amin'ny dingana famarànana, araka ny aseho ao anatin'ity lahatsary manaraka ity:

Fiarahamiasa niaraka tamin'ny “Female High School Graduate of the Year,” ny fifaninanana hiditra ho mpianatr'asa tamin'ity taona ity, araka ny hita eo amin'ny tsipika sy lohatenin'ny tahirintsarin'ilay Facebook. Ny tena marina, fanehoana mitovin'ny fifaninanana ny taona 2016, na tsy tonga dia fantatra aza hoe iza no mpandresin'ny fifaninanana 2016 (raha toa ka nisy mpandresy tokoa).

Dikasarin'ny pejy Facebook “Female High School Graduate of the Year 2016″ – Fifaninanana Fidirana ho Mpianatr'asa ao amin'ny Toby Nokleary Temelin . (tsindrio mba hanalehibeazana azy)

Nisy sasantsasany nampiavaka azy goavana ihany anefa. Na nalaina sary tamin'ny endrika maodely aza izy ireo, tsy nanao takokenatra fitondra milomano ireo ankizivavin'ny taona 2016. Nahazo mpitia 40 sy fanehoankevitra 3 ao amin'ilay tahirintsary taona 2016.

Ampitahao amin'ilay tahirintsary taona 2017 izay tena be mpitsikera be io, izay nahazo mpitia 901 ary fanehoankevitra 697 hatramin'ny fotoana nanesorana azy.

Ary raha toa ka tsara ireo fanehoankevitra tamin'ilay tahirintsary 2016, toy ny hoe “misy ankizivavy tsara tarehy maro ao amin'ny sekoly amboninay” ka hatramin'ny hoe “handefa sary bebe kokoa anà mpifaninana ve ianareo?” Asehon’ny Google Cache fa tena feno tsy fankasitrahana ny ankamaroan'ireo hita tamin'ny tahirintsary 2017, toy ito manaraka ito avy tamin'ny mpampiasa Facebook nitondra ny anarana hoe Martine Jenah:

Toa mananihany koa izany! Nampanaovintsika akanjo takokenatra fitondra milomano fotsiny ve ireo lehilahy mba ho lasa mpianatr'asa? Mbola io hadalàna mikasika ny fananahana io ihany amin'ny taona 2017!!!!! Hanihany koa ny orinasanareo izany! Tsy vatana natao hojerena ireo vehivavy. Manana atidoha sy fahaizana izy ireo, adala mihitsy ianareo!!!

Ireo media iraisam-pirenena sasany nanamarika fa ny fiavian'ny anarana hoe takokenatra bikini ankehitriny dia avy amin'ny hoe Bikini Atoll, toerana iray fanaovana andrana baomba nokleary. Nanandrana nisintona ny fifandraisana misy dikany eo amin'io resaka io sy ny Temelín amin'ny maha indostrian'ny angovo nokleary azy izy ireo. Ireo hafa indray nisintona fampitahana tamin'ny zava-nitranga tamin'ireo mpanamory ara-barotry ny sidina tany Shina ny taona 2015, izay nitaky ireo mpifaninana haka sary manao takokenatra fitondra milomano koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.