Topimaso Farany An'ilay Tranobe Fotsy ao Phnom Penh Nanamarika an'i Kambodza Mialohan'ny Fandravàna Azy

Jery amin'ny masom-borona an'ilay Tranobe Fotsy, 14 Jolay 2017. Sary sy soratra avy amin'ny Radio Free Asia / Vuthy Tha

Naverina nozaraina miaraka amin'ny fanomezan-dalana avy amin'ny Radio Free Asia ity lahatsoratra ity. Asongadin'ny lahatsoratra ny sarin'ilay Tranobe Fotsy niavaka tao Phnom Penh andro vitsivitsy mialohan'ny nandravana azy.

Radio Free Asia

Matetika nisintona ny sain'ny mpanakanto, mpandihy, ary mpakasary tao Phnom Penh, renivohitr'i Kambodza, ity tranobe fonenana 54 taona nampiavaka azy ity, izay misy tetezana tafo lanitra. Fa ankehitriny dia noravàna izany.

Kasain'ny fanjakàna ny hanavao ny faritra ho lasa tranobe maroasa  manana rihana miisa 21 eo ambanina fifanekena  manamboatra-manodina-mamindra (BOT) miaraka amin'ny Arakawa, orinasa Japoney iray, ao anatina tetikasa iray mitentina $80 tapitrisa.

Tany am-boalohany dia Tranobe fonenana Monisipaly no niantsoana an'ilay Tranobe Fotsy ary notokanana tamin'ny 1963 toy ny trano fonenana mora hofan-trano. Nandritra ny taona maro, lasa malaza ho faritra ambany tanàna sy fanaovana heloka bevava izany, izay niaraka nonina tao ny mpivarotena, mpiankindoha amin'ny zava-mahadomelina, masera, mpianatra, ankizy sy tompona fandraharahana.

Tamin'ny voalohany, ilay Kambodziana mpahay maritrano, Lu Ban Hap, sy Rosiana mpahay maritrano, Vladimir Bodiansky, no nanorina ilay tranobe ho toy ny anisan'ny vinan'i Norodom Sihanouk, mpanjaka tamin'izany fotoana ho an'ny fanovàna an-drenivohitra vaovao ataon'ny Khmer. Voarafitra tangoron-trano enina izay nonenana fianakaviana 493, miorina ao amin'ny vohitr'i Tonle Bassac mifanila vodirindrina amin'ny Sothearos Boulevard ilay tranobe, sarahina tangoron-ttrano vitsivitsy miala avy eo amin'ny Antenimieram-pirenenan'i Kambodza sy ny tranoben'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny.

Ankehitriny, fako sy potika taratasy sasantsasany tavela, ondana sy latabatra no sisa hita ao anatin'ilay tranobe. Na izany aza, fianakaviana fito izay nanana efitrano fonenana tao amin'ilay tranobe no mbola mikomy tsy handao ny trano fonenany sy hanaiky onitra ‘ambany-noho-ny-vidy-any-an-tsena’, raha toa ka nanapaka hevitra ihany koa ny tsy hamela ilay tranobe  ireo mponina hafa avy amin'ny fianakaviana efatra mipetraka manamorona ny arabe manoloana ilay tranobe fonenana nialohan'ny fandravana izay nanomboka tamin'ny 17 Jolay 2017.

Jery an'ilay Tranobe Fotsy Fonenana, 14 Jolay 2017. Sary sy soratra avy amin'ny Radio Free Asia / Vuthy Tha

Kojakoja an-tokantrano sy fako an-tapitrisany misavovona teo akaikina rindrina misy fitaovana fampielezan-kevitry ny Antokon'ny Vahoaka Kambodziana eo amin'ny fitondrana, 14 Jolay 2017. Sary sy soratra avy amin'ny Radio Free Asia / Vuthy Tha

Toerana masina iray miaraka amina didin-kazo manitra mijoro eo anoloan'ny iray amin'ireo efitrano fonenana ao amin'ilay Tranobe Fotsy, 14 Jolay 2017. Sary sy soratra avy amin'ny Radio Free Asia / Vuthy Tha

Matory eo amin'ny iray amin'ireo tetezana ao amin'ilay Tranobe Fotsy ny mponina mpikomy, 14 Jolay 2017. Sary sy soratra avy amin'ny Radio Free Asia / Vuthy Tha

Mponina mpikomy mandà ny handao ny efitrano fonenany no hita matory ao anatin'ny efitrano fonenany voafefy, 14 Jolay 2017. Sary sy soratra avy amin'ny Radio Free Asia / Vuthy Tha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.