26 Jolay 2017

Tantara tamin'ny 26 Jolay 2017

Fitantarana Manokana: Horohorontany Tao Sichuan (Shina)

  26 Jolay 2017

Tamin'ny 12 May 2008, namely ny faritanin'i Sichuan, ao atsimo-andrefan'i Shina ny horohorontany nahatratra 7.8 amin'ny maridrefy Richter. Tao amin'ny distrikan'i Wenchuan no nisy ny foibeny, saingy heno hatrao Beijing sy Hong Kong ny hovitrovitra. An'aliny ireo niharam-boina. Nametraka fijoroana vavolombelona, lahatsary, sary sy fanehoan-kevitra tamin'ny aterineto ireo olon-tsotra.

Ny Tanàndehibe Shiliana Fahatelo Nahazo WiFi Maimaim-poana

  26 Jolay 2017

Manana Wi-Fi maimaim-poana ho an'ny olom-pirenena ankehitriny ny kianja afovoany ao Molina. Izany no tanàndehibe fahatelo ao Chili ahitana Wi-Fi maimaim-poana, Salamanca sy Puerto Montt ireo tanandehibe roa hafa araka ny nazavain'ny Plataforma Urbana (ES) tao amin'ny lahatsoratra iray momba ny fiantraikan'ny tambajotra maimaim-poana ao amin'ny kaominina.

Barbados: Ireo Famantaran-dàlana

  26 Jolay 2017

Namoaka ity sarin'ny famantaran-dàlana eo amin'ny sampanan-dalana any ambanivohitr'i Barbados ity ny bilaogeran-tsary Barbados in Focus (Mifantoka amin'i Barbados). "Tena manerana izao rehetra izao ny famantaran-dàlana." Na izany aza, misy ny karazana famantaran-dàlana mety natao manokana ho an'ny toerana iray toy ny asehon'ny sary eto ambany.

Hongria: Ny Paprika Ao Szentes

Hitako ity toerana ity omaly. Moa ve ny tompon'ity trano ity tena tia fatratra ny Paprika ? Sa fomba iray hahazoana vola fanampiny? Na inona na inona antony, ny zavatra azo antoka dia ny hoe, hiafara ho "zava-manitra" an-dakozia maro ao Szentes ireo paprika natao girilandy tsara tarehy (paprikafuzer) ireo.